Voasakana Ny Isaacmao.com

(Fanamarihana; tamin'ny 8 Aprily 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Isaac at the Harvard Global Voices gathering

Isaac tao amin'ny fihaonan'ny Global Voices tao Harvard, sary avy amin'i Jeff Ooi.

Voasakana ny tranonkalan'i Isaac Mao, isaacmao.com araka ny voalazan'ny mpamakinay sasany. Nanolotra ny ampahany tamin'ilay tantara tao amin'ny lahatahirin'ny tranokalany, nomena ny lohateny hoe “Not isaacmao.com” i Isaac :

The site of isaacmao.com has been blocked due to it's ‘sensitive’ content. I don't know how long it will take to return. I'm starting emgergency processes now, and will update information in this backup site. Thanks for your attention and kind queries.

(Anyone ever linked to my site for the “sensitive” post about Great Firewall, please kindly trackback here to tell more people what happened)…

Don't worry, it's not so sad thing, it's fun enough~! No experience, no understanding.

Nosakanana ny tranonkala isaacmao.com noho ny votoatiny ‘saropady’. Tsy fantatro hoe hafiriana izany no hiverina. Manomboka ny dingana hamehana aho amin'izao fotoana izao ary hanavao ny vaovao ao amin'ny lahatahirin'ny tranonkala. Misaotra tamin'ny fifantohana sy ny fanontanianareo mahafinaritra.

(Raha misy aminareo mifandray amin'ny tranonkalako ao amin'ny lahatsoratra “saropady” momba ny Great Firewall (Rindrin'Afo), miangavy anareo mba handrohy eto hilaza amin'ireo olona ny zava-nitranga) …

Aza matahotra, tsy zavatra mampalahelo izany, fa tena mahavariana! Tsy mahafantatra, tsy mahalala.

Angamba mety ho ilay lahatsoratra tena mahafinaritra nosoratan'i Isaac tamin'ny Fetin'ny Lainga volana Aprily ny “votoaty saropady” resahana eto, izay nilazany fa nosakanana ny isaacmao.com, ary nanoro hevitra ny olona izy mba hitsidika ny tranonkala hafa izay tsy mpitsikera, anisan'izany ny tranonkala hatsikana toy ny  “How to Fold A Shirt” – toy izao ny fivakin'ny ampahany tamin'ny lahatsorany : “Nalefa an-tsesintany tany Siberia i Isaac Mao … inona no tianao hotsidihana ankehitriny?”

Na angamba mety ho ilay fanoroana an-tsary izay nampiantranoana tao amin'ny flickr nampifandraisan'i Isaac niaraka tamin'ny tombantombany momba ny fomba fiasan'ny rindrin'afo Shinoa no nahatonga izany. (Lasa fitaovana tena mahomby amin'ny fanampiana ireo namantsika Shinoa hiala amin'ny rindrin'afo ny Flickr. Raha toa ka voasakana ny lahatsoratra flickr an'i Isaac, dia indro ny dika mitovy tamin'ilay fanoroana an-tsary izay natolotry ny  lohamilinay.)

Nihevitra i Isaac fa tsy misy kianina ny bilaoginy, kanefa nomena baiko ny mpanome tolotra aterinetony (FAI=ISP)  mba hampitsahatra ny famahana ny olan'ny anaran-tsehatry ny isaacmao.com. Niasa nanao izay hahazoana ny anaran-tsehatra izy tamin'izay mba hamerenana ny bilaoginy. Nanolotra ny fampiantranoana ny bilaogin'i Isaac tany ivelan'i Shina ny olona maromaro (anisan'izany ny Global Voices) . Nikasa ny hihazona izany tao Shina i Isaac rehefa hitany fa herijika tsara hianarana bebe kokoa momba ny fanivànana ny aterineto ao Shina ny toe-javatra toy izany:

To my personal blog, I'm not so eager to move my blog to oversea's hosting. It's so good to study this space with more local experience. (from a recent email from Isaac.)

Momba ny bilaogiko manokana, tsy maika loatra ny hanetsika ny bilaogiko any amin'ny fampiantranoana any ampitan-dranomasina aho. Tena tsara ny mianatra ity sehatra ity amin'ny traikefa eto an-toerana. (avy amin'ny mailaka farany avy amin'i Isaac.)

Zavatra iray nolazain'i Isaac ny hevitra “fananganan[‘anaka] bilaogera”. Azontsika atao ny mijery rafitra iray izay ahafahan'ny bilaogera any amin'ny firenena manana fahafahana ihany mba “hanangana” bilaogy any amin'ny firenena tsy dia manana fahafahana ary mba hitahiry ireo dika mitovin'ny tahirin'ireo tranonkala ireo. Rehefa voasakana ny tranonkala iray, afaka mandefa ny dindon'ny tranonkala izay mifototra amin'ny backup ny bilaogera iray natsangana [ho zanaka]. Raha misy olona liana amin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba hifehezantsika ny rafitra toy izany dia manorata amiko ao amin'ny ethanz AT gmail DOT com azafady .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.