- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka Resabe Ny Raboto Iray Manao Folara Tao Amin'ny Trano Fisakafoanana Tao Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanabeazana, Fanoherana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Saripika, Teknolojia, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona
[1]

Ny raboto iray manao folara mandroso sakafo ao amin'ny trano fisakafoanana. Sary avy amin'i Sharif Saladin Sarkar. Nahazoana alalana.

Nameno ny lohatenim-baovao [2] vao haingana noho ny fampiasana raboto mpandroso sakafo ny toeram-pisakafoanana iray ao Bangladesh renivohitr'i Dhaka. Ankehitriny, mivoaka amin'ny vaovao izany noho ny antony hafa – manao folara ny iray amin'ireo raboto.

Maro ireo nanontany ny antony manosika ny tompon'ilay toeram-pisakafoanana hanisy folara ilay raboto “vavy”, izay niteraka adihevitra momba ny fetran'ny fandalana ny mahazatra any amin'ny firenena Aziatika Atsimo.

Raboto Misy Lahy sy Vavy

Ao amin'ny lahatsary [3] iray, nanazava ny asan'ity raboto mpandroso sakafo ity i Nazmul Shahadat, olontsotra mpampita vaovao. Mariho fa tsy manao folara tao amin'ny lahatsary izay vao natao taoriana kelin'ny fisokafan'ilay fisotroana kafe ilay raboto misy nono.

Araka ny tatitra, misy raboto roa mitondra sakafo ho an'ny mpanjifa ao amin'ny trano fisakafoanana antsoina hoe Robot Restaurant . Raboto lahy sy vavy izy ireo. Milanja [4] 30 kilao ny raboto tsirairay ary samy mirefy 1,60 metatra avy ny halavany. Mitentina  9.750 raha amin'ny vola dolara ny raboto tsirairay ary mandeha bateria maharitra 18 ora.

Saingy tsy nankasitraka ny zava-bita ara-teknolojia ny fantsona media sosialy Bangladeshi fa nifantoka kosa tamin'ny vaovao fa hoe hita nitafy “orna” na folara toy ny tovovavy Miozolomana maoty mendrika ao Bangladesh ilay raboto vehivavy.

Anisan'ny fomba purdah [5] ny “orna”, fomba fanao ara-pivavahana sy ara-tsosialy ho an'ny vehivavy hatoka-monina izay matetika hita eo amin'ireo vondrom-piarahamonina Miozolomana sy Haindoa any Azia Atsimo. Maro no antony hanaovana izany dia noho ny fanavakavahana, ny fanondroana ny vehivavy, ary ny fanatanterahana ny fepetra takiana ho an'ny vehivavy mba hanafina ny vatany tsy hampiseho ny bikany.

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Ishrat Karin Eve [6]:

অবিশ্বাস্য! আমরা এ কেমন সমাজে বসবাস করি। নারীর প্রতি কোনো ধরনের সম্মান নেই। তারা একটি রোবটের গলায়ও ওড়না তুলে দেয়।

পিতৃতান্ত্রিক সমাজের জন্য এটা লজ্জাকর।

Tsy mampino! Inona ity fiarahamonina iainantsika ity! Tsy misy mihitsy ny fanajana ny vehivavy. Ny raboto avy no asian'izy ireo folara.

Fihetsika mahamenatra avy amin'ny fiarahamonina patriarika izany.

Tany am-piandohan'ity taona ity, nahatonga resabe ny fanavaozana natao tamin'ny bokim-pampianarana ho an'ny sekoly ambaratonga fototra [7] tao Bengladesh satria natao ohatra tao anatin'izany ny “orna” tamin'ny fanehoana ny litera “o” Bengali ( “ol,” na legioma, no ohatra nalaina teo taloha).

Nanamarika ity fanovana ity ny lahatsoratra [8] iray tao amin'ny New York Times fa miha mahazo vahana ny Islamisma any amin'ny firenena Aziatika Atsimo.

Nanamafy tamin'ny fampahalalam-baovao tao an-toerana [4] ny solontenan'ny trano fisakafoanana fa nampiasaina ny folara mba hanavahana ilay raboto vavy.

Naneho hevitra tao amin'ny Facebook i Mayesha Arefin [9] :

আমাদের সমাজে রোবট বেচারাদেরও ওড়না পরিধান করতে হয়!ওড়না এর আগে রোবট নিশ্চয় একটা সাধারন উন্নতমানের যন্ত্র ছিল তবে ওড়না পেচানোর পর এটা মেয়ে রোবট হয়ে গেছে,তারমানে রোবটের লিঙ্গ নির্ধারণ করা হয়ে গেল শুধু মাত্র ওড়নার কারনে…

তবে কি সমাজের চোখ রোবটের বক্ষেও যায়?? /

Mila manao “orna” ny raboto vavy eto amin'ny fiarahamonintsika ! Ny tian'izy ireo lazaina dia hoe milina maranin-tsaina ilay raboto , saingy niova ho vehivavy izy rehefa nanao folara. Midika ve izany fa ny folara no tena hamantarana ny vehivavy?

