Fihaonana An-tampon'ny Global Voices 2008: Ireo Sary Sy Teny Fisaorana

Fanamarihana: Nivoaka tamin'ny Jolay 2008 ity lahatsoratra ity.

Tena nivanàka aok'izany na iza na iza tonga tao Budapest ka nieritreritra fa ho tsotsotra ny fizotry ny Global Voices Citizen Media Summit na ny Fihaonana An-tampon'ny Mediam-bahoaka Global Voices. Nitohy tsy ankijanona ny fifamihinana nisy teo amin'ny tambajotra sy ny famoahana lahatsoratra torapo taorian'ny Fihaonana an-tampony izay hita taratra tao amin'ny mpamaky RSS-nay.

Tsy nisy toy izany ny fankasitrahanay ireo rehetra avy lavitra nandeha taty aminay mba hizara ny tantarany. Nanambatra fitanisàna notsongaina, rohy, ary sary maromaro notsongaina manokana izahay mba ho fisaorana sy fankasitrahana ireo rehetra nandray anjara.

Fihaonana An-tampon'ny Mediam-bahoaka Global Voices – Misaotra Anareo!

I Paula Góes, Solana Larsen, ary Georgia Popplewell no nanao ny PDF etsy ambony. Ndeha ary, alaivo e!

Tapitra ny Fihaonana an-Tampony, kanefa farafahakeliny mba manana fahatsiarovana hatrany isika. Ary ireo lahatsary. Isaorana an'i Sami Ben Gharbia, fa nasiana fanavaozana sy sary efa avo lenta misy ny hetsika iray manontolo ny tahirinà lahatsary navoakanay momba ilay hetsika ho an'ny daholobe.

Ankasitrahanay manokana ireo Mpanohana ny Fihaonana an-tampony tamin'ny fanohanana ny asan'ny Global Voices sy ireo mafana fo manerantany tamin'ity hetsika ity. Manantena ny hahita antsika rehetra indray izahay amin'ny taona manaraka!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.