- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Vitan'ny Fanaovana Sary Mahatsikaiky Avy Amin'ny Mpandrindra Atômika Rosianina Ny Namono Ireo Siosionà Poritsaka Nokleary

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Hehy, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Tontolo_iainana, Voina, Akon'ny RuNet

Sary/sarintany avy amin'ny znaabolana ahitàna ny fotodrafitrasa  nokleary Mayak, ilay tanàna mihidy ao Ozvorsk/Ozerk (Chelyabinsk-65), farihy sy dobo fitahirizana maro, ary ny toerana famokarana herinaratra ahodin'ny nokleary ao Urals Atsimo. Nalaina tamin'ny pikantsary avy tao amin'ny NASA World Wind (sosona hita maso tamin'ny Landsat Global Mosaic), loko nohatsaraina // Sary : NASA, Jan Rieke

Taorian'ny fandavana nandritra ny herinandro maro, niaiky ihany ny fanjakana Rosianina fa avy any amin'ny manodidina ny vondron'orinasa mpamokatra entana Mayak ao Rosia no foiben'ilay rahona nisy taratra hita nanerana an'i Eoropa tamin'ny Septambra, izay manan-tantara [1] amin'ny fandotoana ireo faritra sy ny mponina manodidina azy amin'ny alàlan'ny fako misy taratra.

Kanefa, nijanona tsy nanohy tamin'ny filazana ny anaran'io fotodrafitrasa io ho fiandohan'ilay rahona [2] ry zareo, izay miavaka amin'ny fisianà Rotenioma-106, izôtôpa [3] iray tsy hita any anaty natiora. Mba hanalàna ny hevitra hoe avy ao Mayak no nipoiran'ilay Rotenioma-106, no sady nanitrikitrika ny tsy maha-mampididoza azy io, nandefa sary mahatsikaiky iray i Rosatom (ny mpandrindra atômikan'ny fanjakana Rosiana) tao amin'ny pejy Facebook-ny [4], ilay izôtôpa no nampitazonina ny toeran'ny mpampihavana

Hoy ilay lahatsoratra:

Маленького любой может обидеть!

Столько глупостей и истерики вокруг рутения-106. Узнали, что он сам думает об этой ситуации 😉

“Я не простой металл, из платиновой группы. В природе не встречаюсь. Я настолько полезный, что меня специально делают очень умные люди по всему миру. Говорят, я появляюсь, если происходят аварии на АЭС или на заводах по переработке ядерного топлива, но это неправда ?

В чистом виде в России меня производят только в г. Димитровград Ульяновской области в научном центре “ГНЦ НИИАР”. Это очень непростой процесс. Получить меня сложно, потому что я не являюсь побочным продуктом при наработке других изотопов или при любом другом технологическом процессе. После производства меня в виде раствора в безопасной упаковке отправляют в Германию, США или г. Обнинск Калужской области в научный центр “ГНЦ РФ-ФЭИ”. Пока еще никто не жаловался, чтобы меня плохо доставили или что-то произошло с упаковкой ?

Я не жалуюсь, просто не понимаю, почему обо мне так плохо все говорят. В Обнинске и за границей другие умные люди из меня делают офтальмологические аппликаторы. Я возвращаю людям зрение! Меня очень ждут, например, в Москве в МНТК “Микрохирургия глаза”.

Говорят, недавно я появлялся одновременно в разных местах от Нормандии до Урала… Пока меня в Обнинске делают штучно, под заказ. Меня очень мало, в год не больше 10 штук. Может, это мои близнецы?! ? Их у меня много. Есть и заграничные родственники, есть и очень известные личности – летают в космосе подолгу. Некоторых из них я даже не знаю, они секретные. Но, поверьте, все они очень полезные и никогда не приносили людям вреда”.

Afaka manindry ny kely noho izy daholo ny olon-drehetra.
Betsaka ny hadalàna sy hagaigena momba ny Rotenioma-106. Hitanay ny fijeriny manoloana io toedraharaha io.

