Dina Mehta Ao Amin'ny Sehatry Ny Bilaogy Indiana

(Fanamarihana: tamin'ny 8 Martsa 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Namoaka lahatsoratra momba ny fipoiran'ny tontolon'ny bilaogy Indiana ho an'ny gazetiboky antserasera Nirantar i Dina Mehta , anthropolojista mamiratra sady bilaogera Indiana. Nilaza ny fipoiran'ny “Mpampifandray, Manampahaizana manokana sy Mpivarotra” ho porofo fa tsara ny mamantatra ny fahaterahan'ireo bilaogera Indiana izy raha nanamarika ny boky vaovaon'i Malcolm Gladwell “The Tipping Point”. Nampiseho ny traikefany manokana izy tamin'ny bilaogy fanampiana amin'ny Tsunami izay nanetsika avy hatrany ireo mpirotsaka an-tsitrapo an-jatony maro taorian'ny tsunami tamin'ny 26 Desambra.

Mamahana bilaogy amin'ny teny anglisy i Dina, saingy nadika tamin'ny teny Hindi ho an'ny Nirantar ny lahatsorany, ary nantsoina hoe ilay bilaogy-gazetiboky voalohany amin'ny fiteny Hindi eto amin'izao tontolo izao. Ho an'ireo izay liana amin'ny famerenana indray ny fampiasana ny fiteny Hindi,  manondro ny Blognaad i Dina, io dia tranonkala iray natokana ho an'ny bilaogin'ny rakipeo amin'ny fiteny Hindi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.