- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ganà: Ny Ivontoerana Kofi Annan ho an'ny Fahombiazana Amin'ny ICT

Sokajy: Ghana, Mediam-bahoaka
students at the Kofi Annan Centre [1]

Ireo mpianatry ny Anjerimanontolo mandray lesona ao amin'ny Ivontoerana Kofi Annan ho an'ny Fahombiazana amin'ny ICT

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2007)

Ny alakamisy maraina teo, natomboko tamin'ny fitsidihana samirery ny Ivontoerana Kofi Annan ho an'ny Fahombiazana amin'ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay: Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana], ivontoeram-piofanana manaraka ny teknolojia avolenta natsangan'ny fitondran'i Inde sy Ganà, ny tontolo androko. Voahodidina zavamaitso ilay Ivontoerana, any amin'ny manodidina an'i Accra izay mampahatsiahy ny Arabe Lodi any New Delhi, ary ahitàna masoivoho maro sy tobinà ONG manodidina azy.

Tao anatiny, nifanena taminà mpiasa maro aho, izay tsara fanahy ka nanoro ahy ny manodidina ny toeram-pianarana teo amin'ny adiny iray teo. Roa taona lasa izay no nisokafan'ny Ivontoerana Kofi Annan, mampiantrano fitaovam-piofanana samihafa momba ny teknolojia avolenta izy, isan'izany ny  Cisco Networking Academy. Noho ny fifandrifian-javatra, feno tanora Liberiana avy ao Buduburam (tobinà mpitsoaponenana) izay notsidihako omaly ilay Cisco Academy.

Nitety efitra fianarana izahay, ny ankamaroany feno vondronà mpianatra miasa mizara vondrona kely, mitangorona manodidina ireo solosaina sy toeram-piasàna. Afaka nifangaro tamin'ny lafika aoriana aho tanatinà kilasy vitsivitsy, naka sary sy nivadika atidoha tanatin'ireo adihevitra teknika momba ny tambajotra, ny “routeur” ary ny “commutateur”.

Tany ambony, niditra tanatinà efitra iray nila nosokafana taminà karatra kely iray izahay. Tao anatiny, nahita solosaina goavana Padma avy any Inde izahay. Solovaina matanjaka indrindra ao Ganà, miasa aminà OS manana loharano malalaka izy; azon'ny mpikaroka rehetra ao Ganà izay mangetaheta tanjaka fanodinana henjana izy io.

Te hijery ny efitra fivorian'ny ivontoerana aho, saingy nisy hetsika ara-panjakana niseho tao; nisy olona niteny ahy fa nisy ministra maro nandray anjara. Taoriana kely tamin'io andro io vao fantatro fa fihaonambe momba ny pôlitikam-pirenen'ny ICT vaovao ao Ganà izany. Ah zalahy, raha mba afaka nandia an'ilay varavarana aho na dia minitra vitsy fotsiny aza… -andy