Izany ve no nahatonga ny olona nijery ny tratran'ilay raboto?

Naneho hevitra tamin'ny lahatsoratr'i Mayesha Arefin i Shahana Hanif [10] :

We all know why that robot has a scarf/orna around the chest. In patriarchal society this is what happens #modestrobot #bukdhakarobot #sarcasm

Fantatsika rehetra hoe nahoana ity raboto ity no manana folara/orna manafina ny tratrany. Izany ny zava-misy ao amin'ny fiarahamonina patriarka.

Niaro ilay fihetsika ihany koa ny olona sasany. Hoy ny Sheikh Tanjim Ahmad [11] raha nanoratra tao amin'ny Facebook:

এ কেমন কথা? একটা মেয়ে রোবট (রোবট তো রোবটই) ওড়না পড়েছে তা এতে ‘রোষানল'এর কী আছে? ওড়না না পড়ে বিকিনি পড়লে কি প্রগতিশীল রোবট হয়ে যেতো?

Inona no hiadin-kevitra amin'izany? Nasiana folara ny raboto vavy iray (rehefa raboto izy dia raboto),  inona no “manafintohina” antsika amin'izany? Midika fandrosoana ve raha nampanaovina bikinis ilay raboto ?

Amin'ny ankamaroan'ireo Miozolomana ao Bangladesh, ampirisihana ireo ankizivavy sy ny vehivavy mba hanaraka ny purdah [5]. Ny pejy Facebook malaza toy ny “Eh, Aiza Akia Ny Orna Ndry?” dia mandrisika ny fanaraha-mason'ny polisy amin'ny filazana ny vehivavy hanao ny orna mba hanafenana ny bikan'izy ireo.

Nanoratra tao amin'ny NTV Online [12] ilay mpanao gazety Ishrat Jahan Urmi  :

তাই রোবটের গলায় ওড়না পেঁচানো নিয়ে কেন জানি খুব বিস্ময় কাজ করেনি আমার। এইটা কেন স্বাভাবিক নয়? যে দেশে পাঠ্যবইয়ে ‘ও’ তে ‘ওড়না’ পড়ানোর নিয়ম চালু হয়, যেদেশে গর্ব করা জিডিপি গ্রোথে অর্ধেক সমান অবদান রাখার পরও প্রতিনিয়ত কর্মক্ষেত্রে, গণপরিবহনে নারীকে হয়রানির শিকার হতে হয়, নিজেকে ‘কাভার্ড’ করতে করতে যে দেশের গ্রামের, শহরের মেয়েরা ক্রমাগত মমিতে পরিণত হয়, সে দেশে রোবটের গলায় ওড়লা নিয়ে কী বলার থাকতে পারে আমি জানি না।

Tsy gaga aho raha nahita fa nanao folara ilay raboto. Tsy izany ve no mahazatra eto? Eto amin'ny firenena izay nasiam-panovana ny lahatsoratra mba hampianarana ny [ankizy] fa midika hoe “orna” ny “o”, ao amin'ny firenena izay iharan'ny fandrahonana sy ny fanararaotana ny vehivavy sy ny zazavavy any anaty fiara fitateram-bahoaka sy any am-piasana, na dia mandray anjara amin'ny antsasany amin'ny fitomboan'ny harin-karena aza izy ireo,  ary ahitana ireo vehivavy sy tovovavy any ambanivohitra na any an-drenivohitra lasa ho ‘momie’ amin'ny fanaovana fitafy marobe mba hanafenana ny bikany. Inona no holazaina raha manao folara ilay raboto?

Naneho hevitra ao amin'ny bilaogy Women Chapter i Anna Nasrin [13]:

রোবটের গায়ে ওড়না জড়ানোতে দেখতে পাচ্ছি আমাদের অনেকেরই টনক নড়েছে; আমাদের নৈতিকতার মানদণ্ডে এটাকে খুব আপত্তিকর বলে মনে হয়েছে। তাই অনেককেই দেখছি, রেস্টুরেন্ট কর্তৃপক্ষকে বিকৃত মানসিকতার বলে দাবি করছে। অথচ রক্ত মানুষকে যখন এই বাড়তি কাপড়ের টুকরোয় মুড়িয়ে সংরক্ষণ করা হয়েছে যুগ যুগ ধরে, যা চলছে এখনও তখন কিন্তু আমাদের মনেই হয়নি বিকৃতি, মনে হয়নি এভাবে মানুষকে অসম্মান করা হয়।

Hitako fa taitra ny olona taorian'ny resabe momba ny folaran'ilay raboto. Hitanay fa zava-poana izany. Nisy mihitsy aza ny olona sasany naneho hevitra fa nanana hevitra kidaladala ny tompon'ny trano fisakafoanana. Kanefa tsy hitan'ny olona izay maha-ratsy izany rehefa mitafy akanjo maro (amin'ny anaran'ny purdah) nandritra ny taona maro ny vehivavy sy ny zazavavy, izay mbola mitohy hatramin'izao fotoana. Tsy nihevitra ihany koa izy ireo fa tsy nohajaina nandritra ireo taona maro ireo.