- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosamborina Ny Alin'ny Faran'ny Taona Ilay Kambodziana Mpitarika Zon'Olombelona Kem Sokha

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tahaka ny mbola ho taona sarotra kokoa ny taona 2006 ho an'ireo izay miady ho amin'ny fahalalaham-pitenenana any Kambodza araka ny lahatsoratr'i Jinja [1] momba ny fisamborana an'i Kem Sokha tamin'ny alin'ny faran'ny taona. Araka ny tati-baovao [2], midika izany fa amin'izao fotoana izao, mpitsikera ny governemanta miisa efatra no any am-ponja miandry fitsarana.

Ny fiampangana dia mifototra amin'ny fihetsiky ny fikambanan'Atoa Sokha, Foibe Kambodziana misahana ny Zon'Olombelona [3], tamin'ny fankalazana faobe ny fahalalahana miteny tao amin'ny kianja Olaimpika tamin'ny 10 Desambra (Andron'ny zon'olombelona iraisam-pirenena [4].)

Ao anatin'ny Firaisamben'ny Fahalalahana Miteny ao Kambodza [5] Atoa. Sokha, vondrona iray vao niforona tamin'ireo ONG miisa 30 mahery ao Kambodza, ary nanao fanentanana nasionaly  [6]talohan'ny zava-nitranga, sy nampiasa ny kofehy mavomavo etsy ambony. Mpisolovava matanjaka ho an'ny fahalalaham-pitenenana [7]ao Kambodza Atoa Sokha ary niloa-bava mikasika ny fisamborana an'i Mam Sonando avy ao amin'ny ‘Radio Beehive’ [8].

[9]

Namoaka ny sary etsy ambony misy ny fisamborana  [9]sy ny fitantaràn'ny nanatri-maso avy amin'ny Ramatoa Theary Seng  [10]avy ao Phnom Penh sy mpanoratra ny boky, Asrei: Zanakavavin'ny Saha Famonoana Olona (Daughter of the Killing Fields)  [11]ny bilaogy KI-Media.

Ahitana vaovao tselatra [1] sy lahatsoratra momba ity lohahevitra ity ao amin'ny Jinja ary mampanantena fanampim-baovao hafa rehefa mitranga izany.