- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihaonana An-tampony tao Delhi – 2006

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2006)

Ny volana Desambra 2006,  nihaona ireo mpanoratra sy mpamoaka lahatsoratry ny Global Voices mba hidinika ny fomba hiarahana miasa ka hitondràna misimisy kokoa ho anatin'ny fifanakalozandresaka erantany ireo feo izay tsy misy mandre, notsinontsinoavina, na ireo izay tsy nomena lanja. Tena nohamafisina tany anatin'ireo fivoriana ny momba ny tenim-pirenena sy ny fandikanteny, ary izany indrindra no nitondra antsika tamin'ny Tetikasa Fandikàna Lingua [1].

Hita ao amin'ny tranokalan'ny Delhi Summit na Fihaonana an-tampony tao Delhi ny sarintany misy ny toeran [2]‘ireo mpanotrona rehetra ary ny bilaogy feno mikasika ny fihaonambe [3] misy ireo fanehoankevitra sy ny fomba fijerin'ireo mpandray anjara marobe tao amin'ilay Fihaonana an-tampony.

Global Voices Summit in Delhi '06 [4]Indreto misy sary [5] maro tao amin'ity fotoan-dehibe ity.