Mitarika Ny Olom-pirenena Hanameloka Ny Fanambaran'i Donald Trump Momba An'i Jerosalema Ny Filoha Indoneziana Jokowi

Morondrano Andrefana tazanina avy ao Jerosalema, Israely tamin'ny 31 Martsa 2014. Sary avy amin'i D. Myles Cullen. Azon'ny rehetra ampiasaina. Defense Imagery Management Operations Center, asan'ny governemantan'i Etazonia.  

Nahataitra ny maro manerana izao tontolo izao ny fanambarana nataon'ny filoha Amerikana (Etazonia) Donald Trump vao haingana izay mankatoa an'i Jerosalema ho renivohitr'i Isiraely. Raha noderain’ny Filoha Isiraeliana Netanyahu izany, nitsikera ny fanapahan-kevitr'i Trump noho ny “fanitsakitsahana ny zon'ny” Palestiniana kosa ireo mpitarika sasantsasany avy amin'ny faritra Afovoany Atsinanana sy ireo firenena hafa ahitana vahoaka Miozolomana maro an'isa.

Samy milaza i Isiraely sy Palestina fa i Jerosalema no renivohiny.

Anisan'ireo manohitra ny fanambaran'i Trump i Indonezia, izay manana mponina Miozolomana betsaka indrindra manerantany, ahitana ny Filoha Joko Widodo (Jokowi) mitarika ny vahoakany mba haneho fanohanana an'i Palestina sy hanameloka ny fanambaran'i Trump.

Manameloka mafy ny fankatoavan'i Etazonia samirery an'i Jerosalema ho renivohitr'i Isiraely i Indonezia. Manitsakitsaka ny fanapahan-kevitry ny Filankevi-piarovana sy ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana ny fihetsika toy izany. Izaho sy ny vahoaka ao Indonezia dia manohana hatrany ny vahoakan'i Palestina amin'ny fiarovana ny fahalalahany sy ny zony.

Mandritra izany fotoana izany, nanazava ny ambasady Amerikana ao Jakarta, renivohitr'i Indonezia fa nanamafy ny fanohanana an'i Isiraely sy i Palestina ny fanambaran'i Trump:

Ketika Presiden Donald Trump kemarin mengumumkan bahwa Amerika Serikat mengakui Yerusalem sebagai ibu kota Israel dan kota pemerintahannya, Presiden Trump juga menegaskan kembali secara publik bahwa Amerika Serikat mendukung status quo tempat suci Bukit Kuil atau Haram al-Sharif. Seperti yang diungkapkan oleh Presiden Trump dalam pengumumannya, “Yerusalem kini, dan harus terus menjadi, tempat dimana warga Yahudi berdoa di Tembok Barat, umat Kristiani melintasi Jalan Salib, dan umat Muslim beribadah di Masjid Al-Aqsa.”

Presiden menekankan bahwa Amerika Serikat tetap berkomitmen untuk mencapai kesepakatan damai yang langgeng antara rakyat Palestina dan Israel. Termasuk mendukung solusi dua negara, bila disetujui oleh kedua belah pihak.

Rehefa nanambara ny Filoha Donald Trump omaly fa mankatoa an'i Jerosalema ho renivohitra sy foiben'ny governemantan'i Isiraely sy i Etazonia, nanambara ampahibemaso ihany koa ny Filoha Trump fa manohana ny tsy fanetsehana na inona na inona ao amin'ny Tendrombohitry ny Tempoly na Haram al-Sharif i Etazonia. Araka ny nambaran'ny Filoha Trump tamin'ny fanambarana nataony, “Jerosalema no ankehitriny ary tsy maintsy mijanona ho toerana ivavahan'ny Jiosy ao amin'ny Rindrina Andrefana, sy andehanan'ny kristiana any amin'ny tobin'ny hazo fijaliana, sy ivavahan'ny Miozolomana ao amin'ny Moskea Al Aqsa.”

Nanoritra ny filoha fa vonona hatrany hanangana fifanarahana ho an'ny fandriampahalemana maharitra eo amin'ny vahoaka Palestiniana sy Isiraeliana i Etazonia; anisan'izany ny fanohanana ny vahaolana fijoroan'ny fanjakana roa, raha ifaneken'ny roa tonta.

