- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Tranonkalan'ny Mpanohitra Efatra Notampenam-Bava

Sokajy: Maraoka, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny 22 janoary 2009)

Tranonkala efatra an'ny Jama'a Al Adl wa Al Ihsan [1] (Fahamarinana sy Ara-panahy, amin'ny teny arabo),  Hetsika Islamika Maraokàna lehibe indrindra (tsy nahazo alalana) no voasakana tamin'ity herinandro ity ary izao no misoratra rehefa manokatra ireo pejy ireo ny mpitsidika :

Voasakana avokoa ny tranokala ofisialin'ny fikambanana [2], ny tranonkalan'i Abdul Salam Yassine [2], mpanorina sy mpitarika ny hetsika, 76 taona, ny tranonkalan'ny zanany vavy sady mpitondrateniny  [3] ary ny an'ny hetsiky ny vehivavy [4] any Maraoka.