- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sri Lanka : Iraka Tontosa?

Sokajy: Sri Lanka, Ady & Fifandirana, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2009)

Ampahan-tantara vaovao mikasika ny ady [1]an-trano [1] lavareny [1] izay mandravarava ny firenena, nanambara ofisialy [2] [tamin'ny fitent anglisy] ny Filohan'i Sri Lanka [3], Mahinda Rajapakshe, ny 2 janoary 2009 fa niala “ny renivohitra” ireo andian-tarifky ny governemanta noho ny LTTE [4], Kilinochchi, taorian'ny ady nitarika ireo fahavoazana mavesatra.

Toa sahala amin'ny nitana ny lohany ny governemanta hatreto, saingy mbola tokony hiomanana ihany ireo ady mafàna, satria ao ireo vaovao manamafy fa niverin-dalana ao amin'ny faritra Avaratra-Atsinanana ireo mpikomy. Mahaliana ny mahalala fa mampiasa aterineto ireo toby roa mifanohitra  amin'ity ady an-trano ity mba hanapariahana ny fanambaràny sy ny fomba fijeriny somary mandokandoka.

Nambaran'ny Sri Lankan Army News [5] [amin'ny fiteny anglisy] ny vaovao tamin'ny alalan'ireo sary teo amin'ny Nowpublic:

Vao avy naka manontolo ny fifehezana an'i Kilinochchi ireo miaramila mahery fo avy ao Sri Lanka taorian'ireo ora maro niadiana tamin'ny LTTE ny 2 janoary 2009. […] Tifitra maromaro tamin'ny fitaovam-piadiana mavesatra avy amin'ireo Tigra nandositra nankany Mulathivu. […] Azon'ny miaramilantsika ny fifehezana ny fiantsonana sy ny hopitalin'i Kilinochchi, androany tamin'ny mitatao vovonana.

Fampitambaovao miaramila mitory fandresena mitovy amin'io ihany koa no navoakan'ny DefenceNet [6] [amin'ny fiteny anglisy] ary manamafy fa mifety fandresena ireo ao Sri Lanka:

Vahoaka marobe mitotorebiky ny hafaliana no hita ao anatin'ireo faritra maro samihafa ao Sri Lanka, manapoaka tsipoapoaka sy manofahofa ny sainan'ny firenena, mba hifety ny fandresena farany azon'ireo miaramilantsika

Ampian'i Conundrum [7] [amin'ny fiteny anglisy] hoe:

Fankalazana marobe manerana an'i Colombo sy any amin'ireo tanàna hafa. Azo lazaina fa androany no mangiran-dratsin'ny taona vaovao ho an'i Sri Lanka.


Sarintany nahazoana alàlana tamin'ny Namal [8]. Azo jerena ihany koa ireo sary marobe mikasika ny ady eo amin'ny vohikala War Photos site [9] an'ny Namal

Nilaza anefa ny vohikala TamilNet.tv [10] [amin'ny fiteny anglisy] fa tsy faharesena io:

Ny ngeza Thalaivar [filoha, amin'ny tamoul] tao anatin'ny fahendreny tsy manam-pahataperana no nanapaka hevitra ny handidy ny LTTE mba hanao tetikady Fihemorana ny renivohitra Tamil Eelam [11] sy mba hihazakazaka amin'ny marathon manomboka ao Tamil Eelam hatrany Mullaitivu. Vokatr'izay, nafindra ara-tetikady ho ao Tharmapuram i Killinochchi.

Mamoaka ireo sary mahatohina i Chitrangi [12], mikasika ireo sivily trà-dozan'ny zera baomba nataon'ny fiaramanidina sri lankey tany amin'ireo faritra nogiazan'ireo mpikomin'ny LTTE, sady manesoeso an'ilay hafatry ny Taona Vaovao, ho an'ny firaisankina sy firoboroboana, nalefan'ny Filoha [amin'ny fiteny anglisy] ho an'ny Firenena.

Nanoratra tononkalo iray [amin'ny fiteny anglisy] i Rantings in Colombo… [13], ary manontany tena mikasika ireo tranga:

Fiarahabàna ho an'ny Kilinochchi

Mitendry milina fanoratana anaty tabataban'ireo afomanga aho.
Feon'ny fanantenana ho an'ny Sri Lankey maro.
Mahinda eo amin'ny fahitalavitra, teny maro izay iriako hinoana
Saingy mampanontany tena ahy ny fifehezana ny media,
Moa ve tena tantara ifmparàna amin'ny andaniny sy ankilany io?
Sa tetikady nomanina fotsiny, tena mialoha ireo fifidianana?
Iza no mahalala. Tsy isalasalàna fa izy irery ihany.

Nitohy tany amin'ny toerana hafa tao amin'ny firenena ny herisetra. Feo iray ao Colombo [14] [amin'ny fiteny anglisy] no mitatitra fa mbola nidaroka an'i Colombo, renivohitra, indray ny LTTE, io andro io ihany:

Nisy fanaovana vy very ny aina nitranga vao haingana teo amin'ireo biraon'ny tafika an'habakabaka sri lankey teo akaikin'ny Hôtel Trans Asia tao Colombo.

Olona roa farafahakeliny, niasa ho an'ny tafika an'habakabaka, no maty ary olona 30 eo ho eo no naratra, izay mpanamory ny sivy tamin'ireo.

Farany, tao India, B. Raman [15] manontany tena [amin'ny fiteny anglisy] raha toa “tontosa ny iraka”:

Tsy ho tonga miaraka amin'ny fahaverezan'ny faritra nofeheziny ny fiafaran'ny adin'ny LTTE, fa rehefa ho very ny fanohanan'ny vahoaka tamoule azy any amin'ireo faritra izay mbola iadidiany ary any amin'ireo tamoule sri lankey any am-pielezana.

Saribitika nahazoana alalàna tamin'ny Open Democracy [16].