Karaiba: Fahatsiarovana An'i Alton Ellis

(Marihina fa tamin'ny 13 Oktobra 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Late Jamaican musician Alton Ellis“Alton Ellis”, sary avy amin'i Eric Oliviera, nahazoana alàlana . Tsidiho ny kaontin'i Eric Oliviera  flickr.

Maty noho ny homamiadana tamin'ny 10 Oktobra 2008 i Alton Ellis, mpiangaly mozika Jamaikana izay nitari-dalana ny rocksteady tany amin'ny taompolo 60. Araka ny nanamarihan'ny Jamaica Gleaner azy, na dia tsy mbola nanana laza iraisam-pirenena loatra aza i Ellis ary tsy toy ireo mpiara-belona taminy sasany tahaka an'i Bob Marley na i Jimmy Cliff  dia nanan-danja tokoa ity “raiben'ny rocksteady” ity ho an'ireo taranaka mpiangaly mozika jamaikana taty aoriana, ary efa hatry ny ela izy no nalaza teo amin'ny sehatry ny mozika Jamaikana.

Nanome voninahitra ny talentany, ny feony, ary ny maha-izy azy manokana ny vondrom-piarahamonin'ny mpiangaly mozika tao Jamaika rehefa niparitaka ny vaovaon'ny fahafatesany. Maro ihany koa ireo fanomezam-boninahitra no navoaka tao amin'ny tontolon'ny bilaogy Karibeana. “Very mpitari-dalana goavana isika“, hoy i Geoffrey Philp mpitsikera literatiora.

… la totale innocence et l'optimisme de la musique d'Ellis me rappelle celle d'une époque où l'île n'était pas gouvernée par la peur d'un homme armé, où vous pouviez marcher dans la rue en chantant “I'm Just a Guy” ou même essayer de le chanter dans une dawta. Parce que c'était une chanson écrite avec votre propre façon de vous exprimer, sans avoir à vous excuser de votre émotion ou de ne pas savoir bien chanter.

… mampahatsiahy ahy ny fotoana izay tsy natahoran'ny nosy ny olona mitam-piadiana ny fahamendrehana tanteraka sy ny mozika feno fanantenan'i Ellis, ilay nosy izay nahafahanao nandeha sy nihira teny an'arabe ilay hoe “I'm Just a Guy” sy nanandrana nihira izany tany amin'ny dawta mihitsy aza. Satria hira iray nosoratana tamin'ny fomba hanehoana ny hevitrao manokana izany izay tsy mila fialantsiny noho ny fihetseham-ponao na noho ny tsy fahaizanao mihira tsara.

Manolotra rohy mankany amin'ny lahatsary ao amin'ny YouTube mampiseho an'i Ellis mihira ny iray amin'ireo hirany malaza,”I'm Still in Love” i Philp . Afrobella ihany koa dia nandray anjara tamin'ny tahirin-tsarin'i YouTube, niaraka tamin'ny lahatsarin-kiran'i Alton Ellis mihira ilay hoe “I'm Just a Guy” sy “Girl I've Got a Date” . Hoy izy

Ma chanson préférée de lui est son tube “I’m Just a Guy”. On y trouve des sentiments qui se font rares dans la musique actuelle. Humilité, romantisme, et désir sincère d'être amoureux. J'espère que vous les trouverez aussi rafraîchissantes que moi.

Ny hirany tiako indrindra dia ilay hoe “I’m Just a Guy”. Hita ao amin'izany ny fihetseham-po izay tsy fahita firy amin'ny mozika amin'izao fotoana izao. Fanetren-tena, fitiavana ary faniriana madio mba ho latsa-pitia. Manantena aho fa hahita izany ho mamelombelona tahaka ahy ianao.

Nandefa hafatra tao amin'ny tolotra famahanana bilaogy madinika sy tao amin'ny famelan-kafatra Twitter ihany koa i Afrobella  ho an'ny mpankafy ny mozika Jamaikana amin'izao fotoana izao:

Pour ceux d'entre vous qui l'ignorent, c'est Alton Ellis qui a chanté en premier “I'm Still in Love With You” que Sean-da-Paul a repris.

Ho an'ireo izay tsy mahalala izany, i Alton Ellis no nihira ilay hoe “I'm Still in Love With You”  voalohany indrindra izay nalain'i Sean-da-Paul avy eo.

Nanampy i Lowrie-Chin Post  hoe “Nampisy tsirony ny fiainantsika tamin'ny alalan'ny tononkirany mahafinaritra sy ny feony i Alton Ellis.” Nanamarika ny Antilles, bilaogin'ny boky ara-literatiora Caribbean Review of Books, sady nanome ny rohy mankany amin'ny fanambarana ny fahafatesan'i Alton Ellis tao amin'ny tranonkalan'ny Trojan Records, fa nisy ny tsy fitovian-kevitra momba ny daty nahaterahany. Nitatitra ny YardFlex fa nisy resaka tsaho momba ny handevenana an'i Jason Ellis amin'ny fomba manetriketrika manerana ny firenena.

Namoaka hafatra tsotra ho fanomezam-boninahitra azy ny Stunner's Afflictions. “Nanana ny hery hambaboana  ny mpihaino azy i Alton Ellis, na io antitra na tanora, tao anatin'ny mozikany mankahery”, hoy izy nanoratra. “Iray tamin'ireo mpihira  nankafizin'ny vahoaka indrindra izy… Ho tsaroana hatrany am-pitiavana ity olo-malazan'ny mozika Jamaikana ity”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.