Tantaram-pahombiazana Ho An'ny RSF

(Marihina fa tamin'ny 26 Janoary 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niresadresaka fohy niaraka tamin'i Julien Pain ao amin'ny Internet Freedom Desk ao amin'ny Reporters Sans Frontières aho tamin'ity maraina ity. Miasa hanome torolàlana ireo bilaogera sy ireo mpanohitra ao amin'ny aterineto izy. Natao ho an'ireo mpanao gazety sy mpikatroka izay mety tsy mbola nampiasa bilaogy mihitsy hatramin'izay izany, ary manazava ny fototry ny fananganana bilaogy, ny fomba hiasana manoloana ny sivana sy ireo sakana hafa ho an'ny fampahalalam-baovao, ary ny lafiny fototra amin'ny soratra miafina sy ny fiarovana ny aterineto ihany koa.

Liana amin'ny fanangonana ireo “tantaram-pahombiazan” ‘ireo olona mampiasa bilaogy sy ny teknolojian'ny aterineto hafa mba hitaterana vaovao izay voasivana i Julien. Raha manana tantara mahomby izay mety ho ilaina amin'ny bokiny ianao, na hevitra momba ireo bilaogera izay mety manana tantara manan-danja, dia miangavy anao handefa izany ao amin'ny sehatra fanehoan-kevitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.