Pejy Manontolon'ny Gazety Iray An-toerana Miresaka Taratra Nokleary Nampisahotaka An'i Shina

Ny pejy feno ao amin'ny Jilin Daily mitantara momba ny taratra nokleary.

Tamin'ny 6 desambra 2017, namoaka pejy iray manontolo mitantara ny fitaovam-piadiana nokleary sy ny fomba fiarovan-tena raha sendra taratra nokleary ny Jilin Daily. Nitarika ny maro, indrindra fa ireo mponin'i Shina avaratra hanontany izany raha fialohavana ny hetsika miaramila Amerikana manohitra ny andrana balafomanga ao Korea Avaratra ny tatitra an-gazety.

Miorina any avaratr'i Shina akaikin'i Korea Avaratra ny faritanin'i Jilin. Ny Jilin Daily dia sampan'ny governemanta ao an-toerana.

Ny 29 Novambra, nanao andrana tamin'ny balafomanga miampita kaontinanta mahavita mahatratra ny ampahany manontolo amin'ny taniben'i Etazonia i Korea Avaratra. Nampitandrina ny filoha Amerikana Donald Trump tany aloha fa hitondra “oran'afo sy fahatezerana” ao Korea Avaratra raha mbola manohy mandrahona ny fiarovana Amerikana ny mpitarika ny firenena Kim Jong Un. Shina, indrindra fa ny faritra avaratr'i Shina, no mety hiharan'ny “orana”.

Mandritra izany fotoana izany, nampiseho ny antontan-taratasy iray hafa navoakan'ny orinasan'ny finday Jilin ao Shina fa nametraka toera-pialokalofana dimy ao amin'ny faritanin'i Changbai, izay manana sisintany 260 kilometatra miaraka amin'i Korea Avaratra ny governemantan'i Jilin.

Nofafàna haingana tao amin'ny sehatry ny media sosialy ny adihevitry ny daholobe momba ny mety hisian'ny  ady any Korea Avaratra. Na dia ny Global Times mifandray amin'ny antoko aza, tsy maintsy nanaisotra ny lahatsorany raha vao nivoaka an-tserasera (nalaina tamin'ny Voices of America):

目前半岛局势紧张,朝鲜已进行了六次核试验,被广泛认为已经拥有了核弹头。另外朝鲜的导弹技术今年以来快速突破,成功试射了射程可覆盖美国本土的洲际弹道导弹。美国发誓扼杀朝鲜经济,美韩对朝军事压力进一步升级,美朝发生军事冲突的风险在增加。而吉林省与朝鲜接壤,该省省报在这个时候刊出核武器常识及其防护的整版介绍,立刻让人想到这是该省对半岛战争风险的一种反应。

Amin'izao fotoana izao, mihamafy ny fihenjanana ao amin'ny Saikinosy Koreana. Nandefa andrana nokleary enina i Korea Avaratra ary heverina fa efa manana baomba nokleary ny firenena. Ankoatra izay, nahatratra ny fara tampony ny teknolojiany fandefasana balafomanga tamin'ity taona ity ary nahomby tamin'ny fandefasana balafomanga izay mety hahatratra ny faritra rehetra ao amin'ny kontinanta Amerikana. Nivoady i Etazonia fa hanimba ny toekaren'i Korea Avaratra izy ary hampiasa ny tsindry ara-miaramila. Niakatra ambony dia ambony ny fanahiana isian'ny fifandonana ara-miaramila eo amin'i Etazonia sy i Korea Avaratra. Manana sisintany miaraka amin'i Korea Avaratra i Jilin, heverina ho fanehoan-kevitra amin'ny mety hisian'ny ady ao amin'ny saikinosy Koreana ny pejy iray manontolo mampiseho ny fepetra fisorohana ny taratra nokleary.

