- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Saka Anaty… Vilany? Saka Mahafatifaty Maka Aina Anaty Fitaovana An-dakozia Japoney

Sokajy: Hehy, Mediam-bahoaka, Saripika
japanese cats

Saka ao amin'ny tempoly ao Obama, Japana, angamba mieritreritra vilany. Sary avy amin'i Nevin Thompson. Nahazoana alalana.

Nahita zava-mahagaga ilay bilaogera antsoina hoe 写メんなよ (shamen-nayo) [1] tamin'ny 7 Novambra, “Andron'ny Vilany” (鍋の日, nabe no hi) ao Japan.

“鍋の日”に見かけた「ねこ鍋」というパワーワード

Nahita teny mampangitakitaka hoe “vilany-saka” tamin'ny “Andron'ny Vilany”

Ampiasaina matetika amin'ny fitaovana an-dakozia ao Japana ny Donabe (vilany tany nentin-drazana Japoney) rehefa misy andro manokana hihinanana sakafo aminy. Mba hankalazana ny Andron'ny Vilany tamin'ity taona ity, maro ireo mpisera Japoney namoaka sarina vilany mitàna hafanana sy fatana tao amin'ny Twitter. Anisan'ireo sary ireo ihany koa ny sarin'ireo saka be volo mipetraka ao anaty vilany amin'ny endrika sy habe rehetra.

Ny bilaogera nahita voalohany ny vilany-saka tao amin'ny sioka avy amin'ny onjam-peon'ny kolejy iray:

Miresaka vilany, mampahafantatra ny “vilany-saka” i Ramochi!

Inona ny vilany-saka… tsia, tsy hihinana saka ry zareo!??

Ny vilany-saka dia saka mifanentana amin'ny vilany, ary TENA mampitony ny mijery azy?

 

Fantatra fa tsy ho an'ny Andron'ny Vilany fotsiny ny nanaovana ny vilany-saka. Efa nipetraka tanaty vilany hatry ny ela ireo saka kely be volo ireo.

vilany-saka ankehitriny. Tpt

Hiditra ao tokoa ny (Saka) raha hilazaonao ny (vilany)…

Niditra tao anaty vilany tany (ny saka) ary toa resy-tory… nankao amin'ny nofiny…

#BritishShorthair

Tsy saka lehibe anaty vilany lehibe ihany izany; nanatevin-daharana ny fialam-boly miaraka amin'ny vilany bitikan'izy ireo ihany koa ny saka kely.

Sakamoto manandrana ny vilany-saka

Te hifandray amin'ireo mpankafy saka #Catpot #Catpot

 

Toa hita fa malaza ny saka anaty vilany ka nanomboka nivarotra vilany natao manokana ho an'ny saka ireo fivarotana manerana ny firenena:

Manana ambina “Nekonabe(vilany-saka)” izahay! Afaka mipetrapetraka maka aina ao anatin'ity vilany vita amin'ny viraty ity ny saka? ¥3480+hetra ao amin'ny rihana faha-efatra Pet First #Catpot #Catpot

vilany-saka

Tsy olona tia saka loatra? Mankafy maka aina anaty vilany ihany koa ireto alika kely ireto:

Tsy dia miditra ao firy izy rehefa apetraka amin'ny tany izany, saingy rehefa apetrako eo amin'ny fandriana akaikin'i Tomo, dia mankao foana izy matetika

#TsyManantsakaAho

Hiditra ao ve izy ireo raha apetrakao ny vilany?

Toa nampavitrika be an'i Japana ny vilany-saka miaraka amin'ny fahafahan'izy ireo “癒す”, na mampitony na manome aina ny mpijery. Raha ny marina, iza no tsy tia sarina saka mahafatifaty?

Raha hijery sary mahafinaritra maro hafa momba ny saka anaty vilany, tsidiho ny 写メんなよ's Naver Matome [39].