“Tsy fatritram-by fotsiny aho, avy ao amin'ny fianakavian'ny platinioma. Tsy hita ao amin'ny natiora aho. Tena ilaina aho ka fanahinina namboarin'ireo manampahaizana manerantany. Misy miteny hoe mipoitra aho rehefa misy ny loza eny amin'ny toby iray famokarana herinaratra mampiasa hery nokleary na koa eny amin'ny toerana fikarakaràna solika efa niasa, saingy tsy marina izany. Vokarina  amin'ny endrika madio ao amin'ny toeram-pikarohana GNTs NIIAR ao Dmitrovgrad ao oblast-n'i Ulyanovsk aho. Dingana sarotra ihany izy io. Tsy mora ny hahazoana ahy satria vokatra azo avy amin'ny famokarana izôtôpa hafa na dingana teknolojika hafa aho. Rehefa vita ny famokarana, alefan-dry zareo tahaky ny ranon-javatra simika anaty fitaterana azo antoka mankany Alemaina, Etazonia na koa any amin'ny foibe fikarohana GNTs RF-FEI ao amin'ny tanànan'ny Obninsk ao amin'ny Oblast-n'i Kaluga aho. Hatreto, tsy nisy olona heno nitaraina momba ny fitaterana na ny famonosana.

Tsy mitaraina aho fa tsy azoko fotsiny hoe maninona no milaza zavatra ratsy momba ahy izy ireo? Mampiasa ahy hanamboarana zavatra fametaka amin'ny resaka maso ireo manampahaizana any Obinsk sy any ivelany. Mamerina ny fahitàn'ny olona aho! Miankina amiko ny olona, ohatra, ao amin'ny toerana siantifika ao Maosko misahana ny “fandidiana mandinika ny maso”.

Lazain-dry zareo fa vao nipoitra teny amin'ny toerana maromaro avy ao amin'ny Normandy hatreny amin'ny Urals aho tamin'ny fotoana mitovy… Hatreto, noho ny fanafarana avy ao Obnisnk no nanamboarana ahy. Tsy misy betsaka ny toy ahy, angamba 10 isa isan-taona. Angamba kambana amiko ireny? Manana betsaka aho. Manana havana any ivelany aho, misy malaza mihitsy aza, izay efa nandeha teny amin'ny habakabaka nandritra ny fotoana maharitra. Tsy mahalala ny sasany amin-dry zareo aza aho satria afenina ry zareo. Minoa ahy, ilaina daholo izy ireo ary mbola tsy nampidi-doza taman'olona mihitsy.

Toa tsy nahavita izay nandrasana taminy ilay sary mahatsikaiky. Nisy valiny iray nalaza tao amin'ny Facebook [5] niteny hoe:

“Tsy misy manasazy ny Rotenioma, na koa ny Rotenioma-106. Ny Rosatoma no faizin-dry zareo noho ireo vaovao mifanohitra sy noho ireo vazivazy tahaka izao fa tsy manao fanadihadiana matotra momba ilay loza”

Avy eo, nalefan'ny Rosatom ho any amin'ny valiny “matotra” [6] avy amin-dry zareo ilay olona, izay milaza fa ny toerana nokleary rosianina rehetra dia niasa ary miasa araka ny tokony ho izy.

Andro vitsivitsy teo aloha, nanambara [7] ny anaovana fitetezana ny toerana ao amin'ny fotorafitrasa Mayak ny Rosatom, nanasana mpanao gazety ary bilaogera mba hanoratra anarana hitety ilay toerana ary hamantatra momba ny fisian'ireo lazaina fa fiporitsahana Rotenioma ireo. Tamin'ny 28 Novambra, nilaza [8] ny Rosatom fa 17 ihany ny mpandray anjara nekeny, fifangaroanà mpanao gazety Rosianina sy vahiny.

Nomarihan'ny [9] olona iray hoe satria tsy nisy manampahaizana nasaina tao, ka tsy misy ny fanamarinana azo atao. Novalian'ny Rosatom tamin'ny filazana hoe ny tanjon'izy ireo dia ny hanazava ny siansa nokleary ho an'ireo tsy manana fahaizana fototra momba izany. Kanefa betsaka no nanomboka tsy natoky ny hisian'ny fitetezana.

Ny 29 Novambra, nofoanana tokoa [10] ilay fitsidihan'ny mpanao gazety, nefa nolavin'ny Rosatom ireo fanambaràna ireo:

Diso ny tatitra nataon'i Chelyabinsk Today. Ny fitsidihana toerana voalaza dia hisy ato anatin'ny andro vitsy ho avy. Ary miasa momba ny fitsidihana iray hafa ihany koa izahay, hoan'ny vahiny, satria mila fotoana bebe kokoa ny fandaminana azy.

 

Kanefa, hatreto aloha mbola tsy tanteraka ilay fitsidihan'ny mpanao gazety nampanantenana, ary tsy nampidina an'ireo siosio ireo ny fanandraman'ny Rosatom nanaovana “Meme”. Zara raha nahavita namono ireo honohono ny fanaovan'ny Rosatom sary mahatsikaiky.