Ireo Karazan-Tsakafo Sasany Avy Any Amerika Latina

(Marihina fa tamin'ny 28 Aprily 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

#1: Avy any Havana, Kiobà, mizara ny fihetsem-pony voalohany momba ny zavatra niainany mahaliana ” Folo Andro Tany Kiobài Chispa Stories:

And we did have good food. The one thing I’ve managed to learn so far (in my three hours) here in Cuba, is that there are thousands of very stern rules and an exception for each and every one of them. At La Cocina de Lilian, our little table was in the middle of a private garden inside an even more private house and as I ate my little crock of “ropa vieja” and garlicky “malanga fritters” I hoped we weren’t experiencing the Cadillac now with Peugeots on the horizon. Read more...

Nahita sakafo matsiro izahay. Ny zavatra iray izay fantatro hatreto (tao anatin'ny telo ora) teto Kiobà, dia misy ireo fitsipika henjana an'arivony sy ny indro kely ho an'ny tsirairay amin'izy ireo. Tao La Cocina de Lilian, teo afovoan'ny zaridaina voatokana iray tao anatin'ny trano iray efa voatokana hafa no nisy ny latabatra kelinay ary raha nihinana ny “ropa vieja” tao anaty lovia keliko sy ny “malanga fritters” misy tongologasy aho dia nihevitra fa tsy nahalala Cadillac miaraka amin'ny Peugeots manangasanga any izahay akory. Manasa anao hamaky ny tohiny ato ..

#2: Avy any Venezoelà, mitondra antsika hitsangatsangana any amin'ny fotoana fahiny ny Experiencia Culinaria, mba hamerenana indray ny iray amin'ireo sakafo matsiro nentim-paharazana efa tsy fanao firy intsony any Amerika Latina: Guarapo de Piña (ES).

Pocas bebidas refrescantes criollas alcanzan la popularidad del guarapo de piña. Entran en él los tres componentes a la cual más económicos: agua, papelón y conchas de la mencionada fruta. Moderadamente fermentado y dulzón, es algo así como un modesto vino blanco. Tiene propiedades eminentemente tónicas y digestivas. Read the complete post

Tsy ny zava-pisotro manala hetaheta rehetra ao an-toerana no lasa malaza toy ny “guarapo de piña.” Ahitana karazan-tsakafo telo tena tsy lafo izy io: rano, raspadura (karazana zavamamy maina) ary hoditra mananasy. Somary nolomana ary nohamamiana, toy ny karazana divay fotsy tsotra. Tena mamelombelona sy mandevon-kanina tokoa izy ity …

#3: Avy any Orogoay,  manoro hevitra ny mpamakiny mba hitady vokatra biolojika any Montevideo i Amargo y Dulce: Mitady vokatra biolojika ve ianao?

Any El Centro no misy ny Ecotienda ary manangana tranoeva isan-kerinandro ihany koa izy ao amin'ny amin'ny fetin'alahady any Parque Rodó. Ho hitanao ao amin'ny fivarotany ireo vokatra vaovao, fromazy, ny yaourt tsara indrindra, gilasy, ricota vaovao, ary dulce de leche – biolojika avokoa izy rehetra ireo. Mivarotra tantely, tantely mifangaro ‘amandes‘ sy voankazo maina, menaka oliva, kaonfitira, legioma voatahiry, ary vokatra hafa anaty boaty ny Ecotienda. Misy karazana mofo vitsivitsy ihany koa ao amin'izy ireo – anisan'izany ny karazana mofomamy toy ny scones, tartas, mofo, ary bisiky… Fantaro bebe kokoa!

#4: Avy any Arzantina, mizara vaovao mahafinaritra momba ny fomba fanomanana ny “Colita de Cuadril (nofoken'omby)- Tri-Tipi Asado Argentina

Colita De Cuadril is known in English as tri-tip, sirloin bottom, or tip roast. The exact same thing, not one of those cuts that are similar yet cut differently like vacio and flank steak. You can roast it, grill it, or smoke it. Slice it up for stir-fry. Grind it up for hamburger meat. Cube it for kebabs. The meat sucks up spices and marinades like a sponge…Read the complete post now!

Ny Colita De Cuadril dia fantatra amin'ny teny Anglisy hoe tri-tip, karazana nofonkenan'omby izy io. Tsy toy ireny nofonkena nodidiana tsotra ireny anefa izy fa notetehina toy ny vacio na nofonkena nosilatsilahana. Azonao atao ny mahandro azy amin'ny lafaoro, manatono azy, na mahandro azy amin'ny etona. Teteho ary endaso. Somary totototoina raha ho atao hamburger. Teteho madinika raha atao masikita. Mitroka ireo hanitra isankarazany toy ny spaonjy ny hena … Vakio ny lahatsoratra manontolo eto!

#5: Avy any Panama, nanao tatitra momba ny Quesos Chela ny Boquete Guide, toeram-pivarotana an'ny fianakaviana nentim-paharazana mahafinaritra iray : “Ny Dia avy any Boquete”

Mameno ny tolotra ny karazana yaourt sy ny fromazin'ny tantsaha isankarazany. Voninahitra ho an'ny fiainana sady fahafinaretana. Tsy ireo fromazy masira mahazatra manerana izao tontolo izao akory ireo fa fromazin'ny tantsaha na fromazy mozzarella; tsotra sady matsiro. Raha monina any Etazonia ianao ka mitady ny fromazin'ny tantsaha dia mividiana ny Mexican Queso Fresco ary avy eo nasiana hanitra sy tsiro izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.