- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampahafantatra ny ‘rite | now’ Ao Amin'ny Fihaonamben'ny Global Voices ny Floating Space Theatre Co.

Sokajy: Mediam-bahoaka

Avy amin'ny Groundviews

Tahaka ny ahoana ny ahatsiarovantsika ny fotoana talohan'ny aterineto? Dia tahaka ny ahoana amintsika no ilaozantsika noho ny aterineto, ary tahaka ny ahoana amin'ireo no kisariantsika fa azontsika fehezina? Amin'izao fotoana dia sisintany isan'andro ny nomerika – miaina ao anatin'ny fanasany, ny sehatrany maro samihafa, ny fahafahany ho misy isika – kanefa isika mbola mianatra fomba fanao amin'ny fisiana ao anatin'ity sehatra ity isika. Mbola mpanoratra tsy fantatra isika, mipongatra ao anatin'ny fanoratana vory saina amin'ny maha-isika antsika antserasera, ny fomba ahafantarantsika, ary ny inona amin'ny diantsika no tsy maintsy atrehintsika, alohan'ny hivononantsika hanaiky ny fahavelomany.

Raha nokasaina ho seha-pifanakalozan-kevitra marolafy ao amin'ny sehatra an-tserasera, ny fahatsiarovan-tenany ary ny fomba amam-panaony mivoatra, dia mampahafantatra ny ‘rite | now’ – tranonkala mpamaly fanorenam-peo – ny Floating Space Theatre Co. Natao hiainana maharitra ipongarana avy ao anaty rano izay mivoatra mihoatra ny fotoana roa andro ny ‘rite | now’. Misokatra ho an'ny besinimaro amin'ity herinandro ity, amin'ny 2 sy 3 Desambra amin'ny 11 hatramin'ny 6 ora hariva ao amin'ny Trace Expert City, Maradana ny asa, ary atolotra ao anatin'ny fiarahana amin'ny Fihaonambe Global Voices 2017 ao Sri Lanka [1].

Ny famerimberin'ny Fihaonamben'ny Global Voices ity dia voavolavolan'ny fikasana hamakafaka ny “fanambin'ny aterineto misokatra, mitodika any amin'ireo fihantsiana amin'ny fananganana (arsitektiora) misokatra sy ny fepetra hahazoana fahalalahana miteny voaaro ao anatin'ny fitomboan'ny tontolon'ny fandrahonana ho an'ireo zavatra roa ireo.”

Ny fandaharam-potoana ampahibemaso sy ny atrikasa misokatra ho an’ ny daholobe roa andro dia “hamakafakana ny fomba hamerenan'ireo hevi-dehibe ao amin'ny fananganana (=arsitektiora) aterineto sy kabary ireo orinasa hanaiky, hieritreritra ary hikaroka lalina” (globalvoices.org [2]). Hiara hiasa amin'ny fitaovana mifandraika amin'ny hetsika sy ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices ireo mpanakanto mpiara-miasa amin'ny ‘rite | now’ – Jake Oorloff, Ruhanie Perera ary Ranil Goonewardene – mba hitady fifanakalozan-kevitra vaovao sy fandinihana momba ny toerana misy ny olombelona mifampitolona amin'ny  sehatra sy ny fomba fanao nomerika.

Hatsangana ivelan'ny efitrano lehibe ao amin'ny toeram-pihaonana ny fanorenana, ary hifandray amin'ny programan'ny fihaonambe; mandritra izany fotoana izany ihany, dia hanome sehatra fandinihana – fisaintsainana ihany koa – izay mampisy fizàrana mahaleotena ho an'ny mpanatrika/mpandray anjara, no sady mijanona ao anatin'ny resadresaka sy ny hery azo avy amin'ny Fihaonamben'ny Global Voices.

Traikefa tokana, sady fampisehoana iray izay mivoatra amin'ny alàlan'ny hetsika fandraisana anjara ny ‘rite | now’. Mandritra ny fotoana iainana amin'ity asa goavana ity, hitombo amin'ny alalan'ny fanoloran-tena sy ny fandraisana anjara amin'izany amin'ny fotoana hihaonana ny ‘rite | now’. Ireo olona tafahoana ireo, dia antenaina fa hisy fiantraikany amin'ny fanorenana – araka ny fanehoan-kevitra, sy ny fanapatapahana – toy ny hoe efa an-dalana ny fanorenana. Ny fanasana handray anjara dia tsy amin'ny traikefa mandre/mihaino fotsiny. Fa mihitatra amin'ny faniriana hamoaka valiny izay hijoro ho hetsika fanehoan-kevitra sy fijoroana vavolombelona. Voakasik'izany ihany koa ny fahatsapahan-tena fa safidy hatrany ny fandraisana anjara.0

Raha te hahafantatra bebe kokoa momba izany, vakio ny tranonkala Floating Space [3].

Navoaka indray avy amin'ny Groundviews [4] ity lahatsoratra ity .