- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rivopanovàna ao Nepal: Fifandonana

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2006)

An-tapitrisany mahery ny olona nidina an-dalambe androany, maherin'ny 15 no namoy ny ainy, an-jatonjatony no naratra, maro tamin'ireo no voa mafy novonoin'ny mpitandro filaminana, an'arivony no voasambotra, ary mbola lavitry ny hahita mangirana ny mpanjaka. Mbola mandà tsy hijery izy fa ny “assemblée constituante” irery ihany no marimaritra iraisana misy eo aminy sy ny fiombonan'ny antoko fito.

Efa ela ny Democracy For Nepal [1] no niantso ny handinganana ny mpanjaka sy hizorana mahitsy any amin'ny lalàmpanorenana vonjimaika sy parlemanta mpitondra rivopanovàna.

Manana tatitra tsara nalaina avy eny an-toerana ny ekipan'olon-tokana ahitàna an'i Mero Sansar [16] saingy amin'ny teny Nepaley izany. Kanefa manana lahatsary, sy sary ihany koa izy. Ity bilaogy ity angamba no toerana anaty aterineto manana lahatsary marobe avy any an-dalambe na dia nahatratra ny lohatenin'izao tontolo izao aza i Nepal tato ho ato, ary na dia saika nandrakotra lalina an'i Nepal aza ireo gazety malaza be maneran-tany.

Manana ny sasany amin'ireo tatitra tsara indrindra ny United We Blog [17]Ho avy ao New York [18] rehefa avy eo ny mpanangana ilay bilaogy, Dinesh Wagle [18]. Anatinà fitsidihana maharitra ray volana karakarain'ny Departemantam-panjakana Amerikana izy.

Mihoatra nòho ny vohikala ny Samudaya [29], tambajotranà tanora mpiketriak mafana fo ihany koa izy io,  ny ankamaroan'izy ireo izay ao Nepal. Ohatra iray: Maneho ny firahalahiany ho an'ny fahafahana ny tanora/mpianatra tsy miandany [30]. Manana tahirin-tsary tsara avy amin'ilay rivopanovàna ihany koa io vohikala io.