- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary Ho An'ny Fanovana [‘Video for Change’]: Fitantarana Momba Ny Vondrom-piarahamonina, Fitaovan'ny Fifaharana

Sokajy: Mediam-bahoaka

Mpandray fitenenana tamin'ny ‘Lahatsary ho an'ny Fanovana’ nitrandraka ny fitantarana an-dahatsary ataon'ny vondrom-piarahamonina. Sary avy amin'i Raphael Tsavkko Garcia, nahazoana alalana.

Ny mpandray anjara tamin'ny “Video For Change” dia ahitana ireo mpikambana avy amin'ny fikambanana dimy, anisan'izany ny Video4Change [1]. Sam Gregory ao amin'ny Witness  [2](mpandrindra), Stalin K ao amin'ny Video Volunteers [3], Rima Essa avy ao amin'ny B'Tselem [4], Brenda Danker avy ao amin'ny Freedom Film Network [5], ary i Andrew Lowenthal ao amin'ny Engage Media [6]..

Tambajotran'ny fikambanana izay mampiasa lahatsary ho fitaovana ho an'ny vondrom-piarahamonina voahilikilika ny Video4Change [7] mba hilazana ny tantaran'izy ireo manokana momba ny fanoherana. Mampiroborobo ny fitantarana amin'ny endrika hafa, mihantsy ny tsy fahampian'ny fahasamihafana sy ny fisoloantena amin'ny haino aman-jery mahazatra, manentana momba ny fanitsakitsahana ny tontolo iainana sy ny zon'olombelona ary mampiroborobo ny fiovan'ny fiarahamonina izy ireo. Araka ny fanazavan'i Stalin K hoe:

The diversity of mainstream media producers is deplorable so we decided that the only way to change the national discourses is to change the profile of the people who produce the content

Mampalahelo ny fahasamihafan'ny mpamokatra fampahalalam-baovao mahazatra ka nanapa-kevitra izahay fa ny hany fomba hanovana ny resaka nasionaly dia ny fanovana ny mombamomba ny olona izay mamokatra votoaty

Saingy mety ho asa mampidi-doza ny fitantaràna ireo tantara zara raha voatatitra, ka namolavola tetikady samihafa mba hiarovana ireo vavolombelona sy mpilatsaka an-tsitrapo miasa eny ifotony ireo fikambanana ireo. Tany Palestina ohatra, Rima Essa nilaza taminay hoe:

Everybody with a camera isn't protected and can be arrested. Because they're Palestinians. I can't do anything for them but to pay high amount of money to release them, which is not always possible.

Tsy voaaro sy azo samborina izay rehetra manana fakantsary. Satria Palestiniana izy ireo. Tsy afaka manao na inona na inona ho azy ireo aho, kanefa tsy vita foana ny mandoa vola be mba hamotsorana azy ireo.

Iray amin'ireo tetikady ampiasain'ny Video Volunteers ny manome karatra famantarana ho an'ireo mpiara-miasa aminy izay avy amin'ny fikambanana, miaraka amin'ny antontan-taratasy manan-danja azon'izy ireo ampiasaina rehefa mampahafantatra ny tenan'izy ireo amin'ny manampahefana na ny mpitandro filaminana. Nanazava i Stalin K fa manome fiarovana ho an'ireo mpilatsaka an-tsitrapo any amin'ny faritra sasany any India izany, satria misy ireo lehilahy mitam-piadiana mamaritra azy ireo ho avy amin'ny zavatra “ofisialy”.

Ho an'ny  Freedom Film Network miasa any Malayzia, manome azy ireo fanekena ny fahafantarana sy ny fankatoavan'ny vondrom-piarahamonina, izay lasa fiarovana amin'ny mety hisian'ny fandrahonana. Hoy i Brenda Danker hoe:

We know the community and the community knows us. We screen everywhere: schools, community centres, in and out of Malaysia. Then it becomes more valid and it goes out to the press

Fantatsika ny vondrom-piarahamonina ary mahafantatra antsika ny vondrom-piarahamonina. Maka sary amin'ny toerana rehetra izahay: sekoly, ivotoerana iombonana, ao anatiny sy ivelan'i Malezia. Avy eo lasa manan-kery kokoa izany ary mivoaka amin'ny gazety

Nahasarika vahoaka marobe liana tamin'ny fitantarana momba ny vondrom-piarahamonina ny “Video For Change”. Saripikan'i Raphael Tsavkko Garcia, nahazoana alalana.

Indraindray ny horonantsary voarakitra dia mety atao ho porofo mba hiarovana ireo iraka amin'ny fiampangana diso. Ohatra, Rima Essa nanazava tantara mahavariana momba ny mpaka sary iray tao Palestina, izay, rehefa nifanandrina tamin'ny mpitandro filaminana, dia nahavita nanafina ny “carte memoire” tao am-bavany. Rehefa azon'ny B'Tselem izany, dia nampiasaina nandritra ny fitsarana azy ny lahatsary ary afaka soa aman-tsara izy.

Na izany aza, matetika tsy ampy ny porofon'ny tsy fananan-tsiny. Amin'ny ankapobeny, mety hidiran-doza amin'ny asany ireo mpilatsaka an-tsitrapo eny ifotony ary nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fiarovana voalohany an'ireo iraka ireo mpandray fitenenana dimy. Araka ny nolazain'i Essa hoe:

I always tell them: I don't care about the camera, all I care about is your life.

Milaza amin'izy ireo foana aho hoe: Tsy miraharaha ny fakantsary aho, ny ainao no zava-dehibe amiko.

Na dia izany aza, nanohitra ny fihetsika ray mpiaro i Stalin K, satria misafidy ny hametraka ho laharam-pahamehana ny lanjan'ny tantara tian'izy ireo ho fantatr'izao tontolo izao ireo mpirotsaka an-tsitrapo. Hoy izy:

We are human rights organisations using a tool to further our goals, the ethics is human rights. In that game we are not the only players; the players are those who suffer violations day in and day out, and they say: ‘we're suffering and we want our stories out.’

Fikambanana mpiaro ny zon'olombelona mampiasa fitaovana hanohanana ny tanjonay izahay, ny zon'olombelona no etika. Ao anatin'izany lalao izany, tsy izahay ihany no mpilalao; Ireo izay iharan'ny fanitsakitsahana andro aman'alina no mpilalao, ary hoy izy ireo: mijaly izahay ary tianay ho fantatra ny tantaranay. ‘