- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Herinandro Fahatsiarovana – Tsunami sy Aoriana

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, India, Indonezia, Sri Lanka, Thailandy, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Remembrance Week

Efa herintaona izay no nisian'ilay loza mahatsiravina tamin'ny Tsunami Boxing Day [1]. Nahitana zavatra maro kokoa mihoatra noho ny fizarany voina sy ny loza araka ny tokony ho izy ity taona ity. Rivo-doza, horohorontany tany Kashmir, ary loza an-jatony hafa izay tsy mba nivoaka tamin'ny vaovao iraisam-pirenena. Te hampahatsiahy antsika fa tsy mbola tapitra ao amin'ireo toerana ireo ny fanarenana ny fiainana ary mampahatsiahy antsika ny zava-nitrangan'ny taona sy ny ilàna Herinandro Fahatsiarovana ny Voina [2].

During the course of the year, other disasters took their toll too. Most devastating of them: Hurricanes Katrina and Rita on the South-East coast of the USA; and another enormous earthquake near Pakistan's border with India.

These disasters took their immediate toll, and, each time, the world tried to help. But as calamity piled upon calamity, there has been a certain amount of fatigue. Perhaps people's stock of goodwill has run low. Perhaps seeing too much suffering hardens us.

But, the fact is, the suffering from those disasters has not ceased. Parts of South Asia have still not recovered from December 26th, 2004. In the USA, normalcy hasn't returned to New Orleans. In Pakistan, thousands are still homeless, and may not survive the harsh Himalayan winter.

They need your help…. Can we harness that goodwill, that togetherness, that willingness to help once more?”

“Nandritra ny taona, nisy ireo loza hafa nanimba zavatra ihany koa: Ny tena nandravarava indrindra tamin'ireo: dia ny rivo-doza Katrina sy Rita tao amin'ny morontsiraka Atsimo-Atsinanan'i Etazonia, sy horohorontany goavana iray hafa tao akaikin'ny sisintanin'i Pakistana miaraka amin'i India.

Niteraka fahasimbana teo no eo ireo loza ireo, ary, isaky ny misy izany, dia miezaka nanampy izao tontolo izao. Satria miangona ny loza, nisy ny faharerahana betsaka. Angamba ambany ny tahirin'ny fiantran'ny olona. Angamba manamafy antsika ny mahita fijaliana be loatra.

Saingy, ny zava-misy dia tsy nitsahatra ny fijaliana tamin'ireny loza ireny. Mbola tsy tafarina tamin'ny loza 26 Desambra 2004 ny ampahany tao Atsimon'i Azia. Any Etazonia, tsy niverina tamin'ny laoniny ny tao New Orleans. Ao Pakistana, an'arivony no mbola tsy manan-kialofana, ary mety tsy ho tafavoaka velona amin'ny ririnina Himalayana henjana.

Mila ny fanampianao izy ireo …. Azontsika trandrahana ve izany fahalalahan-tanana izany, izany firaisankina izany, izany fahavononana hanampy izany indray? “

Crossroads Dispatches avy ao amin'ny Nosy Phi Phi [3]nanoratra hoe:

Later after the deputy prime minster has spoken, we file towards the bay. A six or seven-year old blond girl with a white sundress gently bows and places her palms into a triangular wai.

She lays a white orchid given to each surviving family member at the ceremony by the altar ledge fringed with flowers, photos, incense sticks and remembrances circling the banyan tree wrapped in rainbow colored sashes. Her mother stands behind with the jeweled bay stark in the background.

Fotoana fohy taorian'ny nitenenan'ny praiminisitra lefitra, nankany amin'ny helo-drano izahay. Ankizivavy fotsifotsy enina na fito taona miaraka amin'ny akanjo fotsy mangatsiatsiaka no miondrika sy mivavaka.

Mametraka orkide fotsy nomena ho an'ny fianakaviana tsirairay tafavoaka velona nandritra ny lanonana izy tao amin'ny alitara voaravaka voninkazo, sary, hazo kely manitra ary fahatsiarovana manodidina ny hazo banyana voarakitra avana mamirapiratra. Mijanona ao aoriana miaraka amin'ny vato sarobidy ao aoriana ny reniny.

Tena zava-dehibe amin'izao fotoana izao ny mahatsiaro fa raha manome miala vola am-paosy isika, dia tsy manadino ireo anton-javatra tsy dia fantatra. Raha tsy maintsy manome ho an'ny anton-javatra malaza ianao, azafady, aza manadino ny fandraisanao anjara amin'ny hafa. Tsarovy ireo niharam-boina, ary ampahatsiahivo ny fampanantenana nataon'ny governemanta sy ny sampan-draharahan'ny fanampiana.