Kurdistance-5:

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2006)

Tsy misy fitaka na sangy ratsy androany rey olona, tsipika mahitsy fotsiny amin'ny tontolon'ny blaogy Kiorda ity.

Manome rohy tsara mitondra amina lahatsoratra mikasika ny fahasosoran'ny Kiorda mpifindra-monina mankany Angletera mikasika ny tsy fahampian'ny paompy i Hiwa Hopes amin'ity herinandro ity. Ary amin'ny fahatsoram-po, tsy nahafantatra aho hoe misaraka ny paompy any Angletera, satria tsy any Etazonia izy ireo. Fanampin'izany, nizara sary somary mampihomehy mikasika ny fifamoivoizana ao Slemany i Hiwa.

Nanome rohy mankany amin'ny lahatsoratra izay nosoratany ho an'ny Kurdish Media i Vladimir, izay manoratra ao amin'ny Avy Any Holandy Mankany KiordistanaMikasika an'ilay Kiorda Mpamorona Lamaody, Sohrab Darisiro ny voalohany ary ilay faharoa dia momba ny pejy vaovao mikasika ireo Kiorda tao amin'ny Al-Jazeera (izay tena tadiaviko mafy amin'izao).

Amin'ity herinandro ity dia manoratra mikasika ny tsy fahombiazan'ny fanjakana Al-Maliky tany Iraka tamin'ny mbola tsy fametrahana foana ny Andininy 140 i Iraqi Kurdistan , izay mampihena ny fanaraboana (Arabization) an'i Kirkuk….ho ana seha-pifaneraserana lehibe kokoa mikasika izany (hitako fa tena nanampy tokoa izany) jereo ny Kurdish Media.

Manana sary ara-tantara mahafinaritra an'ny Kiordistana fahiny i Roj Bash! ary koa rohy mankany amin'ny fifangaroana kely mampihomehy rehefa nizara tsy tamim-pitandremana, sarin'ny vahoaka tany amin'ny fiaiana izay ho Tompondaka eran-tany izay nampisehoana saina Kiorda, ny gazety Syrian Ba'ath iray.

Raha tokony hampifandray ny fanaovaozana tsirairay, andeha fotsiny hangataka ny mpamaky ahy tsy tapaka aho mba hikaroka ny Save RojTV ho an'ny vaovao farany momba ireo ben'ny tanàna 56 izay miatrika ny fonja noho ny fanaovana sonia taratasy ho fanohanana ny Roj TV. Toa efa saro-miaina am-piandrasana vaovao bebe kokoa momba izay hitranga aorian'ny fiampangana ny tontolo Kiorda.

Manoratra lahatsoratra iray mampientanentana sy feno fanantenana momba ny namany iray izay avy any Kiordistana Avaratra (Atsimo-Atsinanan'i Tiorkia) ka vao haingana no tonga tany Amerika i Mizgin avy any Rasti :

Tena falifaly adaladala be aho androany satria anio, ho ahy, dia andro fialana sasatra,  fialaa sasatra ahy manokana, androm-pifaliako manokana.

Henoko  fa tonga any Etazonia ny namako iray avy any Amed ary mety hanomboka ny hiasa ho an'ny nofinofiny izy, nofinofy izay tsy afaka ny ho tanteraka mihitsy ho an'ny Kiorda ao Kiordistana voabodon'ny Tiorka, nofinofy izay ankehitriny dia manana vintana mitovy ho tanteraka. Mba hahatratrarana ny nofinofiny, eto tsy misy hangataka aminy hanadino fa Kiorda izy. Tsy misy hiteny aminy fa tsy mahazo miteny kiorda na tsy maintsy miteny Tiorka, na koa polisy hitazona azy sy hampijaly azy noho ny heloka amin'ny maha zazalahy tanora, Kiorda azy.

Antenaiko fa ho sambatra toy ny tsapan'i Mizgin androany ny ambin'ny herinandronao, mandra-pihaonantsika indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.