- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Andrana “Explore Feed” an'ny Facebook, Manimba Ny Fandraharahàna Madinika, Ny Fikambanana Tsy Miankina Ary Ireo Vondrona Politika ao Kambodza

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava
[1]

Fivarotana fidirana aterineto ao Siem Reap, Kamboza. Sary Flickr avy amin'ny Melissa Gira (CC BY-NC-ND 2.0)

Ny 19 Oktobra 2017, nanomboka [2] nanandrana rafitra vaovao ho an'ny faham-baovaony ao Sri Lankà, Bolivia, Slovakia, Serbia, Goatemalà sy Kambodza ny Facebook.

Tao anatin'ny andrana, ny lahatsoratra avy amin'ireo namany ihany no ho hitan'ny mpampiasa Facebook ao anatin'ny faham-baovao mahazatra azy ireo (miaraka amin'ireo votoaty mahazo tohana ara-bola) . Tsy hipoitra ny vaovao farany avy amin'ny gazety, orinasa tsy miankina, antoko politika ary vondrona hafa izay arahany eo amin'ny Facebook raha tsy manindry bokotra iray, antsoina hoe “Fitrandrahana Fahana” (Explore Feed).

Mila mandoa vola ireo tompon'ny pejy Facebook raha te-hahita ny lahatsorany anaovana dokambarotra eo amin'ny faham-baovao mahazatra.

Nanena betsaka ny isan'ireo mpitsidika sy ireo fifanarahan'ny pejy Facebook, indrindra fa ny asa ety anaty aterineto ataon'ireo mpandraharaha madinika, orinasa tsy miankina, ary vondrona politika tsy afaka mandoa vola hanaovana dokambarotra ho an'ny votoatiny.

Adam Mosseri, lohan'ny faham-baovao ao amin'ny Facebook, nanazava [3] ny anton'ny anaovan'ny orinasa an'ity andrana ity, izay heverina fa haharitra volana maromaro:

Mihaino mandrakariva ny vondrom-piarahamoninay  izahay momba ireo fomba ahafahanay manatsara ny faham-baovao. Miteny ny olona fa fomba tsotsotra kokoa hahitany lahatsoratra avy amin'ireo tapaka sy namana no tian-dry zareo. Andramanay ny manisy toerana iray voatokana ho an'ny olona mba hanarahan'izy ireo ny tapaka sy namana, ary toerana misaraka iray hafa, antsoina hoe Fitrandrahana (Explore), miaraka amin'ireo lahatsoratra avy aminà pejy.

Tanjon'ilay andrana ny hahatakarana raha tian'ny olona kokoa ny manana toerana misaraka ho an'ny lahatsoratra manokana sy ho an'ny daholobe. Ho renay izay lazain'ny olona momba ny andrana mba hahafantarana raha hevitra tsara tohizana lavidavitra kokoa ilay izy.

Ao Kambodza, ho an'ny pejy Facebook maromaro izay an'ireo mpamoaka vaovao, fivarotana eo amin'ny aterineto, fikambanana tsy miankina [4] ary antoko politika, hita fa niteraka fahavoazana goavana [5] tamin'ny resaka fifamoivoizana ilay andrana. Araky ny tatitrin'ny vaovao, naharakitra fahaverezana 60 isan-jato ny mpitsidika azy sy ny fifanarahany ny pejy Facebook ao Kambodza, taorinan'ny nivoahan'ilay bokotra “Fitrandrahana Fahana”.

Tonga tamin'ny fotoan-tsarotra tao Kambodza ilay andrana nataon'ny Facebook, miaraka amin'ny antoko mitondra  ny firenena voaendrikendrika ho mampangina [6] ny antoko mpanohitra, ny media  tsy miankina, ary ny fikambanana tsy miankina mialoha ny fifidianana solombavambahoaka  amin'ny 2018. Vao mainka nampitombo olana ny fanjavonana tampoka an'ireo lahatsoratra avy amin'ny loharanom-baovao tsy miankina sy antoko mpanohitra ao amin'ny faham-baovaon'ny Facebook Kambodziana.

Manana mpampiasa Facebook miisa eo amin'ny dimy tapitrisa i Kambodza amin'ireo mponina 15 tapitrisa ao aminy. Tao anaty fanadihadina natao tamin'ny 2016, hita fa mijery vaovao [7] ao amin'ny Facebook ny ankamaroan'ny Kambodziana.

Nifintinin'i [8] Jaime Gill, mpanolotsaina mahaleotena amin'ny sehatry ny fifandraisana, miasa miaraka aminà fikambanana tsy miankina  maromaro, ny fiantraikan'ilay andran'ny Facebook tao Kambodza:

Tamin'ny fanapatapahana ireo vaovao avy amin'ny faham-baovaon'ny olona ary ny fandefasana azy ireny ho any amin'ny fasam-botoaty izay ilevenan'ny tantara maro,  notapahan'ny Facebook ny loharanombaovao ho an'ireo Kambodziana an-tapitrisa. Miaraka amin'ny fahatongavana haingan'ny fifidianana lehibe, fotoana iray mampanahy ho an'ny fanandramana tahaka izany izao.

Nahazo tombony hafa iray tamin'ny adin'ny fanentanana sy ny vola ilay fikambanana goavana tsy miankina iraisampirenana. Efa ananan-dry zareo sahady ny vola be ho laniana amin'ny fampiroboroboana/fampahafantarana lahatsoratra eo amin'ny Facebook; izao vao mainka hisongadina kokoa ry zareo  eo anivon'ny faham-baovao. Tsy izany kosa ho an'ireo fikambanana tsy miankina kelikely kokoa.

Tharum Bun, mpandalina ny media sosialy, nanoratra fa mety tsy nahatsikaritra [9] ny andrana nataon'ny Facebook ireo olontsotra mpampiasa Facebook ao Kambodza:

Mihevitra aho fa ny ankamaroan'ny Kambodziana mety tsy nahatsikaritra an'io fanamboarana io. Ny fahitan'izy ireo fa mandeha ny Facebook ary manome azy ireo ny votoaty tiany ho jifaina no tena ilaina. Raha nisy ora iray tsy nandehanan'ny tambazotra sosialy, ho tezitra mafy ny olona noho io fampidirana ny Fitrandrahana Fahana io.

Nefa na izany aza no zavamisy,olona marobe no nataon'ilay andran'ny Facebook tsy nahazo vaovao tamin'ny fanasarotana kokoa ho an'ireo vondrona tsy dia manana vola loatra hanandratana ny votoatin-dry zareo eo amin'ilay tambazotra sosialy malaza.

Mety hanimba ihany koa ny fandraisana andraikitra ety anaty media sosialy  ataon'ireo fikambanana tsy miankina, ny media tsy miankina, ary ny antoko politika mpanohitra ilay andrana natao. Tato anatin'ny taona vitsivitsy lasa, niantehitra tamin'ny Facebook ireo vondrona ireo mba hanoherana [10] ny fampielezankevitry ny antoko eo amin'ny fitondràna izay eo amin'ny fitondrana efa ho 30 taona mahery.

Mbola hamoaka fanambaràna momba ny vokatry ny andrana nataony ny Facebook.