Nandeha Radio Ny Global Voices

(Marihina fa tamin'ny 4 Aprily 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandany fotoana nahafinaritra niaraka tamin'ny ekipan'ny Global Voices tamin'ny Talata lasa teo i Clark Boyd ao amin'ny The World,  tetikasa fampielezam-peo iombonana iray novokarin'ny BBC sy ny WGBH, any Boston. Ny vokatry ny ezaka nataony dia tantara nisongadina tao amin'ny famoahana androany tao amin'ny programa.

Mpandrakitra rakipeo mavitrika, ary matetika mamoaka rakipeo mivantana avy amin'ny antsafa nataony aloha na aorian'ny handefasany ny tatitra i Clark. Ny ampahany voalohany tamin'ny resaka nifanaovany tamin'i Rebecca, ny tenako, Ory sy Atanu dia anisan'ny tsanganana navoakany tamin'ny Zoma .

PlayPlay

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.