- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Malaza Amin'ny Bilaogy Avy Ao Azia Atsimo

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, India, Nepal, Pakistana, Sri Lanka, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

‘Ity ny fotoana tamin'ity taona ity – akaiky ny taona vaovao isika ary fotoana izao hijerena ny zava-bita taona 2005. Sahirana tamin'ny fananganana ny lisitr'izy ireo, ny fahatsapan'izy ireo, sy ny fomba ahafahana manatsara ny toe-javatra  ao amin'ny firenen'izy ireo ny bilaogera Aziatika Atsimo.

Bangladesh:
Manana ny famintinany ny taona 2005 i Ahmede Hussain, Rifat [1] indray miresaka momba ny rafi-panabeazana ary milaza fa ilaina ny mpampianatra voaofana tsara alohan'ny hampidirana ireo taranja vaovao ao amin'ny oniversite, indrindra fa ny solosaina sy ny teknika.

India:
Ny fanatanjahantena, ny sarimihetsika sy ny olon'ny taona no sasantsasany amin'ireo lohahevitra resahin'ireo bilaogera any India.

Ny World of Cricket [2] miresaka momba ny taonan'ny Cricket sy ny ho aviny any India,   SandeepShinde [3]  kosa nanoratra ny antony nifidianany an'i Sania Mirza ho olon'ny taona. Division of Labor [4] indray manana ny lisitr'ireo sarimihetsika Bollywood voalohany tamin'ny taona 2005. Ashish Kumar [5] kosa miresaka ny fifaninanana  “Indian of the Year (Ny Indiana misongadina tamin'ity taona ity)” ao amin'ny NDTV.

Pakistan:
Ny 25 Desambra no andro nahaterahan'i Mohammed Ali Jinnah Metroblogging Karachi [6], ary mizara ny eritreriny momba an'i Jinnah i Zeeshan Khan [7].

Toa naka ny tao an-tsainan'ny olona roa i Karachi: Streetphotos manana andian-tsary mahafinaritra, sary maroloko misy an'ii Karachi Fahiny [8] ary ity sombiny misy sarina vorona (volotora) [9].

Miresaka momba ny zon'ny vehivavy any Pakistana [10] i Reza ary mitaraina momba ny fandraràn'i Pakistana ireo fantsom-pahitalavitra Indiana ankoatra ny MTV sy Zoom kosa i Raheel [11] ! Mijery tamberina ny taona 2005 i Ejaz [10]ary ny sehatry ny Teknolojiam-baovao sy ny teknolojia no ifantohany.

Sri Lanka:
Shandy [12], mpitsoa-ponenana Britanika mizara ny eritreriny momba ny fivoarana ara-politika farany tao Sri Lanka. Crossroad Dispatches kosa manasongadina an'i Bazuki [13]i, mpaka sary izay nitsidika an'i Sri Lanka mba hanamarika ny tsingerintaona voalohan'ny tsunami nandravarava.