Maraoka: Naneho Hevitra Momba Ny Daroka Baomba Famonoan-tena Tsy Nahomby Tao Meknes Ny Bilaogera

(Marihana fa efa tamin'ny volana Mey taona 2007 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Herinandro mafapàna tao Maraoka. Voalohany, nisy horohorontany madinika namely ny firenena tamin'ny Alahady alina, ary avy eo fikasana fanaovana vy very aina tamin'ny daroka baomba tao an-tanànan'i Meknes tamin'ny Alatsinainy maraina (tamin'ny volana Aprily ny fikasana farany tahaka izany). Tsikaritry ny  tranokalam-baovao Al Bawaba ao Jordania fa i Hisham Dokkali, injeniera 30 taona ilay mpidaroka baomba. Tsy nisy olona maty nandritra ny loza, na dia i Dokkali, tapa-tsandry vokatr'izany aza. Heverina fa nikendry fiara fitaterana mpizahatany nijanona tao akaikin'ny Place Hedim ao afovoan'ny tanànan'i Meknes taloha, na medina izy.

moroccostreet

Nampisy fanehoan-kevitra maro isan-karazany ny zava-niseho – bilaogera Myrtus nanontany hoe: “Taiza no nahitan'izy ireo ity olona adala ity?” raha somary tsy matoky kosa ny The Morocco Report:

Great, I’m gone from Morocco for less than two weeks and someone tries to blow himself up in Place Hedim (the center of Meknes) – and yet, he failed and didn’t even manage to kill himself. Just like a Moroccan suicide bomber

Mahafinaritra, niala tany Maraoka aho roa herinandro latsaka, ary misy olona miezaka manapoaka tena amin'ny baomba ao amin'ny Place Hedim (afovoan'i Meknes) – kanefa tsy nahomby sy tsy nahavita namono ny tenany akory. Tahaka ny Maraokana mpidaroka baomba mpanao vy very ny ainy fotsiny.

Niteraka fanehoan-kevitra mahaliana ny lahatsoratra farany- tohina i Adilski:

Everything is shaking in Morocco. The soil, Political scene, media and people. I’d love to know what went on in this guy’s mind carrying a butane container to detonate himself. Good thing everything is safe but the suicidal ideology amongst Moroccan youth is just shocking.

Mihovitrovitra ny zava-drehetra any Maraoka. Ny tany, ny sehatra politika, ny media sy ny olona. Tiako ho fantatra ny  ao an-tsain'ity tovolahy mitondra baomba mba hanapoaka tena ity. Ny zavatra tsara dia tsy nisy ny niharam-boina  saingy manafintohina fotsiny ny foto-kevitra famonoan-tena eo anivon'ny tanora Maraokana.

Xoussef nisaotra an'Andriamanitra noho ny tsy fahaizan'ny mpanapoaka baomba, ka lasa lavitra mihitsy i Elle nilaza hoe:

They are so incompetent that they could not even get the message that Allah is not helping them to do harm to innocent people!

Tena tsy mahay izy ireo ka tsy afaka nahazo hafatra akory fa tsy manampy azy ireo hampidi-doza ny olona tsy manan-tsiny i Allah!

Tohina ihany koa i Ange Bleu:

Un autre imbécile parmis tant d'autres qui croit que la violence va régler tout.

Adala hafa ankoatra ny maro hafa izay mihevitra fa hamaha ny rehetra ny herisetra..

Samuel Gunter ao amin'ny Life Called…, mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Peace Corps ao Maraoka naneho hevitra tao amin'ny bilaoginy:

There was yet another bombing in Morocco. This time it wasn't in the far off coastal city of Casablanca, it was in Meknes, one of the Imperial Cities. To set your mind at ease… Meknes, although considerably closer to me than Casablanca, is still about 140km away from me. So don't worry about me, worry about Morocco and worry about our world, and if you pray, pray for us all.

We, all of us, are in the fight of our lives. You and I are warring against indifference in our own lives, and the objectifying influence hatred and ignorance have on all of our hearts. As long as we live in a world with and “us and a them” we will be at war. Until we finally discover that there is nothing but “we” we will always be fighting. Those of here attempt to stand in that gap and are struggle against both ourselves and other forces to bring two wayward families together, or at least to remind all of us that we are family.

There are always times of doubt here because sometimes because the immediacy doesn't always seem that evident.

It is.

Mbola nisy baomba iray hafa tany Maraoka. Tamin'ity indray mitoraka ity dia tsy tany amin'ny morontsirak'i Casablanca, tany Meknes, iray amin'ireo tanàna Imperialy. Mba ho mora azonao kokoa … Meknes, na dia akaiky kokoa ny misy ahy noho i Casablanca aza, dia mbola eo amin'ny 140km miala ny misy ahy. Ka, aza manahy ny amiko, fa manahia momba an'i Maraoka ary manahia momba ny tontolontsika, ary raha mivavaka ianareo dia mivavaha ho antsika rehetra.

Isika rehetra dia miady ho an'ny fiainantsika. Miady manohitra ny tsy firaharahiana eo amin'ny fiainantsika manokana izaho sy ianao, ao am-pontsika rehetra ny herin'ny fankahalana sy ny tsy fahalalana. Raha mbola miaina ao anaty tontolo miaraka amin'ny “izahay sy ny izy ireo”  isika, dia ho ao anaty ady. Mandra-pahitantsika farany fa tsy misy na inona na inona afa-tsy “isika”, isika hiady mandrakariva. Ireo olona ireo dia miezaka mijoro ao anatin'izany fahabangana izany ary miady amin'ny samy isika sy ny hery hafa mba hampifanatona fianakaviana roa mifampihafahafa, na farafaharatsiny mba hampahatsiahy antsika rehetra fa fianakaviana isika.

Misy hatrany ny fotoam-pisalasalana eto satria toa tsy hita foana indraindray ny maha eo no ho eo.

Izany.

Sarin'ny Place Hedim (Meknes, Maraoka) avy amin'i Jillian York.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.