Arabia Saodita: Fiverenan'ny Sinema ho an'ny Daholobe?

(Fanamarihana: Tamin'ny 22 desambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny anglisy)

Voarara nandritra ny 30 taona ny sarimihetsika ho an'ny besinimaro tany Arabia Saodita, ary raha te hijery horonantsary any amin'ny efitra fijerena sarimihetsika lehibe ny olona ao amin'ny fanjakana dia tsy maintsy mandeha mankany amin'ny firenena mpifanolo-bodirindrina, Bahrain na Emirà Arabo Mitambatra. Na izany aza, tamin'ny herinandro lasa teo, tany Jeddah, nisy horonantsary navoaka tamin'ny efitra fijerena horonantsary natao ho an'ny besinimaro.  Maneho izay lazain'ny blaogy Saodiana mikasika io lohahevitra io ity lahatsoratra ity.

Milaza i John Burgess avy ao amin'ny Crossroads Arabia :

Saudi Gazette rapporte que le cinéma public est de retour en Arabie saoudite. Le film saoudien Manahi a été projeté devant un public mixte à Djeddah, et aussi à Taïf. L'article souligne que la projection du film faisait partie des festivités de l’Aïd el Adha dans la ville, alors je ne sais pas – et l'article ne l'indique pas – si le cinéma continuera à fonctionner après les fêtes. L'article ne le précise pas non plus, mais il est tout à fait évident que cela ne serait pas arrivé sans le soutien du gouverneur de la province de la Mecque, le prince Khaled Al-Fayçal. Le prince Khaled a le pouvoir d'imposer certains types de changements dans sa zone d'autorité et il en a montré la volonté.

Les jeunes Saoudiens espèrent que ceci est un changement durable car ils sont las de devoir voyager à l'étranger simplement pour voir un film sur grand écran.

Nitatitra ny fiverenan'ny sarimihetsika ho an'ny daholobe tany Arabia Saodita nySaudi Gazette. Nalefa teo anoloan'ny mpijery lahy sy vavy tao Jeddah, sy tao Taif ny horonantsary mitondra ny lohateny Manahi. Manipika ny lahatsoratra  fa ny fandefasana ilay horonantsary dia anisan'ny tafiditra tao anatin'ny fankalazana ny  Eid el Adha tao an-tanàna, noho izany  tsy azo antoka – ary tsy milaza  izany ny lahatsoratra  – raha mbola hitohy ny fisokafan'ny efitrano fijerana sarimihetsika  aorian'ny fotoanan'ny fialantsasatra. Hita mazava fa tsy nitranga izany raha tsy teo ‘ny fanohanan'ny Governoran'ny faritanin'i Lameka, Printsy Khaled Al-Faisal, izay manana fahefana hametraka karazana fiovàna sasantsasany ao amin'ny faritra misy azy ary naneho fahavononana hanao izany izy.

Manantena ireo tanora Saodiana fa fiovana maharitra izany satria reraka izy ireo mivezivezy any ivelany mba hijery sarimihetsika any amin'ireny efitrano lehibe ireny.

Faly maneho ity hevitra ity i Rusha :

Les cinémas sont officiellement interdits au royaume d'Arabie saoudite et les gens vont à Bahreïn ou aux Emirats pour aller voir des films en personne (ou ils achètent des versions piratées des films pour les regarder chez eux).

Fait intéressant, la semaine dernière, le film Manahi a été projeté à Djeddah et Taïf. Ç'a été un événement EXTREMEMENT réussi et populaire qui a duré quelque 10 jours. Le président de la Commission pour la promotion de la vertu et la prévention du vice, Abdullah Al-Gaith, s'est élevé contre [cet événement] : «Notre position là-dessus est très claire – il faut l'interdire. Parce que le cinéma, c'est le mal, et que nous n'en avons pas besoin. Il y a déjà assez de mal chez nous.»

Ce qui est bizarre, c'est la volte-face apparue dans les informations d'aujourd'hui. Le commentaire officiel est à présent : «Nous ne sommes pas opposés à avoir le cinéma s'il montre le bien et ne contrevient pas à la loi islamique».

