Malezia: Fandevenana Islamika An'ilay Foko Indiana

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niteraka adihevitra teo amin'ny vahoaka ny fifandirana vao haingana momba ny fandevenana “noterena” an'ilay mpihanika tendrombohitra avon'i Malezia M. Moorthy araka ny fombam-pivavahana Silamo, fanapahan-kevitra izay nifandiran'ny fianakavian'i Moorthy.

Talohan'io, saika hanambara i Kaliammal Sinnasamy, vadin'i Moorthy fa Haindò ny vadiny maty ary nampihatra ny fomba fiainana Haindò talohan'ny nahafatesany ary tsy mbola nilaza na dia teny iray tamin'izany resaka fiovam-pinoana izany tamin'ny fianakaviany. Taorian'izany, nametraka fitoriana sivily tany amin'ny Fitsarana Ambony izy, izay hotsaraina any aoriana, satria tsy te hanakorontana ny fanambarana ny fitsarana fa Silamo i Moorthy, noho ny raharaha teo ambany ny fahefan'ny Fitsarana Syariah. Ny rahalahin'i Moorthy, izay niova ho Miozolomana ihany koa ary izy ihany no fianakaviana no hany nanatrika ny fandevenana.

Mihevitra ny ankamaroan'ny vahoaka Maleziana fa manana adidy ara-môraly ireo niova ho silamo hampahafantatra ny fianakaviana ny fiovam-pinoana indrindra raha efa nanambady sy nanan-janaka izy ireo, izay nanoloran'ny filohan'ny Hetsika Iraisam-pirenena ho an'ny Tontolo Marina, ny Dr Chandra Muzaffar fifanekena ao anatin'ny taratasy fanamarinana ny fiovam-pon'ny Miozolomana vaovao fa hilaza amin'ny fianakaviana izy, raha nilaza kosa ny filohan'ny Vaomieran'ny Zon'Olombelona Malezia, Abu Talib Othman fa tsy tokony hiala ilany amin'ny raharaha ny fitsarana sivily amin'ny fandidiana fotsiny fa eo ambany ny fahefan'ny fitsarana Syariah ny fiovan'i Moorthy ho silamo.

[…] “The civil court should have considered the constitutionality of the amendment to the Federal Constitution, which was presented by the Government and passed by Parliament, and decide whether it is constitutional or not. Because in the matter of constitutionality, the civil court is competent.” […]

[…] Tokony hijery ny maha ara-dalàna ny fanitsiana ny Lalàm-panorenana Federaly, izay natolotry ny Governemanta sy nolanian'ny Parlemanta ny fitsarana sivily, ary manapa-kevitra raha manaraka ny lalàmpanorenana izany na tsia. Satria raha manaraka ny lalàmpanorenena , ny fitsarana sivily no manana ny fahefana. ” […]

Ankoatra izay, tsy mitsabaka amin'ny raharaha izay efa nosahanin'ny fitsarana ny vaomiera, na izany aza, afaka manadihady ny vaomiera sao nohitsakitsahana ny fitsipika momba ny zon'olombelona tamin'ity tranga ity, na raha nanao tatitra tamin'ny vaomiera ny fianakaviana.

Nilaza ny tokony ilàna “fomba tsara kokoa” hitantanana ny raharaha mahakasika ny tsy Silamo ny Minisitry ny Departemantan'ny Praiminisitra Nazri Aziz ary nilaza fa rehefa misy ny fifandirana momba ny fiovam-pinoana, dia tokony henoina ao amin'ny fitsarana sivily ny raharaha izay ahafahan'ny andaniny sy ny ankilany hanana solontena raha mihevitra kosa ny Filan-kevitry ny Bodisma, ny Kristianisma, ny Hindoisma ary ny Sikhisma Maleziana fa tokony hofoanana ny fehezan-dalàna ao amin'ny Lalàmpanorenana Federaly mba hampazava fa tsy manana fahefana hisahana ny raharaha mahakasika ny tsy Silamo ny Fitsarana Syariah.

Politika 101 Malezia kosa mihevitra fa mila vahaolana ara-politika ny raharaha izay nanomboka tamin'ny fifandirana ara-pitsarana sy lasa krizin-dalàmpanorenana, raha nanokana blaogy fanarahamaso tamin'ity tranga ity kosa i Maobi.

Hanatontosa fifanakalozan-kevitra parlemantera ao amin'ny Parlemanta ilay mpitarika mpanohitra sady bilaogera ao Malezia, Lim Kit Siang amin'ny Alakamisy (5 janoary 2006) momba izay azon'ny parlemanta atao mba hanitsiana ny tsy rariny ao amin'ny Fehezan-dalàna amin'ny Lalàmpanorenana Federaly Malezia faha-121 (1A), izay tsy mahazo vahaolana any amin'ny fitsarana ireo tsy Miozolomana, ary hitsakitsahan'ny didim-pitsarana Syariah ny zon'izy ireo.

Hatramin'izao, ny Klioban'ny Senatera ihany no nangataka ny fampahalalam-baovao mba hampiato ny tatitra momba ny fifandirana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.