- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandeha Radio Ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 4 Aprily 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandany fotoana nahafinaritra niaraka tamin'ny ekipan'ny Global Voices tamin'ny Talata lasa teo i Clark Boyd ao amin'ny The World,  [1] tetikasa fampielezam-peo iombonana iray novokarin'ny BBC sy ny WGBH, any Boston. Ny vokatry ny ezaka nataony dia tantara nisongadina [2] tao amin'ny famoahana androany [3] tao amin'ny programa.

Mpandrakitra rakipeo mavitrika, ary matetika mamoaka rakipeo mivantana avy amin'ny antsafa nataony aloha na aorian'ny handefasany ny tatitra i Clark. Ny ampahany voalohany tamin'ny resaka nifanaovany tamin'i Rebecca, ny tenako, Ory sy Atanu dia anisan'ny tsanganana navoakany tamin'ny Zoma [4] .

PlayPlay [2]