21 Desambra 2017

Tantara tamin'ny 21 Desambra 2017

Azerbaijàna : Ny Andron'ny ‘Achoura’

Omaly [7 Janoary] ny Achoura, fetim-pivavahana fahatsiarovana ny martioran'i Hussein, ilay zafikely lahin'ny mpaminany Mahomet, tamin'ny adin'i Kerbala. Matetika ampifandraisina amin'ny sarinà fikapohana amin'ny rojo vy io fety io, kanefa hafa ny fahitàna azy ao Azerbaijàna, firenena izay shiita ny maro an'isa saingy laika silamo ny any atsimon'i Kaokazy.

21 Desambra 2017

Kurdistance-2

Herinandro iray mampalahelo ho an'ny Firaisan'ireo Bilaogera Kiorda ity satria mangataka fiatoana ofisialy amin'ny asam-bondrona mba hifantohana amin'ny tetikasan'ny tsirairay izy ireo. Kanefa, tsy ireo bilaogim-bondrona rehetra no milona.

21 Desambra 2017

Arzantina: Ilay Tranoheva Ara-kolontsaina Ao An-tanànan'i Piedrabuena

Rising Voices

Ilay fitobian'entan'ny Colón Theater tao Buenos Aires fahiny, lasa Tranoheva Ara-kolontsaina ao amin'ny tanànan'i Piedrabuena ankehitriny, izay nitondra ny tanànan'i Piedrabuena hiditra betsaka amin'ireo sehatra ara-kolontsaina. Mifandray amin'ny mediam-bahoaka ny andavanandrom-piainan'ireo olona ao amin'ny fiarahamonina, misy drafitra maromaro ihany koa iarahana miasa akaiky kokoa amin'ny tanora eo an-tanàna mba hahafahany mandray anjara amin'ny fantsona YouTube an-dry zareo.

21 Desambra 2017

Fifidianana Ben'ny Tanàna Tao Arabia Saodita

Rehefa nanao fanambarana i Arabia Saodita fa hotanterahana ny taona 2004 ny fifidianana ben'ny Tanàna, dia efa nieritreritra mialoha izao tontolo izao ny amin'izay mety hitranga amin'ny fifidianana voalohany ao amin'ity fanjakana mpitàna ny fombandrazana ity....Indro misy topimaso tamin'ny fifidianana sy ireo fotoana nahaliana nandritra izany.

21 Desambra 2017

Malezia: Fandevenana Islamika An'ilay Foko Indiana

Niteraka adihevitra teo amin'ny vahoaka ny fifandirana vao haingana momba ny fandevenana "noterena" an'ilay mpihanika tendrombohitra Everest Malezia M. Moorthy araka ny fombam-pivavahana Silamo, fanapahan-kevitra izay nolavin'ny fianakavian'i Moorthy.

21 Desambra 2017