Ny Tontolon'ny Blaogy Hindi : Avy Amin'ny Fahalalahana Hiteny ka Hatramin'ny Fangalàrana Blaogy!
Dikandahatsoratra
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamn'ny Febroary 2007)
Mbola resaka fanavaozambaovao iray hafa momba izay mitranga eo amin'ny tontolon'ny Blaogy Hindi hatrany. Ary dia ho atombontsika amin'ny resaka habakabaka aloha amin'ity indray mitoraka ity. Resahan'i Ashish amintsika ny mikasika ireo zafikelin'ny Masoandro, ny mikasika ny Asteroida & ny Fehin'ny Asteroida manasaraka ny Planeta Mars sy Jupiter. Velabelarin'i Ashish bebe kokoa ny momba izay nipoiran'ireny Asteroida ireny, amin'ny fanolorana ireo teoria efa fantatra nomen'ny maro, ny mafonja indrindra amin'izy ireny dia ilay manao hoe avy amin'ny fifandonan'ny planeta Mars sy Jupiter tany aloha tany no nahatonga ireo Asteroida ireo izay nihalevona tamin'ny fomba rehetra! Lazainy amintsika ihany koa ny fomba nahaterahan'ireo kintana avy amin'ny ” Nebula” sy ny mombamomba ireo Kintana “Neutron” sy “Pulars”.
Fa tsy mijanona amin'ny hoe resaka fahapotehana na fahaterahana eny amin'ny habakabaka fotsiny ihany ilay teoria, fa mahakasika ny tena zava-misy marina koa ho an'ireo rehetra miaina eto amin'izao Planeta tany izao mihintsy, iray amin'ireny ny fomba nahafaty an'Ingahy Netaji Subhash Chandra Bose , izay mbola mijanona ho Mistery tokoa , tsaroan'i Sanjay io goavana tia tanindrazana io ary banjininy ny amin'izay antony sy ny fotoana nahafatesan'I Netaji. I Lokmanch koa dia namoaka fehin-kevitra vaovao mikasika an'i Netaji, izay manome toerana ireo tsoakevitra efa eken'ny maro sy ireo tsoakevitra vaovao.
Etsy ankilany, tsy misy fitaovana tsara indrindra ho an'ny Teoria ankoatra ny Boky , ka izany no nahatonga an'i Jitu mampiseho amin'ny fomba hafa ny tokony hilazànao amin'ny hafa ny Boky anananao. Tena am-pahatsorana no ilazàko fa mbola tsy tena resy lahatra amin'ilay izy aho na ny hahatanteraka izany koa, kanefa mino aho fa ry zalahy ao amin'ny Shelfari tsy maintsy efa nanana tolo-kevitra ampandehanana azy io ihany ankoatra ny fampiharana Web 2.0 izay avy amin'ny katro-doha nihelina fotsiny ihany tsy mba nosainina lalina akory! 😉
Tamin'ny fanohizana, hitanay fa andraman'i Pankaj ny mampitaha ny mpanohitra ao amin'ny Parlemanta Indiana sy ny ao amin'ny Kaongresin'i Etazonia satria hitany ho toa hafahafa ihany ny mahita ireo mpanohitra ny antoko eo amin'ny Fitondràna ao Etazonia manindrahindra ny asan'ny fitondràna sy ny Filoha, fa ny ankamaroan'ireo mpanohitra eto India dia mezaka ny hahita izay hadisoana ao anatin'ny asa ataon'ny antoko eo amin'ny fitondràna, tsy mba misaina akory na mahasoa ny firenena na tsia ilay asa. Mandritra izany, nahatsikaritra i Ravi Ratlami fa nisy nangalatra ny votoatin'ny bilaoginy ary nozarain'ilay olona tany amin'ny blaoginy amin'ny anarany ihany. Teo noho eo dia hitan'i Ravi ilay tranonkala meloka ary nanaovany tsoakevitra fa ny ankapoben'ny zavatra ao amin'ilay tranonkala dia fangalarana votoaty avy amin'ireo blaogera hafa sy famoahana izany amin'ny anaran'izy ireo manokana avokoa, angamba mba hahazoan'izy ireo laharana tsaratsara amin'ny fikarohana anaty aterineto na koa tombony amin'ny fahazoany dokambarotra toy ny Google AdSense sns. ao amin'ilay bloagy! Milahatra amin'ireo, nizara ny azy koa i Fursatiya, ny “Blog 101: Ahoana no hiarovanao ny votoatinao tsy ho azon'ny mpangalatra”!! 