- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maso Arabo: Ny Dia An-tsary Tany Afovoany Atsinanana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Bahrain, Emirà Arabo Mitambatra, Koety, Libanona, Hevitra, Mediam-bahoaka, Saripika, Teratany, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina

(Marihina fa tamin'ny 6 Aprily 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisahirana tamin'ny fakana ny sarin'ny tontolo manodidina azy ireo ny mpivady Amerikanina BSS sy BRN, mipetraka any Al Ain, any Emirà Arabo Mitambatra (UAE) ary mitondra antsika manokana sy manakaiky mankany amin'ny hatsaran-tarehin'ireo maritrano mahatalanjona hitan'izy ireo manodidina azy .

Ny famoahana ireo sarin'ny [1] moskea [2] tao amin'ny bilaogin'izy ireo no tena mahaliana indrindra, izay mampiseho amin'ny antsipirihany ny nanaovana ny maritrano sy ny famolavolana ny toeram-pivavahana hireharehana toy izany. Amin'ny ankapobeny, namoaka sary avy amin'ireo moskea miisa fito [3] tao an-tanàndehibe i BRN,  eo ho eo amin'ny 120km miala an'i Dubai eo.

Tsy lavitra an'i Arabia Saodita, mitondra antsika mankany amin'ny toerana mahafinaritra [4] hafa ilay bilaogera Mohammed Fares any anivon'ny tany efitra. Entiny mankany Jebel Baloum isika amin'ity indray mitoraka ity – tendrombohitra iray manana haabo 1045 m avy amin'ny ranomasina any amin'ny tendrony avo indrindra ary anisan'ny andiana tendrombohitra Tuwaiq.

Fares , izay geocacher [5] (mpitrandraka toerana miafina amin'ny alàlan'ny zanabolana) indray mitondra antsika miaraka amin'ireo rahalahiny mitady ireo toerana miafina any amin'ireo toerana mahaliana.

I have been to Jebel Baloum twice before through Nissah, to the south of Riyadh, but my cousin Hamad and I wanted to visit the Jebel from the east, i.e., through Wadi (valley) Al Howtah. The place has no shortage of caches and the last time we were there we bagged two caches: Tuwaiqcache and Fifth well. The latter cache is hidden above some old wells sunk into the ground not far from the main mountain. We also bagged part of Adam’s apple.. probably the most demanding and challenging cache in Arabia. Baloum is the Arabic word equivalent to Adam’s apple,” he tells us of his previous adventures.

Indroa aho no tany Jebel Baloum talohan'ny fandalovana an'i Nissah, nankany atsimon'i Riyadh, saingy naniry ny hitsidika an'i Jebel avy any atsinanana izaho sy ny rahalahiko Hamad, izany hoe amin'ny alàlan'ny Al Wadi (lohasaha) Al Howtah. Maro toerana miafina ilay  toerana ary nahita toerana miafina roa izahay tamin'ny fotoana farany nijanonanay tany  : Tuwaiqcache sy Dobo Fahadimy. Ity toerana miafina farany ity dia miafina eo ambonin'ny lavadrano tranainy nolavahana tamin'ny tany tsy lavitra ny tendrombohitra. Hitanay ihany koa ny ampahan'ny tamin'ny paoman'i Adama .. angamba ilay tena tadiavina indrindra  sy sarotra hita indrindra any Arabia. Teny Arabo mitovy amin'ny paoman'i Adama ny hoe baloum ,” hoy izy niresaka taminay momba ny fitsidihany teo aloha.

Mora kokoa ny nahita ny harena miafina tamin'ity dia ity .

“The landscape is beautiful. A sense of serenity and tranquility surrounds the area. The whole site looks like a piece from another planet like Mars … not that I lived there but good for making a movie here. As we left the valley we noted a natural arch on our left. It’s a rock feature at the tip of Khashm Makrouq and is known to geocachers as the flying arch. We approached the arch and bagged our cache in no time .. easy one,” he notes.

“Mahafinaritra ny endritany. Mameno manodidina ny faritra ny fahanginana sy ny filaminana. Tahaka ny avy amin'ny planeta iray hafa toa an'i Mars ny toerana iray manontolo … tsy amin'ny maha  mponina ahy any akory fa tsara hilalaovana sarimihetsika eto. Rehefa nandao ny lohasaha izahay dia nahamarika lohalambo voajanahary  avy aty ankavia. Karazana rafi-bato eo an-tendron'ny Khashm Makrouq izy io ary antsoin'ireo geocachers hoe lohalambo manidina. Nanatona ilay lohalambo izahay ary tsy  ela dia hitanay ny toerana miafina .. anisan'ny mora , ” hoy izy nanamarika.

Mandritra izany, nandefa ity sary [6] ity miaraka amin'ny fialantsiny ho an'ireo vehivavy izay mety ho voantohintohina ilay bilaogera Libaney Fonzy izay monina ao Koety. Raha ho ahy manokana, tsy hitako ny antony tokony maha voatohintohina ny  vehivavy rehefa mahita io sary io. Manaja tanteraka ity lehilahy/vehivavy natsipy anaty fako ity aho izay tonga niaraka tamin'ny taratasy fametaka ho an'ny fiara ary nanapa-kevitra ny hametaka  izany amin'ny fiarany ireo hafa rehetra!

Mbola any Koety main-tany ihany, hamaranantsika azy ny lahatsoratr'i Pepsi-Guy izay namoaka ny sarin'ny [7] zava-pisotro misy alikaola voarara amin'ny fomba ofisialy ao amin'ny fireneny eo ambanin'ny lohateny hoe: Zava-pisotro misy Alikaola Ara-dalana ao Koety! Mazava ho azy fa vazivazin'ny Fetin'ny Lainga Volana Aprily izany!

Ao Bahrain ny fiatoantsika farany amin'ity herinandro ity, izay ahitana ilay bilaogera Mahmood Al Yousif  manao fahazarana mandefa ny sary [8] avy ao an-jaridainany isaky ny Zoma. Azonao jerena ato [9] ny lisitra feno ahitana ireo sariny isaky ny zoma.