Mihetsiketsika manohitra ny fanambaran'i Trump ny Indoneziana

Nipoaka ny hetsi-panoherana tao Jakarta renivohitra Indoneziana sy ny faritany manodidina azy taorian'ny fanambaran'i Trump fa hafindra ao Jerosalema ny masoivoho Amerikana ao Tel Aviv. Nandoro ny sainam-pirenena Amerikana sy ny sarin'i Trump eo anoloan'ny Masoivohon'i Etazonia ao Jakarta ireo mpanao fihetsiketsehana. Lasibatr'ireo mpanao fihetsiketsehana tany Tangerang Atsimo, kaominina akaikin'i Jakarta, fantatra ho tanindrazan'ilay Mpitarika ny Fanjakana Islamika, Bahrun Naim ihany koa ny sampan'ny McDonald iray.

Niampanga an'i Trump ho mandranitra ady manerantany ihany koa ny Nadhlatul Ulama, fikambanana Islamika lehibe indrindra any Indonezia.

Mpanao fanadihadiana ara-politika sady mpanoratra Dr. Dina Sulaeman, niantso ny fihetsik'i Trump ho “fanakorontanana” sy fihetsika fahadisoam-panantenana mba hahazoany rariny avy amin'ireo mpamatsy vola Repoblikana.

Mereka ini (Evangelis) lebih peduli pada rezim Zionis dan mengabaikan nasib kaum Kristiani di Palestina. Sekedar info, Patriark dan Kepala Gereja-Gereja Lokal di Yerusalem sudah mengirimkan surat terbuka menolak keputusan Trump itu.

Mikarakara bebe kokoa ny fitondrana Sionista ireo evanjelisitra ary tsy miraharaha ny manjo ireo Kristiana Palestiniana. Ho fampahalalana anao, nanoratra taratasy misokatra tamin'ny fomba ofisialy ny patriarika sy mpitarika fiangonana ao an-toerana ao Jerosalema, mangataka amin'i Trump mba hanafoana ny fanapahan-keviny.

Nanamafy i Sulaeman fa ny fiarovana ny vahoaka Palestiniana dia mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana Indoneziana (Undang-Undang Dasar 1945 na UUD '45).

UUD 45 memberi mandat agar bangsa Indonesia berperan serta dalam mewujudkan perdamaian dunia dan menghapuskan penjajahan di muka bumi. Tanggapan yang cepat dan tegas dari Presiden Jokowi yang menyatakan penolakan dan kecamannya atas tindakan Trump adalah langkah tepat yang perlu didukung.

Mitaky ny firenena Indoneziana mba handray anjara mavitrika amin'ny fametrahana fandriampahalemana manerantany sy hamongotra ny fanjanahantany ny UUD '45. Tokony tohanana ny fanehoan-kevitra haingana sy hentitra avy amin'ny filoha Jokowi mba hitsipaka sy hanameloka ny fihetsik'i Trump.

Feno fanehoan-kevitra ny tontolon'ny Twitter Indoneziana:

Andro manahirana ho an'ireo ambasadera Amerikana manerantany. Niantso ny ambasadera i Indonezia mba hihaino ny fanamelohany ny fanambarana nataon'i DonaldTrump momba an'i Jerosalema

Mitafy fehilamba Palestiniana, milaza amin'ny #BDF10 ny minisitry ny raharaham-bahiny, Retno Marsudi fa ‘manameloka’ ny fankatoavan'i Etazonia an'i #Jerosalema ho renivohitr'i Isiraely ny governemantan'i Indonezia

Nanao fahadisoana lehibe nialan'ireo filoham-pirenena Amerikana rehetra nandritra ny 70 taona i Trump: manambara an'i Jerosalema ho renivohitr'i Isiraely. Mitarika an'i Etazonia sy izao tontolo izao ho eo amin'ny toerana ifanandrinan'ny fivavahana mahery fihetsika i Trump.

Mino hatrany aho fa ny loharanon'ny olana ao Afovoany Atsinanana dia i Etazonia. Androany, nanao an'i Jerosalema ho renivohitr'i Israely i Trump. Hanakorontana ny Afovoany Atsinanana sy ny tontolo Islamika bebe kokoa ity politika ity.

Nitaky hatrany ny fankatoavana ny fanjakan'i Palestina i Indonezia. Na dia manana fifandraisana ara-barotra sy fizahan-tany aza, tsy manana fifandraisana ara-diplaomatika i Indonezia sy i Isiraely.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.