(Fanamarihana: tamin'ny 3 Martsa 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)
Nanatevin-daharana ny biraon'ny kômity mpanolontsaina ao amin'ny Civiblog ny mpiara-miasa iray amin'ny Global Voices Joi Ito. Ny Civiblog dia tetikasa iray natao hanomezana bilaogy ireo fikambanan'ny fiarahamonina sivily manerana izao tontolo izao. Ahitana ny ampahany amin'ireo Kanadiana lohalaharana amin'ny fanaovana asasoa ny tetikasa izay tantanan'ny Citizen's Lab (loharanom-baovao mahafinaritra momba ny sivana sy ny fahalalahan'ny fampitam-baovao manerantany), ary tohanan'i Tucows sy ny Orina Mpanasoa Walter and Duncan Gordon .
Nisoratra anarana tao amin'ny kaonty Civiblog aho mba hanamarina ny tolotra sy hanome hevitra, izay havoakako eto. Nampanantena ny Civiblog fa hiverina ao anatin'ny 24 ora hanokatra kaonty ho an'izay mangataka miaraka amin'ny fampahafantarana momba ny bilaogy sy ny fidirana amin'ny fandrindrana kaonty. Tena miadana kokoa izany noho ny famerenana avy hatrany ny tolotra feno ho an'ny fampiantranoana bilaogy maimaim-poana toy ny Blogsome, saingy inoana fa mila faharetana ny fifandraisana sy ny fampiroboroboana ny tolotra Civiblog. Ho hita eo ny fotoana ahafahantsika manadihady ny tolotra Civiblog miaraka amin'ny kaontintsika manokana .
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...