- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tànana Mitari-dalana

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny 11 Aogositra 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nandefa ity sary ity “Fly, Hummingbird Fly [1]” (Manidina ry Colibri, Manidina) i Gregory Smith, mpanorina ny Orina Mpanasoa ho an'ny Ankizy Tandindonin-doza [2], mba hanampiana amin'ny fanadihadiana ny tetikasa fanentanana farany indrindra nataon'ny fikambanana. Azonao fantarina bebe kokoa ny momba ilay fandaharana amin'ny alàlan'ny famakiana ny tranonkalan'ny bilaogy Ankizy Tandindonin-doza [3] sy mamantatra ny mombamomba an'i Gregory ao amin'ny Flickr [4] , ary mamaky ny mombamomba azy ao amin'ny Ashoka [5] .