Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Voatosika Hietry I Ashraf Ghani Taorian'Ilay Hadisoana Momba Ilay Sarondoha “Fankahalàna Vehivavy”

Ny Filoha Afgàna Ashraf Ghani. Creative Commons.

Ny fijery manavakavaka ara-pananahana vao haingana nataon'ny filoha afgàna Ashraf Ghani no nanasongadina ny herin'ny kolontsaina ara-politika mahery vaikan'ny fitiavan-tanindrazana manenika ny governemanta nasionaly, tamin'ny fanehoany potipotin'izy Ghan tenanyi, ny elanelana amin'ny maha-liam-pandrosoana azy.

Nifindra toerana mihitsy i Ghani mba hiala tsiny amin'ireo vehivavy noho ireo fanehoankevitra mampitaha ireo mpanao politika mpanohitra amin'ireo vehivavy manao chadaar, sarondoha nentim-paharazana Afgana.

Nandritra ny kabary lava an-kalamanjàna tamin'ny 2 Desambra, dia tezitra tamin'ireo mpanao politika mpanohitra izay niampanga ireo mpikambana ambony ao amin'ny fitantànan'i Ghani ho miray tendro amin'ny fanjakana Islamika ny filoha.

Tsy maintsy manome porofo ireo mpanao politika ireo, hoy Atoa Ghani, na “mody dia misalotra ny chaadar “.

Nitehaka an'i Ghani ireo manam-boninahitra miaramila marobe izay namorona vetivety ny vahoaka nihaino azy, fa ny tany amin'ny haino aman-jery sosialy kosa — izay ny ampahaenin'ny ao amin'ny firenena ihany no mampiasa azy araka ny vinavina — dia mifangaro be ihany ny valin-kafatra.  Namporisika ny filoha hiala tsiny, tamin'ny alàlan'ny fanamelohana ny fanamarihany manavakavaka sy tsy tia vehivavy, ireo vehivavy tohanan'ireo solontena lahy sy vavy avy amin'ny fikambanana sivily.

Any Afganistàna, fomba fampiasa matetika hanomezana henatra ny lehilahy ny fitenenana ratsy hoe ” mitondra chadaar”

Mirehareha amin'ny fisaronana loha

Fawzia Koofi, mpikambana ao amin'ny Parlemanta Afganistàna sady Filohan'ny vehivavy, ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpiaro ny zon'olombelona, dia nanoratra tao amin'ny kaonty Facebook-ny sy ny Twitter-ny nanohitra ilay fanamarihana.

Nahoana no heverina fa hetsika mahamenatra eo amin'ireo lazaina fa mpanao politika sangany ny fitondràna sarondoha, mbola nanjakan'ny lehilahy ny haisoratra ara-politikantsika. Gaga aho  nandre ny vaovaon'i @ashrafghani nanasa ireo izay tsy afaka manaporofo ny fangatahany mba hisarondoha ho toy ny hetsika mahamenatra. Reharehako ny saron'ny lohako satria isan'ny maha-pamantarana ahy.

Nahid Farid, ilay mafana fo malaza ho mpiaro ny zon'ny vehivavy, dia nanasongadina ihany koa fa tsy mahamenatra ny mitondra sarondoha.

در پيوند به چالش پوشيدن چادرِ رئيس حكومت وحدت ملي:
در افغانستان زنانِ چادر به سر نماد غيرتند. استفاده از ادبيات زن ستيزانه در سخنراني هاي شخصي كه ادعا ميكند٤٠ درصد راي دهندگانش زنان بودند، مايهء شرمساريست. طبق قانون منع آزار و اذیت زنان و کودکان، هر نوع نگاه جنسیتی و مثال زدن بخاطر تحقیر کسی با استفاده از نام زن، خشونت عليه زنان محسوب مي شود. از منظر تاريخي هم، تا حالا چادر هیچ زنی هيچ نقطهء اين كشور جنگزده را به آتش نکشیده است.

Raha ny momba ny fanamarihana farany teo nataon'ny filoha dia mariky ny fanomezam-boninahitra sy ny fahamendrehana ny vehivavy Afgàna misarona loha. Mahamenatra ny mahita ny kabary mankahala vehivavy nataon'ny Filoha izay ny vehivavy no loharanon'ny 40 isan-jaton'ny vatony… Ara-tantara, dia ireo lehilahy, ny marimarina kokoa, ireo misarondoha, no mandrehitra an'i Afganistàna.

Nanosika an'i Ghani hiala tsiny tao aminà fanambaràna natao tamin'ny 3 Desambra ny fanoherana nivaivay avy tamin'ny vahoaka :

Miavaka amin'ny fiarovana fatratra ny zon'ny vehivavy ny filoha ary nanao dingana tokana mba hanamafisana sy hiarovana ny toerany hatramin'ny nahalany azy ho filohan'i Afganistàna… Ny fampiasana ny teny hoe ‘chadaar’ — ‘scarf’ (salim-behivavy) amin'ny teny anglisy — no nadikan'ny mpanohitra vilana mba hanakorontanana ny sain'ny vahoaka. Tsy mikendry velively ny hanetry ny toerana sarobidin'ny vehivavy ao amin'ny firenena izany. Na izany aza, rehefa voadona ny hambom-pon'ny vehivavy Afgàna, dia miala tsiny amin-dry zareo ny filoha.

Notsikerain'i Bahar Sohili, vehivavy afgàna, ho tsy ampy ilay fanambaràna :

معذرت خواهی روی حساب فیسبوکی و شخصی شاه حسین مرتضوی توام با توجیه و متهم ساختن میزان درک و شعور مردم از سخنرانی رئیس جمهور به معنای نادیده گرفتن زنان است .
پیشنهاد من : چه معذرت بخواهند و چه تحقیرآمیز توجیه کنند این نگاه تبعیض آمیز، تا زمانیکه پوشش نابرابر دارید تغییر نخواهد کرد. جستجوی برابری تلاشی بیهوده است زیرا همان چادر روی سر نشان دهنده ی بسته بندی تفکر و درجه ی دوم بودن است و نشانگر اینکه هنوز نتوانسته اید با خود در مورد گناه آلود بودن موی سر کنار بیایید .

Fanalàna baraka ny vehivavy Afgàna ny fialàntsiny amin'ny vehivavy ao amin'ny Facebook… Manolotra hevitra aho ny hanesorantsika ny saron'ny lohantsika ho fampitsaharana ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy, satria arakaraky ny hisaronan'ny lohan'ny vehivavy no hametrahana azy ireo ho saranga faharoa.

Mety hiatrika ny fanakianan'ny  vadiny, Rula Ghani, ihany koa i Ghani, Rula Ghani, izay feo tompondaka amin'ny fiadiana ny zon'ny vehivavy ao amin'ny firenena.

Nampientanentana ny tafatafa tany Frantsa nifanaovan’ i Rula Ghani tamin'ny haino aman-jery frantsay, izay nilazàny fa manohana ny fandràrana ny fisaronana niqab, na burkha tanteraka izy, fotoana fohy taorian'ny fandresen'ny vadiny tamin'ny fiadiana fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 2014 izay niteraka resabe.

Rtoa Ghani, izay miteny fitenim-pirenena dimy ary nianatra tany amin'ny Anjerimanontolon'i Kôlômbià, sy tany Frantsa, dia niteny tato aoriana fa ny tsikerany dia ” namoaka ireny fanamarihana ireny ivelan'ny zava-misy” ary nanome toky ny fanohanany ny ” soatoavin'ny fianakaviana” any Afganistàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.