Manahi a été produit par Rotana Holdings, une entreprise de médias appartenant au prince Walid bin Talat. Le prochain film, Eyak Manfouha, également produit par Rotana, est déjà en cours de réalisation.

Voici un signe de plus que le vent du changement est en train de souffler. Ça irait mieux si l'Arabie saoudite se mettait à développer un bon comité de médias/censure de films/remise en ordre qui puisse fixer les normes de ce qui peut ou ne peut pas être montré, et [comment] autoriser la diffusion de films européens, américains et asiatiques.

Voarara amin'ny fomba ofisialy ao Arabia Saodita ny sarimihetsika ka tsy maintsy mandeha any Bahrain na any Emirà Arabo Mitambatra ny olona raha hijery sarimihetsika (na mividy horonantsary piraty, ka mijery izany any amin'ny trano fonenany)

Nahaliana ny fandefasana ny horonantsary “Manahi’ ny herinandro lasa teo tao Jeddah sy Taif. Hetsika nahitam-pahombiazana sy nahatalanjona nandritra ny 10 andro teo.  Manohitra ity hetsika ity ny  Vaomiera fampiroboroboana ny herim-po sy ny fisorohana ny ratsy,  tamin'ny alalan'ny fanehoan-kevitry ny lehibeny, Abdullah Al-Gaith : “Mazava ny toerana misy anay – ny fandraràna azy. Ratsy ny sinema ary tsy mila izany isika. Efa ampy ny ratsy misy eto . “

Ny ny hafahafa, dia ny fivadihan-kevitra tamin'ny vaovao androany. Milaza ny fanehoan-kevitra ofisialy amin'izao fotoana izao  “Tsy manohitra ny fijerena sarimihetsika isika raha toa ka maneho ny tsara sy tsy mandika ny lalàna silamo izany “.

Horonantsary novokarin'i Rotana Holdings, orinasa-tserasera iray an'ny Printsy Waleed bin Talal ny horonantsary “Manahi”.  Ny sarimihetsika manaraka, “Eyal Manfouha,” izay voakarin'ny Rotana ihany koa dia efa an-dalam-pamokarana.

Marika iray hafa maneho ny rivotry ny fiovana ity tranga ity. Tsara kokoa raha manomboka mametraka komity fampitam-baovao/sivana  eo amin'ny sarimihetsika i Arabia Saodita, izay afaka mametraka fitsipika momba izay azo sy tsy azo aseho, ary ny fomba fandefasana ny sarimihetsika avy any Eoropa, Etazonia ary Azia.

Maneho hevitra momba ilay horonantsary i Close Up  – ary mahita hoavy mamiratra  ho an'ny sinema Saodiana [ar]:

فكرة المبادرة فيلم “مناحي” تستحق التحية والتقدير، رغم أنني أعتقد أنه لايتجاوز في مضمونه التهريج الكوميدي “الماصل” .. ومن قبله فيلم العلاقات العامة “كيف الحال؟” الذي شاهده السعوديون في سينما البحرين بكل سخرية وامتعاض ..

ومع ذلك أعتقد أن في مجتمعنا شباب مبدع واعد قادر على تقديم أعمال سينمائية قديرة تنبع من عمق روحنا وهويتنا، بكاميرا واحدة وطاقم صغير يقوم بجميع الأدوار يكتب ويصور ويمثل ويمنتج !

Mendrika  ny ho ekena sy ankasitrahana ny hevitra ao ambadiky ny horonantsary Manahi iny, na dia tsy eritreretiko aza fa mihoatra ilay horonantsary hatsikana  Al Masil ny votoatiny, na ny horonan-tsarimihetsika Kaif Al Hal. [sarimihetsika Saodiana voalohany] izay nojeren'ny vahoaka Saodiana tany amin'ny sinema tao Bahrain tamin'ny fomba feno fanesoana sy likiliky.

Na izany aza, mino aho fa eo anivon'ny fiarahamonintsika, misy tanora mahay mamorona sy mahafa-po izay afaka mamokatra sarimihetsika azo avy amin'ny halalin'ny fanahintsika sy ny maha-izy azy, miaraka amin'ny fakantsary sy ekipa kely iray, izay manantontosa ny asa rehetra  – fanoratana, fangalana ny sary ,fandikana ary famokarana !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.