- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Podcast (Fandraketam-peo) : Fampahafantarana Ny Tetikasa Nari Jibon

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Nari Jibon Cyber Cafe

(Marihana fa efa tamin'ny volana Jolay taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Vao telo herinandro lasa izay, nambara toy ny iray amin'ireo mpandray anjara dimy amin'ny fihodinana voalohany nahazo vatsy tamin'ny Rising Voices vatsy [1] ny foibe Nari Jibon [2]ao Dhaka. Ny vatsy, izay manome famatsiam-bola kely ho an'ireo vondron'olona sy olon-tsotra izay mampiely fampitam-baovaon'olon-tsotra amin'ny vondrom-piarahamonina tsy hita amin'ny aterineto, dia hanampy ny Nari Jibon mba hamiditra bilaogy amin'ny kilasy Bangla, Anglisy, sy ny solosaina..

Naorin'ilay Mpampianatra Sosiolojia Kathryn Ward [3] tamin'ny taona 2005 tao Dhaka ny Nari Jibon. Manome fampianarana famakian-teny sy manoratra [4] sy fiofanana arak'asa ho an'ny tanora vehivavy Bangladeshita ny tetikasa, mba ahafan'izy ireo mihary sy mahita asa eo amin'ny sehatra hafa ankoatra ny asa an-trano sy ny orinasa fanaovana akanjo. Efa mampiasa ny fitaovana media an'olo-tsotra sahady ireo tovovavy ao amin'ny Nari Jibon mba handraketana ny tontolo manodidina azy ireo. Nanomboka bilaogy roa izy ireo: amin'ny teny Anglisy, Bangladesh from our View [5] sy amin'ny teny Bangla, Our Stories [6]. Hahita lahatsoratra momba ny sinema Bangladeshita [7]ianao, fanadihadiana momba ny fiainan'ny mpitondra posiposy [8], ary vao haingana indrindra, tantarana tovovavy saranga antonony izay lasa mpivaro-tena ankehitriny. [9]

Mahatakatra, Mikolokolo, sy Mandray Anjara Hatrany.

Cyber Cafe

Tsoriko. Tsy afaka mitsidika ireo blaogy ireo ianao raha manantena fitoviana amin'ny New Yorker, na gazety ambony hafa. Tsy haino aman-jery fanjifàna ity fa fifandraisana mivantana.

Koa nahoana izahay no tokony ho liana? Nahoana isika no tokony handany fotoana mba hahatakatra bebe kokoa momba ny fiainan'izy ireo? mba hampitaha ny fiainan'izy ireo amin'ny fiainantsika manokana? mba hanombohana fifanakalozan-kevitra?

Afaka mamaly fanontaniana hafa aho: nahoana isika no tokony hiahy ny rehetra? Nahoana isika no mifandray amin'ny olona? Nahoana isika no manaraka ny fiainan'ireo olo-malaza sy ny mpiara-monina? Ary nahoana isika no tsy afaka misafidy mba handray ireo zatovovavy ao Dhaka ho mpiara-belona amintsika koa?

Mahatakatra an'i Bangladesh

Ao amin'ny Global Voices, manao asa mahagaga amin'ny fananganana tetezana eo amin'ireo vondrom-piarahamonina bilaogera izay miha miorina manodidina ny faritra na fiteny iombonana, na fomba fijery ara-politika mihitsy aza izahay. Saingy tsy dia manome vaovao fototra sy votoaty ilaina foana izahay, amin'izay afaka mahatakatra ny any ivelany ary mandray anjara amin'ireo resaka ireo. Izany no tanjon'ity Podcast ity: hilaza ny tantaran'i Bangladesh [10], ahoana no nahazoany fahaleovantena, ahoana ny fomba niovan'ny fiainan'ireo vehivavy nandritra ny taompolo maro lasa, ary nahoana ny famahanana bilaogy no manana anjara toerana lehibe amin'ny fanomezan-kery ny feon'ny vehivavy Bangladeshita. Nahalala ny feon'ireo bilaogera izay mampahafantatra anay hatrany momba an'i Bangladesh eto amin'ny Global Voices ihany koa izahay. Ireto avy izy ireo:

Rohy voalaza sy ny lahatsoratra:

Trohy ny Podcast [25]