Fijery Arabo: Feon'Ireo Mpandalina Ny Finoana Silamo

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2006)

Tsy ireo bilaogera miteny Anglisy avy any Afovoany Atsinanana irery ihany no miezaka tsy an-kiato mampitohy ny hantsana ara-kolontsaina, fa misedra ady mitovy amin'io koa ireo bilaogera miteny Arabo any an-trano, ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Arabo mihitsy.

Mitsikera ny sasany amin'ireo fady anatin'ny rafitra misy azy ireo mpandalina ny finoana Silamo. Ny iray amin'izy ireo nanosika ireo boky noheveriny ho tsy mendrika nefa novakiany, ny iray hafa nihantsy ny manampahefana handray ireo Kristiana tahaka ny fandraisana ireo Silamo any Andrefana, fa ny ratsy indrindra dia ny fandroahana an-tsekoly noho ny fampiharanao ny fahalalahanao maneho hevitra.

Avy ao Egypta…

Voaroaka an-tsekoly Kareem Amer noho ny fanehoany malalaka ny heviny momba ny finoana Silamo. Tamin'ny herintaona, voafonja nandritra ny fotoana naharitraritra izy noho ny zavatra navoakany tao anaty aterineto, sy ny nanaovany resaka tao anaty sehatra fiadian-kevitra miresaka ireo olana goavana eo amin'ny finoana Silamo, indrindra ny zava-mitranga ao Egypta.

Andro vitsy lasa izay, nanoratra izy fa novakiany ireo rojo vy an'ny Al Azhar. Hoy izy:

لست حزينا ! ، وهل يكتئب الإنسان ويحزن عندما يحوز حريته مرة أخرى ، لقد إكتشفت أثناء التحقيق معى ولأول مرة أن كونى طالبا فى جامعة الأزهر يعنى أننى عبد مملوك لها ، هكذا ودون أية مبالغة ، وجدت قانون تنظيم الأزهر ولائحته الداخلية تقيد طلاب الأزهر داخله وخارجه وتحظر عليهم التعبير عن آرائهم خارج إطار الخطوط الحمراء المرسومة لهم .
هل أحزن لأننى إستعدت حريتى ؟؟ ، هل يكتئب العبد عندما ينجح فى إنتزاع حريته قسرا من قبضة من كان يعد نفسه سيدا عليه ؟؟ ، هل يبكى من ينتصر على الظلم والإستعباد وتقييد العقول ؟؟ ، لقد إنتزعتها إنتزاعا من بين أيديهم وكانوا يساوموننى عليها ، كانوا ينتظروننى أن أنكر وأن أتنصل من نسبة آرائى الحرة الجريئة لشخصى ، كان ينتظرون ولادة شخصيتى الثانية أثناء عملية التحقيق ، ولكن هيهات هيهات لما كانوا ينتظرونه منى !!

Tsy malahelo aho! Hisy halahelo ve na hitanondrika rehefa mitaky indray ny fahafahany? Hitako nandritra ny fanadihadiana voalohany fa ny maha mpianatry ny Anjerimanontolo Al Azhar ahy dia midika fa andevon'ilay Anjerimanontolo aho, izany mihitsy, tsy misy fanitàran-dresaka. Hitako fa mangeja ny mpianatra, na ao anatiny na any ivelany, ny fitsipika sy lalàna apetraky ny Al Azhar ary mandrara ny mpianatra tsy hanana fahalalahana miteny izay mihoatra lavitra nòho ny fetra voapetraka. Tokony halahelo ve aho satria nitaky ny fahafahako?? Hitanondrika ve ny andevo rehefa vitany ny manaisotra amin-kery ny fahafahany eny am-pelatànan'ireo tompoiny?? Hisy hitomany ve raha mandresy ny fanenjehana, ny fanandevozana ary ny fangejàna ara-tsaina?? Nesoriko taminy tamin-kery izany rehefa niady varotra azy ry zareo, nanantena ireo fa hanameloka sy hanohitra ny hevitro manokana izay malaka sady tsy misy tahotra aho. Nandritra ny fanadihadiana, niandry ny fahaterahan'olona fanindroany indray izy ireo, saingy tsy azo inoana nòho izay nandrasany izany!!

Ao Kôety…

Tezitra noho ny fomba fitondran'ny manampahefana ao amin'ny fireneny an'ireo tsy Silamo i Jandeef. Manonona ampahany avy amin'ireo gazety ao an-toerana izy, izay mampiseho ireo fanehoankevitra manoloana ny fandàvan'ny manampahefana ny hanome ampahan-tany ho an'ny Fiangonana Katôlika. Manoratra i Jandeef avy eo:

قرارات وتصريحات كهذه تجعلني أستحي على دمي كل ما دخلت مسجد مدينتنا.نحن من نطنطن بأن ديننا دين تسامح واعتدال واحترام للآخرين ، ونردد كالببغاوات “لكم دينكم ولي دين” ، هذه فعايلنا ، لو تم رفض طلب لنا لبناء مسجد في أميركا أو أوروبا ، تجدنا أول من يعايرهم بحرية الاعتقاد واحترام الأديان.

Mampanongo tena ahy foana ny fanambarana sy ny fanapahankevitra tahaka izao isaky ny miditra ao amin'ny mosken'ny tanànako aho. Milaza isika fa finoana iray izay miantso ny famelankeloka, ny fandeferana sy ny fitoviana ary manaja ny hafa ny antsika, ary mamerina tahaka ny boloky isika fa “manana ny finoanao ianao ary manana ny ahy aho”, izao no ataontsika, rehefa misy fananganana moske lavina any Amerika na any Eoropa, tsikaritrareo fa isika no voalohany manala baraka ny fitakian-dry zareo ny fahalalahana ara-pinoana sy ny fanajàna ny finoan'ny hafa.

Ao Arabia Saodita…

Mandinika ny sasany amin'ireo boky vaovao nosoratanà vehivavy Saodiana i Fuad Al Farhan. Mahamarika zavatra iray zarain'ireo boky rehetra ireo izy ary manoratra fa:

الموضة القصصية السعودية حالياً هي الإثارة الجنسية الممنوعة مضافاً إليها شخصية الشاب الجهادي المتطرف الذي ينكد حياة أبطال القصة. هم أحرار فيما يكتبون, ولكن هل فعلاً نسوا أنهم سيحاسبون على كل حرف كتبوه؟
Tato ho ato, malaza be eo amin'ny boky Saodiana ny fanairana ara-nofo voarara miampy lehilahy Djihadista iray mahery fihetsika manembatsembana ny fiainan'ilay mpandray anjara fototra. Malalaka izy ireo amin'ny zavatra soratany, saingy moa adinon-dry zareo fa tsy maintsy hanamari-tena manoloana ny teny tsirairay nosoratany izy ireo?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.