Ny Famonoana An'i Benazir Bhutto

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2007)Benazir Bhutto

Ny 27 Desambra 2007, nisy namono tao Rawalpindi, Pakistàna, i Benazir Bhutto, Praiminisitra Pakistaney teo aloha, rehefa avy niresaka taminà vondron'olona mpanao fihetsiketsehana ara-politika (jereo ny fandrakofana nataon'ny New York Times sy ny The Guardian). Efa Praiminisitra izy ny taona 1988 ka hatramin'ny taona 1990 izy, ary mbola nitana ny toerany tamin'ny taona 1993 ka hatramin'ny 1996, niverina tao Pakistàna ny volana Oktobra 2007 izy rehefa avy nanao sesitany ny tenany. Nitontona tanatin'ny vanimpotoana manan-tantara ho an'i Pakistàna ny fahafatesany, satria vao haingana no nialan'ny sahotaka ara-pôlitika sy nanendrena ny fifidianana ho amin'ny Janoary 2008.

Naneho ny hatairany sy ny ahiahiny an-tsoratra ireo bilaogera avy ao Pakistàna sy manerana izao tontolo izao. Hita taratra tamin'ny fahafatesany ny olana goavana eo amin'ny lalàna sy ny filaminana ao amin'ny firenena, ary mipetraka ny ahiahy eo amin'ny akony ara-pôlitika sy eo amin'ny herisetra an-dàlambe noho ity loza ity. Manangona ny sasany amin'ireo fanehoankevitra momba ilay famonoana ity takelaka ity.

Filaharana Ara-potoana anatin'ny Global Voices

Dec 28 – Pakistàna: Fa Nahoana no i Bhutto, ary inona no ho an'i Pakistàna ankehitriny?
Dec 27 – Pakistàna: Ny Fahafatesan'i Bhutto sy ny Fifidianana Efa Antomotra
Dec 27 – Pakistàna: Ireo fihetsempo tamin'ny fahafatesan'i Bhutto

Sarin'i Benazir Bhutto avy amin'ny Wikimedia Commons

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.