- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Naroso Ny Fetiben'ny Rano Thailandey Mba Hampihenana Ny Zavo-tsetroka 

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina

(Marihina fa tamin'ny 16 Martsa 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Matetika no lasibatry ny zavo-tsetroka [1] vokatry ny fandoroana ny zavamaniry any amin'ny nosy manodidina an'i Sumatra i Malezia sy Singapaoro. Zary mankany Thailandy hatrany ny olona sasany mba hitady lanitra madio kokoa mandritra ireo andro ratsy indrindra isian'ny zavo-tsetroka. Ankehitriny anefa dia toa mijaly noho ity fahasimban'ny tontolo iainana ataon'ny olombelona ity ihany koa ny faritra sasany any Thailandy. Iray amin'ireo tanàndehibe voakasika indrindra amin'izany Chiang Mai, toerana fizahan-tany malaza any avaratr'i Thailandy .

Nanoratra [2] avy any Chiang Mai any avaratr'i Thailandy i Kuhlsrule.
Efa hatramin'ny volana Janoary lasa teo izany no nitranga , nefa vao haingana no tena niha-ratsy …Lasa ny herinandro sy ny volana… Niteraka ahiahy lehibe ho an'ny mponina any avaratr'i Thailandy ny doro tanety/fanaovana tavy henjana tsy tapaka nandritra ny roa herinandro. Miaina aizina izahay amin'ny mitataovovonana, ary afaka mibanjina ny masoandro amin'izao fotoana izao satria maizin'ny setroka ny lanitra. Feno loto ny havokavokay ka miteraka karazana kohaka mivaivay. Nofoanana mandra-pialan'ny setroka ny asa aman-draharaha rehetra any ivelany , saingy toa tsy misy toerana azo aleha.
Ny rivotra na ny orana sisa no antenainay  …

Early Songkran

Nanamarika ny hevitra iray izay hitan'ny manampahefan'ny tanàndehibe tao Chiang Mai [3] ny Bangkok Recorder

Taorian'ny nahitana ny tahan'ny zavo-tsetroka goavana avy amin'ny doro tanety tao amin'ireo faritany avaratr'i Thailandy, dia nanapa-kevitra ny tompon'andraikitra tao amin'ny tanàndehiben'i Chiang Mai fa haroso ny fankalazana ny Songkran mba hiteraka hamandoana, hiteraka orana ary hanadio ny rivotra ny fetiben'ny fanondrahana rano.

Ny Songkran dia fetiben'ny rano nentim-paharazana Thailandey [4] izay nifanojo tamin'ny taom-baovao Thailandey. Mankalaza ny Songkran ny olona amin'ny alàlan'ny fifanondrahana rano .

Namintina ny ezaky ny governemanta Thailandey [5] tamin'ny fiezahana hamaha ny olana i Thaizer

Mipetraka ao Chiang Mai aho amin'izao fotoana izao ary tsy dia mahafinaritra loatra ny herinandro farany niaraka tamin'ny ankizy sy ny zokiolona milaza ny amin'ny olana ara-pisefoana.  Natsangana ny tafika mba hanampy tamin'ny famongorana ny sasany tamin'ireo doro ala ary nanandrana namafy akora tamin'ny rahona ny Royal Thai Air Force hanosehana ny orana mba hanadiovana ny zavo-tsetroka. Tsy nahomby anefa ity farany hatreto , kanefa misy ny famantarana mampahery ankehitriny fa miha-tsara ny toe-draharaha. Madio kokoa ny rivotra ary sambany izany tao anatin'ny andro maromaro, tazana ny lanitra manga mazava sy ny endrik'i Doi Suthep.

Talohan'izay, nanoratra i Lilian raha nanahy momba ny fianakaviany [6]

Its awful. My family and friends are suffering from respiratory problems, itchy eyes, dizziness and generally irritible. I woke up this morning with a sore throat. Its the smog. My daughter asked if we have a gas leak. Thats how it smells. It looks like fog. Thick fog. Apparently some planes couldn’t land yesterday due to the weather.

Tena mahatsiravina. Mijaly noho ny olana ara-pisefoana, maso mangirifiry, fanina ary marary an-doha amin'ny ankapobeny ny fianakaviako sy ireo namako. Nifoha marary tenda aho tamin'ity maraina ity. Noho ny zavo-tsetroka izany. Nanontany ahy ny zanako vavy sao dia misy etona tafaporitsaka. Toy izany ny fofony. Tahaka ny zavona ilay izy. Zavona matevina. Toa fantatra fa tsy afaka nipetraka omaly ny fiaramanidina sasany noho ny toetrandro.

Tsy afaka nipetraka ny fiaramanidina ary nanimba ny indostrian'ny fizahantany tao amin'ny faritra izany [7]. Ny fizahantany no foto-piveloman'ny olona maro eto amin'ity faritra ity. Nanoratra i Meanderings

Who'd want to go visit a place where you can't see anything nor can you breathe?

Iza moa no te-hitsidika toerana izay tsy ahitanao na inona na inona ary tsy azonao iainana?