Afovoany Atsinanana: Fikasihana Kisoa ve no Mahatonga Fielezan'ny Gripan-Kisoa?

(Fanamarihana: Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny 15 mey 2009)

Taonjato 14 mahery taorian'ny fandraràn'ny silamo ny fihinanana henan-kisoa, misongadina ho lohateny indray ny kisoa manerana ny tontolo Arabo – tamin'ity indray mitoraka ity amin'ny endrika sioka, hafatra nalefa tamin'ny sehatra Twitter .

Avy any Jordania i Roba Al Assi no manambara fa tohina amin'ny fanehoan-kevitry ny olona manoloana io aretina io:

Mahagaga fa ny ankamaroan'ny olona manodidina ahy mieritreritra fa miparitaka amin'ny alalan'ny fikasihana kisoa ny gripan-kisoa.

 

Naneho hevitra momba ny fanapaha-kevitry ny Ejipsiana amin'ny famonoana kisoa i OpusP:

Noho ny fiparitahan'ny gripan-kisoa, nandidy ny famonoana ny kisoa rehetra any an-toerana i Ejipta. Eny, TSY setriny tafahoatra tokoa izany.

Faly maneho i  aaalana, mponina any Aleppo, any Syria, fa mbola tsy tonga any amin'ity firenena ity io valan'aretina io:

he, Tsy misy gripan-kisoa aty Syria

Mandritra izany fotoana izany, mahita ilay Libaney Habibh fa mitondra soa miafina ny fisian'io aretina io ary manantena fa hametra ny fomban-drazana sasany, toy ny fifanorohana rehefa mifampiarahaba:

Tsy mifanoroka  intsony rehefa mifampiarahaba ao Libanona … Raha mba afaka mandefa io  hafatra io ho an'ireo nenitoako ry zareo!

Ao Libanona ihany, mametraka ny gripan-kisoa ho toy ny olana madinika indrindra i Qifanabki ary manambara hoe :

Gripan-kisoa any Libanona? Tsy  mampanahy izany. Hafa indray raha  gripan'ny divay izany. [Lalaonteny amin'ny Swine sy wine]

Tsy ho feno ity lahatsoratra ity raha tsy miresaka ny fifandirana eo amin'ny Isiraeliana sy Palestiniana isika. Ao amin'ny Twitter ihany , mivazivazy i NewsatEleven hoe:

Noho ny fisian'ny gripan-kisoa any Isiraely, niampanga an'i Palestina ho midaroka balafomanga feno henankisoa tao Jerosalema ry zareo. News at eleven.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.