😉 Nandeha ny fotoana ary dia tonga ny Fankalazàna ny Faha-58 taonan'ny Repoblikan'i India ka tamin'io andro io i Jitu no nisaina ny amin'ny hoe Inona no zava-bitantsika tamin'ity Firenena ity. Nanoratra koa izy fa tsy fotoana isainana momba ny Zava-bitan'ny Firenena tamintsika izao fa famehezana ny soa vitantsika ho an'ny Firenena satria ny Firenena tsirairay dia voafaritry ny mponina ao aminy, ny fisainan'izy ireo, ny asany ary ny fahavononan'ny tsirairay hanao zavatra. Amin'izao fankalazàna ny Andron'ny Repoblika izao, Sunil dia nanoratra momba ny Fahalalahana hiteny sy haneho hevitra ary koa ny amin'ireo mpitondra fanjakana eny amin'ny firenena sasantsasany izay miezaka mamehy izany fahalalahana izany amin'ny fandraisan'izy ireo fanapahankevira hentitra hanoherana ireo izay manao izany. Tsy mbola tapitra hatreo akory ny amin'ny fahalalahana hiteny. I Sanjay dia nanoratra momba io, tamin'ny fanazavàna ny andraikitra sosialin'ireo izay maniry ny hampiasa ny zony hanana Fahalalahana hiteny sy haneho hevitra. Kanefa raha iny nisaina sy nanoratra lohahevitra mafana mikasika ny Fankalazàna ny andron'ny Repoblika iny ny sasany, misy koa ireo izay toa ahy sy ireo namako nakanaka aina kely tao an-tanànan'i Ajmerer, toerana iray manan-tantara efa hatrany amin'ny 1000 taona lasa tany. 🙂
Fa moa va ny fahalalahana hiteny sy haneho hevitra mitondra any amin'ny fahalalahana hihetsika? Raha mba izany tokoa moa. Toy ny hoe vanim-potoanan'ny halatra izany izao andro izao, satria misy lehilahy hafa iray izay izao vao nanokatra tranonkala izay tsy misy afa-tsy fakàna votoatinà blaogin'olona no ao anatin'ny blaoginy. Marina aloha fa notononiny tao ny anaran'ny maro tamin'ireo mpanoratra tsirairay tompon'ny lahatsoratra, fa tsy nahazoana alalàna avy amin'ny tompony akory ny fandikàna ny ankamaroany, izay fantatra koa fa mbola lainga satria na ireo blaogera tompona lahatsoratra, izay nangalarina aza, tsy manana dika mitovy- intsony ao amin'ny blaoginy, izany no midika fa tsy tokony atao mihitsy ny mijerijery ka mandika amin'ny ampahany rehetra ny lahatsoratra nozarain'ny olona tany amin'ny blaoginy ka zarainao any amin'ny tranonkalanao avy eo. Ho fanamarinan-tena amin'ny halatra nataony, nilaza ilay voakasika fa tsy ny hahazo tombontsoa manokana akory no tanjony fa natao io blaogy io mba hahafahan'ny Hindi hahazo vaovao malalaka ety anaty Aterneto! Nangataka alalàna taminà blaogera maro izy, tao ireo nanome alalàna azy hizara ny lahatsorany maimaimpoana, tao kosa no narahana fepetra maro, na izany na tsy izany, tsy ara-drariny ny namoahany ireo lahatsoratra tsy nahazoana alalàna avy amin'ny mpanoratra ireo, ary ilain'ny olona ny mahafantatra ny antony, fa tsy azonao atao kosa aloha ny maka ny asan'olon-kafa araka izay itiavanao azy!!
Taorian'ny herintaona niandrasàna dia tonga ny lohateny lehibe vaovao avy amin'ny kitendrin'i Jitu rehefa iny izy nizara ny zavatra niainany tamin'izy avy ao India nifindra tao Koweit iny, nanohy nitantara ny olana natrehiny momba ny fakàna fahazoandàlana.
Teo amin'ny lafiny teknika, i Jagdish, tetsy ankilany, nampiseho fahazavàna ihany mikasika ny Windows Vista teo amin'ny fitaratrany.Tsy tara mihitsy i Debashish amin'ny fampahafantarana antsika ny olana eo amin'ny tsy fitoviana misy amin'ilay WordPress 2.1 vaovao sy ilay “plugin” malaza “Ultimate Tag Warrior”.
Ho famaranana izao fampahafantaràna izao, ‘ndao hijery ny fitantaràna ny Mahabharat nataon'i GK Awadhiya fony izy nandray anjara tamin'ny fifanakalozan-kevitra Kunti-Karna , fotoana izay nampahafantaran'i Kunti tamin'ny zanany lahimatoa nialoha ilay fifanandrinana lehibe tamin'izany andro izany, raha iny hifanandrina tamin'ireo zandriny 5 lahy iny i Karna, satria izy mila mandoa trosa amin'i Duryodhana, izay rahalahy sady fahavalon'i Pandavas.
Rohy natolotra am-pitiavana: Narad
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...