Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

28 Desambra 2017

Tantara tamin'ny 28 Desambra 2017

Dina Mehta Ao Amin'ny Sehatry Ny Bilaogy Indiana

Namoaka lahatsoratra momba ny fipoiran'ny tontolon'ny bilaogy Indiana ho an'ny gazetiboky antserasera Nirantar i Dina Mehta , anthropolojista mamiratra sady bilaogera Indiana .

Tsy Afaka Niditra Tao Amin'ny Fihaonambe Tao Madrid Ny Fampitam-baovao

Mpanao gazety maherin'ny telonjato sy arivo no nasaina hanatrika ny fihaonambe, saingy tsy nisy afaka niditra tao amin'ny efitrano fivoriambe izy ireo ....

Nankatoavin'ny UNESCO Ho Vakoka Ara-kolontsaina Ilay Andron'ny Renibe Volana Martsa, Fomba Amam-panao Iray Ao Balkana  

Nankalaza ny fankatoavan'ny UNESCO ilay fomba amam-panao amin'ny Andron'ny Renibe Volana Martsa ao Balkana amin'ny fanaovana firavaka mena sy fotsy vita amin'ny volon'ondry ireo mpikatroky ny vakoka ara-kolontsaina any Atsimo Atsinanan'i Eoropa .

Krismasy Nilahatra Solitany Noho ny Tsy Fisiany Tao Nizeria

Nandany ora maromaro tao anatin'ny fiaran'izy ireo ny Nizeriana, nihitsoka teny an-dalana ary tsy afaka nody tany an-tanindrazany mba hankalaza Krismasy satria niharan'ny tsy fahampian-tsolika goavana ny mpamokatra solika lehibe indrindra aty Afrika.

Fanangonan-tsonia Ho Famotsorana Ilay Lehilahy Eritreana Izay Nosamborina Tany Italia Noho Ny Mari-panondroana Diso

Ilay lehilahy izay miatrika fitsarana any Italia dia i Medhanie Tesfamariam Berhe fa tsy i Medhanie Yehdego Mered, ilay "Jeneraly" lehiben'ny tambajotran'ny mpanondrana mpifindra monina an-tsokosoko.

‘Iray Isika': Nanjary Ara-dalana Ny Fanambadian'ny Olon-droa Mitovy Taovam-pananahana

Lasa ara-dalàna ny fanambadian'ny samy lahy na vavy ao Aostralia. Nankatoavina avy hatrany ny fanambadian'ny vahiny. Hanomboka amin'ny 9 Janoary 2018 ny lanonana voalohany.

Ankalazain'ny Tontolom-bolongana Maraokana Ny Vehivavy, No Sady Ifanakalozany Hevitra Ny Mikasika Ireo Fady

Nanome voninahitra ilay vehivavy, izay, nankalazain'izao tontolo izao androany, ireo Maraokana blaogera. Nifanakalozan-dry zareo hevitra koa ny mikasika ireo olana saropady toy ny maha-pelaka ao anaty tontolo iainana mpandala ny nentim-paharazana.

Fantaro Ireo Olona Manakana Ny Fametrahana Fantsona Lehibe Famokarana Etona Ao Atsimon'i Italia

Na dia eo aza ny fanehoan-kevitra mahery vaika nataon'ny mpitandro filaminana sy ny olona voasazy handoa onitra hatramin'ny 10.000 €, tapa-kevitra hanohy ny fanoheran'izy ireo mba hanakana ny fananganana TAP ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana, ao Melendugno .

Nandresy Tamin'ny Fifaninanana Bilaogy Tsara Indrindra Ny Global Voices

Nahazo ny loka Best of the Blogs (Bilaogy Tsara Indrindra) avy amin'ny Deutsche Welle ny Global Voices. Faly izahay fa nomem-boninahitra tamin'ny safidin'ny mpitsara ho an'ny Bilaogin'ny Tsara Indrindra Mamoaka lahatsoratra isan'andro amin'ny teny Anglisy.