Arzantina: Ny Tambajotran'ny Mpampianatra

(Marihina fa tamin'ny 14 Aprily 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny tsy fahampian'ny fampiofanana ireo mpampianatra amin'ny fampiasana ny teknolojia vaovao, indrindra ireo mifandray amin'ny solosaina sy ny Aterineto no iray amin'ireo olana maha-maika indrindra amin'ny rafi-pampianarana ao Amerika Latina . Matetika dia hita fa ireo mpianatra no mahay kokoa momba ny solosaina noho ny mpampianatra azy ireo. Noho izany, tena vaovao tsara ny famoronana ny Redes Escolares (tambajotran'ny mpampianatra). Manangona ireo bilaogy tantanan'ireo mpampianatra avy amin'ny sekoly ao Buenos Aires ny tranonkala ary miara-miasa amin'ny Feevy izy ireo. Toy izao ny filazalazan'izy ireo momba ny tetikasa ao amin'ny bilaogin'ny Lisea ao  Buenos Aires:

Redes Escolares es un portal hipertemático coproducido por docentes y escuelas de la ciudad de Buenos Aires. Gestionado por la Red de Escuelas Medias, es una herramienta de difusión de las experiencias de innovación en las aulas que intenta mostrar los tejidos de la red educativa de la ciudad. Funciona visualizando el entramado de blogs de las escuelas, cátedras y docentes que participen en el proyecto y se actualiza permanentemente, cuando los distintos nodos distribuidos por Buenos Aires generan nuevos contenidos. Hoy cuenta con más de treinta blogs y alentamos a la comunidad educativa a enviar aquellos que consideren que no puedan faltar en una experiencia de estas características.

Tranonkala ahitana lohahevitra maromaro  niarahan'ireo mpampianatra sy ireo sekoly manerana an'i Buenos Aires natsangana ny Redes Escolares. Tantanan'ny Red de Escuelas Medias (Tambajotran'ny Lisea) ity fitaovana ampiasaina ity hanaparitahana ny fiainana ny fanavaozana izay kasaina hampisehoana ny randram-baovaon'ny tambajotram-panabeazana ao an-tanàndehibe. Miasa amin'ny alàlan'ny fampiantranoana ireo bilaogin'ny sekoly, kilasy ary mpampianatra mandray anjara amin'ny tetikasa ary havaozina matetika rehefa manome votoaty vaovao ny vondrona samihafa ao Buenos Aires. Manana bilaogy miisa telopolo mahery izy amin'izao fotoana izao ary mandrisika ny vondrom-panabeazana mba handefa ireo izay heveriny fa tsy tokony avela ho ivelan'izany zava-mampiavaka izany.”

Ny fahafahanao mahafantatra avy hatrany ny olona namoaka ny lahatsoratra vaovao sy ny fisafidianana ireo lahatsoratra mahaliana no tena zava-dehibe amin'ny Feevy,  bilaogy mpanangom-baovao iray. Mizara telo ny tranonkala: ny bilaogin'ny sekoly, ny bilaogin'ny mpampianatra ary ireo bilaogy andrisihana anao hamaky azy. Mino izahay fa efa mahazatra kokoa any amin'ny faritra hafa any Amerika Latina ity karazana hetsika ity .

Raha mpampianatra avy any amin'ny llisea any Buenos Aires ianao ary mikasa ny hanampy ny bilaoginao (na ny an'ny sekolinao) ao amin'ny Redes Escolares, dia mandefasa mailaka amin'ny  reporte_media@buenosaires.edu.ar na amin'ny redescuelasmedias@gmail.com

Fantaro bebe kokoa ny momba ny Weblog sobre weblogs sy ny bilaogin'i Pablo Mancini (amin'ny teny espaniola avokoa).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.