Nosamborina Ny Alin'ny Faran'ny Taona Ilay Kambodziana Mpitarika Zon'Olombelona Kem Sokha

(Marihana fa efa tamin'ny volana Desambra taona 2005 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tahaka ny mbola ho taona sarotra kokoa ny taona 2006 ho an'ireo izay miady ho amin'ny fahalalaham-pitenenana any Kambodza araka ny lahatsoratr'i Jinja momba ny fisamborana an'i Kem Sokha tamin'ny alin'ny faran'ny taona. Araka ny tati-baovao, midika izany fa amin'izao fotoana izao, mpitsikera ny governemanta miisa efatra no any am-ponja miandry fitsarana.

Ny fiampangana dia mifototra amin'ny fihetsiky ny fikambanan'Atoa Sokha, Foibe Kambodziana misahana ny Zon'Olombelona, tamin'ny fankalazana faobe ny fahalalahana miteny tao amin'ny kianja Olaimpika tamin'ny 10 Desambra (Andron'ny zon'olombelona iraisam-pirenena.)

Ao anatin'ny Firaisamben'ny Fahalalahana Miteny ao Kambodza Atoa. Sokha, vondrona iray vao niforona tamin'ireo ONG miisa 30 mahery ao Kambodza, ary nanao fanentanana nasionaly talohan'ny zava-nitranga, sy nampiasa ny kofehy mavomavo etsy ambony. Mpisolovava matanjaka ho an'ny fahalalaham-pitenenana ao Kambodza Atoa Sokha ary niloa-bava mikasika ny fisamborana an'i Mam Sonando avy ao amin'ny ‘Radio Beehive’.

Namoaka ny sary etsy ambony misy ny fisamborana sy ny fitantaràn'ny nanatri-maso avy amin'ny Ramatoa Theary Seng avy ao Phnom Penh sy mpanoratra ny boky, Asrei: Zanakavavin'ny Saha Famonoana Olona (Daughter of the Killing Fields) ny bilaogy KI-Media.

Ahitana vaovao tselatra sy lahatsoratra momba ity lohahevitra ity ao amin'ny Jinja ary mampanantena fanampim-baovao hafa rehefa mitranga izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.