- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Topimaso Ao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Syriana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2006)

Taorianà volana henjana noho ireo hetsipanentanana manohitra ny herisetra, toa nitony ny tontolon'ny bilaogy Syriana tamin'ity herinandro ity…

Nanodidina ny dingana vaovao nataon'i Etazonia hanome 5 tapitrisa dolara ho fampiroboroboana ny fitondrana demôkratika sy ho fanavaozana an'i Syria ireo adihevitra.
Raha hitan'i Joshua Landis avy ao amin'ny SyriaComment.com [1] ho fiatombohana tsara ity dingana ity, manahy kosa anefa izy fa tsy hanana ilay vokatra andrasana aminy io raha tsy harahinà hetsika hafa.

Fiatombohana tsara ity. Mila fantarin'ireo Syriana ankehitriny ny fomba ahafahany mangataka fanampiana ara-bola lavitry ny daroky ny fitondrany.

Ny mampihomehy, maniry ny hampihena hatrany ny mpiasa ao amin'ny masoivoho ireo mpanao lalàna Amerikana, izay hanimba ny fahombiazan'ny fampiroboroboana ny demôkrasia. Ny fanohanana ireo olomboafidy miasa any amin'ny tanin'i Syria ihany no hahafahan'i Amerika hanombana sy hitsara ny fomba mety hampiroboroboana izany demôkrasia izany. Ny fananganana fifandraisana amin'ireo vahoaka sahy sy mahay mamorona miasa ao Syria ka miezaka ny hanitatra ny fahatakaran'ireo andrimpanjakana ao an-toerana no tokony ho fanalahidy.

Milaza i Rime Allaf avy ao amin'ny Mosaics [2] fa tsy hahomby mihitsy io dingana io, raha oharina amin'ny fanohanan'i Etazonia ny Irakiana mpanohitra ny fitondran'i Saddam Hussein. Mahatsapa izy fa mahatsiaro voaro nòho ny hatramin'izay ny fitondrana satria tsy liana amin'ny fiovàna fitondràna atsy ho atsy i Etazonia.

Na izany aza, toa mazava izao fa tsy manelingelina an'i Amerika ny fiovam-pitondràna ao Syria, hatreto fara-faharatsiny (izay tombatombako); na liana tamin'izany aza izy, mety namoaka vola mihoatra nòho ireny voanjo ireny. Mamela ny fitondràna Syriana hitaraina momba izany lavitry ny ahiahy fotsiny ity antontam-bola ity, sy hampiseho fa ambany lavitra nòho ny mendri-kaja ny fikasàna amerikana.

Miala amin'ny pôlitika, namoaka lahatsoratra manjopiaka [3] momba ireo ankizy Syriana, ny nofinofin'izy ireo, ny tahony ary ny fanantenany ho amin'ny hoavy, i Ghalia ao amin'ny Cocktail.

Joudy, 10 taona, efa miteny tsara amin'ny fiteny roa izy ho fanampin'ny Arabo, tsy nisalasala izy namaly ahy: “mpanaingo atitrano, tia lamaody ihany koa aho, ary ie, tsy andriko izay hahalehibe ahy hanaovako fanovàna endrika ny oroko, misy zavatra tsy mety aminy, tsy tiako. Hitondra ny fiaran'ny mamako ihany koa aho na hividy iray vaovao ary hamela ireo ankizy kely hipetraka ao aoriana mba hitondrako azy ireo any aminà toerana tsara hilalaovana.”

Miresaka amin'ireo ankizy avy aminà sarangam-piarahamonina samihafa…

Hameed, 9 taona. Nifanena taminy tao Damaskôsy fahiny tao Souq al-Hamidiyeh aho, tokony ho any am-pianarana izy kanefa niasa nitondra entana, “Inona no tianao hatao any aoriana any?” hoy aho, nanontany. Nijery ahy izy, nisalasala, tsy mila miteny na inona na inona izy, ny fihetsiny fotsiny dia fantatro fa tsy mbola nieritreritra ny momba izany izy. “Tsy haiko, mila manontany ny raiko aho, hanapaka ho ahy izy, tena tsy haiko!”

Farany, lahatsoratra iray mafonja nosoratan'i Ayman avy ao amin'ny The Damascene Blog [4], mampiseho sariitatra avy amin'i Naji al-Ali…

- Silamo ianao sa Kristiana? Siônita sa Shiita? Drozy sa Alaoita? Kôpta sa Marônita? Grika Katôlika sa Grika Ôrtôdôksa…

- Arabo aho, ry vendrana!