- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandresy Tamin'ny Fifaninanana Bilaogy Tsara Indrindra Ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana

(Marihina fa tamin'ny 22 Novambra 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nahazo ny loka Best of the Blogs [1] (Bilaogy Tsara Indrindra) avy amin'ny Deutsche Welle ny Global Voices. Faly izahay fa nomem-boninahitra tamin'ny safidin'ny mpitsara ho an'ny Bilaogin'ny Tsara Indrindra Mamoaka lahatsoratra isan'andro amin'ny teny Anglisy. Nahazo fankasitrahana avy amin'ny DW ihany koa ny namana hafa ao amin'ny Global Voices, anisan'izany ny namanay Manal sy Alaa, izay manana bilaogy avy any Kairo, “Manal and Alaa's Bit Bucket” [2] , ary nahazo ny loka manokana avy amin'ny Reporters Without Borders [3] .

Anisan'ny mpitsara izay nifidy ny bilaoginay ho fanomezam-boninahitra ny DW i Lisa Stone ao amin'ny Surfette. Tena mahafinaritra tokoa ny fomba nilazany mikasika ny asanay tao amin'ny bilaogin-dahatsorany momba ny fitsaràna ny fifaninanana [4]. Mazava ho azy fa nanohana ny Global Voices izy mba handresy tamin'ny lokan'ny Best Weblog (Tranonkalan'ny Bilaogy Tsara Indrindra)- izay lasan'ny bilaogin'i Arzantina “Más respeto, que soy tu madre” [5]. Koa satria mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ny mpitsara roa (Hossein Derakshan sy Julien Pain) dia nisy ny fomba fijery samihafa tamin'ny fifidianana. Hoy i Stone tao amin'ny lahatsorany, :

In my opinion, Global Voices is the most important blog in the English speaking world, bar none. This site is more than an up-to-the-minute guide and encyclopedia of the international blogosphere. Global Voices Online is a mega-blog the covers free speech by a global citizenry–and covers it well. It's so important at a time when so many international voices are denied free speech by their governments and, in the United States, a very few, English-speaking, first-world media conglomerates dominate and determine the ownership, distribution and content of news.

Raha ny hevitro, ny Global Voices no bilaogy manan-danja indrindra ao amin'ny tontolo miteny Anglisy, tsy ankanavaka. Manome torolalana isa-minitra momba ny vaovao farany ity tranonkala ity sady rakipahalalana ho an'ny tontolon'ny bilaogy iraisam-pirenena. Bilaogy goavana iray mitatitra ny fahalalaham-pitenenana avy amin'ny olom-pirenena manerantany ny Global Voices ary mitatitra izany tsara. Zava-dehibe tokoa izany amin'ny fotoana izay tsy ahafahan'ny feo iraisam-pirenena maro maneho hevitra an-kalalahana noho ny governemantany, ary any Etazonia, vondrom-pampitam-baovao vitsy dia vitsy no manjaka sy mamaritra ny fitompoam-pananana, ny fitsinjarana ny votoatim-baovao amin'ny teny Anglisy.

Misaotra indrindra an'i Lisa, ary misaotra ny rehetra tao amin'ny Best of Blogs noho ny fanomezam-boninahitra anay tamin'ity loka mahafinaritra ity. Ary misaotra ny ekipan'ny Global Voices rehetra noho ny nanaovany ity tranokala ity ho mendri-pankasitrahana.