Ny Malaza Amin'ny Bilaogy Avy Ao Azia Atsimo

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

‘Ity ny fotoana tamin'ity taona ity – akaiky ny taona vaovao isika ary fotoana izao hijerena ny zava-bita taona 2005. Sahirana tamin'ny fananganana ny lisitr'izy ireo, ny fahatsapan'izy ireo, sy ny fomba ahafahana manatsara ny toe-javatra  ao amin'ny firenen'izy ireo ny bilaogera Aziatika Atsimo.

Bangladesh:
Manana ny famintinany ny taona 2005 i Ahmede Hussain, Rifat indray miresaka momba ny rafi-panabeazana ary milaza fa ilaina ny mpampianatra voaofana tsara alohan'ny hampidirana ireo taranja vaovao ao amin'ny oniversite, indrindra fa ny solosaina sy ny teknika.

India:
Ny fanatanjahantena, ny sarimihetsika sy ny olon'ny taona no sasantsasany amin'ireo lohahevitra resahin'ireo bilaogera any India.

Ny World of Cricket miresaka momba ny taonan'ny Cricket sy ny ho aviny any India,   SandeepShinde  kosa nanoratra ny antony nifidianany an'i Sania Mirza ho olon'ny taona. Division of Labor indray manana ny lisitr'ireo sarimihetsika Bollywood voalohany tamin'ny taona 2005. Ashish Kumar kosa miresaka ny fifaninanana  “Indian of the Year (Ny Indiana misongadina tamin'ity taona ity)” ao amin'ny NDTV.

Pakistan:
Ny 25 Desambra no andro nahaterahan'i Mohammed Ali Jinnah Metroblogging Karachi, ary mizara ny eritreriny momba an'i Jinnah i Zeeshan Khan.

Toa naka ny tao an-tsainan'ny olona roa i Karachi: Streetphotos manana andian-tsary mahafinaritra, sary maroloko misy an'ii Karachi Fahiny ary ity sombiny misy sarina vorona (volotora).

Miresaka momba ny zon'ny vehivavy any Pakistana i Reza ary mitaraina momba ny fandraràn'i Pakistana ireo fantsom-pahitalavitra Indiana ankoatra ny MTV sy Zoom kosa i Raheel ! Mijery tamberina ny taona 2005 i Ejaz ary ny sehatry ny Teknolojiam-baovao sy ny teknolojia no ifantohany.

Sri Lanka:
Shandy, mpitsoa-ponenana Britanika mizara ny eritreriny momba ny fivoarana ara-politika farany tao Sri Lanka. Crossroad Dispatches kosa manasongadina an'i Bazukii, mpaka sary izay nitsidika an'i Sri Lanka mba hanamarika ny tsingerintaona voalohan'ny tsunami nandravarava.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.