- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakipeo Avy Any Amman Miaraka Amin'i Ahmad Humeid

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: tamin'ny 27 Jolay 2005 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ahmad Humeid dia mpandraharaha [1] Jordaniana, mpanao matoandahatsoratra an-gazety, mpanao sary, mpamolavola maritrano ary araka ny fahalalako azy dia izy no mpandrakitra rakipeo antserasera Jordaniana voalohany, angamba ny voalohany any Afovoany Atsinanana. Naka minitra vitsivitsy izahay taorian'ny fivoriana tao Amman – “Misokatra ny Hoavy ” – mba hiresahana momba ny famahanana bilaogy sy ny fandraisana rakipeo eo amin'ny tontolo miteny Arabo, hoe nahoana ny Jordaniana maro no mamahana bilaogy amin'ny teny Anglisy, ary nahoana ny teknolojia no mety hanampy amin'ny famoronana fifanakalozan-kevitra manerana ny tontolo Arabo. (Audio file [2]. mp3, 19 minitra, 8.8mb).

Azonao fantarina bebe kokoa ny momba an'i Ahmad amin'ny alàlan'ny famakiana ny bilaoginy, 360east [3], na amin'ny alàlan'ny fanarahana ny matoandahatsorany amin'ny teny Anglisy mivoaka isan'andro, Jordan Times. [4]

Ho avy ao amin'ny fivorian'ny bilaogera Global Voices rampitso hariva ao amin'ny Wild Jordan any Jabal Amman amin'ny 7ora hariva i Ahmad. Raha bilaogera Jordaniana ianao ka liana ny hamantatra bebe kokoa momba ny Global Voices sy hanatevin-daharana anay dia mandefasa mailaka any amin'i Isam Bayazidi (ibayazidi AT gmail DOT com) .