- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afovoany Atsinanana: Fikasihana Kisoa ve no Mahatonga Fielezan'ny Gripan-Kisoa?

Sokajy: Ejipta, Israely, Jordania, Libanona, Palestina, Syria, Fahasalamàna, Hehy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Sakafo, Tontolo_iainana

(Fanamarihana: Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny 15 mey 2009)

Taonjato 14 mahery taorian'ny fandraràn'ny silamo ny fihinanana henan-kisoa, misongadina ho lohateny indray ny kisoa manerana ny tontolo Arabo – tamin'ity indray mitoraka ity amin'ny endrika sioka, hafatra nalefa tamin'ny sehatra Twitter .

Avy any Jordania i Roba Al Assi [1] no manambara fa tohina amin'ny fanehoan-kevitry ny olona manoloana io aretina io:

Mahagaga fa ny ankamaroan'ny olona manodidina ahy mieritreritra fa miparitaka amin'ny alalan'ny fikasihana kisoa ny gripan-kisoa.

 

Naneho hevitra momba ny fanapaha-kevitry [2] ny Ejipsiana amin'ny famonoana kisoa i OpusP [3]:

Noho ny fiparitahan'ny gripan-kisoa, nandidy ny famonoana ny kisoa rehetra any an-toerana i Ejipta. Eny, TSY setriny tafahoatra tokoa izany.

Faly maneho i  aaalana [4], mponina any Aleppo, any Syria, fa mbola tsy tonga any amin'ity firenena ity io valan'aretina io:

he, Tsy misy gripan-kisoa aty Syria

Mandritra izany fotoana izany, mahita ilay Libaney Habibh [5] fa mitondra soa miafina ny fisian'io aretina io ary manantena fa hametra ny fomban-drazana sasany, toy ny fifanorohana rehefa mifampiarahaba:

Tsy mifanoroka  intsony rehefa mifampiarahaba ao Libanona … Raha mba afaka mandefa io  hafatra io ho an'ireo nenitoako ry zareo!

Ao Libanona ihany, mametraka ny gripan-kisoa ho toy ny olana madinika indrindra i Qifanabki [6] ary manambara hoe :

Gripan-kisoa any Libanona? Tsy  mampanahy izany. Hafa indray raha  gripan'ny divay izany. [Lalaonteny amin'ny Swine sy wine]

Tsy ho feno ity lahatsoratra ity raha tsy miresaka ny fifandirana eo amin'ny Isiraeliana sy Palestiniana isika. Ao amin'ny Twitter ihany , mivazivazy i NewsatEleven [7] hoe:

Noho ny fisian'ny gripan-kisoa any Isiraely, niampanga an'i Palestina ho midaroka balafomanga feno henankisoa tao Jerosalema ry zareo. News at eleven.