Na dia eo aza ny sivana, mitohy hatrany ao amin'ny tranonkala media sosialy Shinoa malaza, Weibo, ny lahatsoratra miahiahy amin'ny fifandonana ara-miaramila. Mpisera Weibo iray mino fa neken'ny governemanta foibe ny fampahalalam-baovao navoakan'ny Jilin Daily:

今天这事吧确实不是开玩笑,你们要知道中国的新闻审核制度有多严,这种内容能发出来一定是经过高层授意,又层层批准的。上边要告诉你们点什么,但又不能说的太明显,东北老铁可以密切留意沈阳美国总领事馆的动向,一旦老美撤了,啥也别管赶紧走

Tsy vazivazy ity. Mahafantatra ianareo rehetra fa tena henjana ny sivana atao amin'ny vaovao ao Shina. Ny karazana votoaty tahaka izany dia tsy maintsy ankatoavin'ireo manampahefana ambony alohan'ny hanaparitahana azy. Te hilaza zavatra aminao ireo mpitarika saingy tsy afaka milaza izany mazava. Ry namana ao Dongbei (avaratr'i Shina), jereo azafady ny masoivoho Amerikana ao Shenyang, raha miala izy ireo, dia mandosira.

Na dia niezaka ny hampihena ny mety hisian'ny ady aza ny fampahalalam-baovao avy amin'ny fanjakana, maro no mbola manahy mikasika ny taratra raha nanao hetsika miaramila hanoherana ireo toby nokleary Koreana Tavaratra ny Amerikana:

核弹没升空炸了,东北也危险吧?

Na dia nipoaka teny an-danitra aza ny balafomanga nokleary, mbola ho tandindomin-doza ny faritra Dongbei, sa tsy izany?

Maro ireo fanehoan-kevitra tsikera nanome tsiny ny governemanta noho ny krizy nokleary:

防朝核,韩国日本有萨德,爱国者导弹,航母作战群;台湾有铺路爪,俄罗斯有沃罗涅日M系统全天候防御,唯一看不清挡不住朝鲜核弹的,只有中国。核弹当前,吉林人民只有一张介绍常识的廉价报纸!当初反对萨德走上街头怒砸韩国车的愤青们呢,该你们到朝核第一线了。

Mba hisorohana ny fanafihana balafomanga nokleary an'i Korea Avaratra, manana Farovana Avo (Terminal High Altitude Area Defense-THAAD), MIM-104 Patriot sy Sambo Mpitatitra Fiaramanidina i Korea Atsimo sy i Japana; Taiwan kosa manana Rafitra Fampandrenesana Tabanjotran-davitra (Phased Array), i Rosia manana rafitra radar Voronezh-M ho fepetra fisorohana. I Shina no hany firenena izay tsy afaka mamantatra mazava sy manohitra ny balafomanga an'i Korea Avaratra. Ankehitriny noho ny fandrahonana amin'ny baomba-H, miankina amin'ny gazety izay mampianatra ny olona momba ny hevitra mahazatra mikasika ny taratra no hany azon'ny olona ao Jilin atao. Aiza daholo ny nalehan'ireo tanora tia tanindrazana izay nanohitra ny THAAD tamin'ny alalan'ny fanitsahana ireo fiara Koreana? Tsy tokony hitsangana lohan-daharana ve ianareo?

由于中国特色政府长期暗中支持朝鲜,致使朝鲜从无核到有核,现在已经威胁到世界人民的生命财产安全,为此,中国特色政府应该对朝核问题造成的恶果负全部责任。

Satria manohana mangingina an'i Korea Avaratra ny governemanta manana toetra Shinoa [governemanta Shina], nahazo ny fitaovam-piadiany nokleary ihany ny firenena. Ankehitriny,  manohintohina ny fiarovana ny olona rehetra eto amin'izao tontolo izao izany. Noho izany, ny governemanta manana endrika Shinoa dia tokony ho tompon'andraikitra amin'ny voka-dratsy rehetra ateraky ny krizy nokleary Korea Avaratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.