- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Filoha Meksikàna, Vicente Fox Nitafa Tamin'ny Bilaogera ?

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2005)

Halina aho nahita lahatsoratra iray momba ny fanoratana bilaogy, an'i Boz [1] izay nisy rohy nankany aminà lahatsoratra iray amin'ny teny Espaniôla nosoratan'i Goleech ary nitanisa tao anatiny ny filoha meksikàna , Vicente Fox, hoe sambany mihitsy nitafa tamin'ny bilaogera iray [2].

Novakiako ilay tafatafa, ary na toa azo ninoana ihany aza ilay izy, somary tsy dia natoky aho noho ny tsy fisian'ny fanehoankevitra tao amin'ilay lahatsoratra no sady tsy nisy na iray aza tamin'ireo bilaogy meksikàna goavana no nametraka rohy nankany amin'ilay izy. Araka izany dia nandefa imailaka aho ho an'i Eduardo Arcos ao amin'ny ALT1040 nanontany azy izay zava-nitranga ka dia nolazainy fa hampanao fanadihadiana izy.

Io maraina io izy no nandefa rohy mankany amin'ny tranonkalan'i Clarin ao amin'ny Weblogs izay milaza hoe  [3]tena nanamafy tokoa ny filoha Fox fa tena “nitafa taminà bilaogera iray”. Saingy manampy i Arcos hoe:

Ny tena zavamisy dia natao ho an'ny EnterateHoy.com.mx ilay tafatafa niarahana tamin'i Vicente Fox, izay novelabelarina (arahana sary ary nozarazaraina ho pejy vitsivitsy) ao anatin'io lahatsoratra io. Anatin'ireo toko ao amin'io tranonkala io, misy zavatra antsoina hoe “Ni Bilaogin'ny EnterateHoy” izay rohy iray mitondra anao koa ho any amin'ny enteratehoy.blogspot.com, [4]toerana iray ahitanao ny dika [2] amin'ilay lahatsoratra.

Toa tsy any Etazonia irery monja sisa ny “bilaogy” no lasa lohahevitra resahana be eny anaty media.