Tafatafa Niarahana tamin'ny Dr. Wan Kadir, Mpitarika Mpitaky Ny Fisintahan'i Patani

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2005)

Vao haingana izay no nitafatafan'ny Dr. Farish Noor, mpanoratra ara-pôlitika malaza sady iray amin'ireo manampahaizana goavana eo amin'ny Sampampianarana Aziatika, niaraka tamin'ny mpitarika ny BERSATU, fiarahamitantan'ireo fikambanana mpitaky fisintahana mifototra ao Thailandy Atsimo izay ahitàna ireo fikambanana tahaka ny BRN (Mandantehezam-pirenena Mpitondra Fiovàna), ny PULO (Fikambanana ho an'ny Fanafahana an'i Patani Manontolo), ny BIPP (Mandantehezana Islamika ho an'ny Fanafahana an'i Patani) ary ny GIMP (Hetsiky ny Mujahideen Silamo ho an'i Patani). Taorian'ny fiakaran'ny herisetra anatin'ireo faritany farany Atsimon'i Thailandy nanomboka ny Janoary 2004, nitodika any amin'i Patani indray ny mason'izao tontolo izao, izy izay faritra iray nopotehin'ny rà nandriaka nandritra ny taona 1970 sy 1980.

Fambara iray goavana ity lahatsoratra ity, indrindra ho an'ny fanoratana bilaogy ao Malezia, satria fotoana voalohany nanambaran'ny Dr. Wan Kadir, amin'ny maha lohan'ny fiarahamitantana azy, fa tsy nandray anjara na tamin'ny fanatrehana na tamin'ny fanofanana ireo mpikambana ao amin'ny hetsika mpitaky fisintahana i Malezia. Nandratra ireo governemanta Maleziana nandritra ny fotoana maro izany fitokoavana izany, ary zavatra tena nilaina ny fanambarana tahaka ity. Manampy mampiharihary ireo vaovao tsy marina tahaka izany izy io. Mipetraka an-tsesitany any Soeda ny Dr. Wan Kadir amin'izao fotoana izao (2005).

Vakio ato ny tafatafa feno, voalohany eo amin'ny bilaogy Maleziana, izay hanadihadian'ny Dr. Farish Noor lalina an'io olana io, anatinà matoandahatsoratra vahiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.