Siriana Mpitsoa-ponenana, Mitady Fialofana Ao Brezila Izay Ananan'ny Fitondrana Assad Mpanohana Matanjaka.

Sainam-pirenena Breziliana ahitàna ny saina mariky ny tolom-piavotana eo afovoany. Namboarinà bilaogera iray tsy mitonona anarana ho an'ny Global Voices.

Siriana maro nandositra ny ady an-trano tany aminy no nahita toerana ao Brezila, toerana izay azon'izy ireo antsoina hoe fonenana.

Siriana miisa 3.340 no nangataka hialokaloka ao Brezila teo anelanelan'ny fanombohan'ny tolom-piavotana ny taona 2011 sy 2015. Ny 2.298 tamin'ireo mpitsoa-ponenana no nahazo fankatoavana.

Ny Syriana no manome isa betsaka indrindra amin'ireo mpitsoa-ponenana nankatoavina tao Brezila izay olona miisa 9.552 hatramin'ny Aprily 2017. Nmena sata ho mpitsoa-ponenana ara-dalàna ny ankamaroan'izy ireo tao anatin'ny dimy taona farany, rehefa hitan'ilay firenena fa niakatra izay tsy izy ny fangatahana hialokaloka — 966 monja ny taona 2010 ka tafakatra tonga 28.000 ny taona 2015.

Nahita andianà mpitsoa-ponenana indray i Brezila ny taona 2017, rehefa maherin'ny 10.000 ireo mpangataka fialokalofana taorian'ny fihenàna  tamin'ny 2016, tamin'ity indray mitaoraka ity dia teratany Venezoeliana ranofotsiny niampita ny sisintany mba hitsoaka ny krizy ara-toekarena sy ara-politika tany amin'ny taniny.

Nahazo tombony tamin'ny “varavarana misokatra” tao Brezila ny ankamaroan'ireo mpitsoa-ponenana: na iza na iza mangataka hialokaloka any tanin'ny Breziliana dia mahazo antontan-taratasy toy ny laharanà fiarovana ara-tsosialy, pasipaoro sy boky firaketana asa, izay mamela azy ireo honina malalaka sy hiasa ara-dalàna.

Misy tombontsoa amboniny ho an'ireo Siriana: namorona fahazoandàlana manokana noho ny maha-lona ho an'ireo nitsoaka ny savorovoro Siriana ny National Committee for Refugees (Kaomity Nasionaly Misahana ny Mpitsoa-ponenana), CONARE, izay azo alaina ao amin'ny masoivoho Breziliana alohan'ny handehanana. Fahazoandàlana miisa 8.450 no navoaka tamin'ny Jona 2016 araka ny tatitry ny LA Times.

Eny, mora kokoa amin'ny olona maro ny mankany Brezila toy izay niditra antsokosoko ao Eoropa, izay malaza be ho mampididoza ihany koa.

Mandritra izany, lalàna iray vaovao momba ny fifindra-monina indray no nankatoavina tamin'ity taona ity izay mampivelatra lavitra ny zon'ireo mpialokaloka sy ny mpitsoa-ponenana ao Brezila. Ilay lalàna vaovao, izay misolo ny Satan'ny Vahiny fony vanim-potoanan'ny jadona miaramila, dia hamela ny vahiny ao an-toerana handray anjara amin'ny raharaha politika, miantoka ny fanamoràna ny fahazoana antontan-taratasy momba ny asa ary mandrindra ny zon'ny mpitsoa-ponenana mba hahazo fahazoandàlana.

Na izany aza, nolavin'ny Filoha Temer ny andininy maro tao amin'ilay lalàna vaovao, toy ny famotsoran-keloka faobe ho an'ireo mpifindra monina tsy  manana taratasy ara-dalàna.

Siriana Mpitsoa-ponenana Ao Anatina Tontolo Siriàna-Libaney Tranainy

Teraka tany amin'ny faritanin'i Ottoman tamin'izany fotoana izany izay lasa ho i Siria sy Libanona ankehitriny, nanomboka tany amin'ny manodidina ny taona 1870 ireo Siriana-Libaney mpitsoa-ponenana no nitsoaka ho an'i Brezila mba handositra ny savorovoro sy ny fahapotehana nateraky ny Fanjakana Ottoman.

Tamin'ny fiandohan'ny taona 1900, dia nanomboka nanokatra tranombarotra teny amin'ny lalamben'ny 25 Martsa ao São Paulo izy ireo, izay sehatra iray nahatonga azy ho lasa fiantsenàna nohindrahindraina indrindra tao an-tanàna.

Ny taona 1930, nivondrona manodidina ireo ivontoerana ara-kolontsaina ny fiarahamonina Siriana-Libaney, niaraka taminà mpikambana maro toy ny dokotera mpitsabo sy mpisolovava. Nitohy mandraka ankehitriny ireny  fifamatorana ireny.

Anarana fanta-daza tanisaina matetika amin'io sata ambony io ilay : Hopitaly Siriàna-Libaney fanta-daza (Hospital Sírio-Libanês). Nitsidika ity hopitaly ity ny Filoham-pirenena Siriana Bashar Al Assad ny taona 2010 nandritry ny fitsidihany tamin'ny fomba ofisialy ity firenena ity ary nanolotra maripankasitrahana ny Tale, Dr Riad Younis, niaraka tamin'ny mariboninahitra “Ordre de Mérite” Siriana.

Ahafahantsika mijery ny zava-misy niainan'ireo mpitsoa-ponenana Siriana teo aloha izany rehetra izany. Raha nitsoaka ho any Brezila izy ireo, mety ho hitan'ireo andianà mpitsoa-ponenana vaovao ireo fa tsy ireo rehetra efa teratany Breziliana taranaky ny Siriana-Libaney no manohitra ny fitondrana Assad .

Namokatra horonantsary fanadihadihana iray momba ireo mpiaradia Breziliana avy amin'ny elatra havia tamin'ny tolom-pivaotana ny Antoko Sosialistan'ny Fiombonamben'ny Mpiasa (PSTU), izay mampiseho ny fifanoherana aminà antoko ankavia madinika hafa vitsivitsy misy ao Brezila ka naneho ny fanohanany ny fitondrana Assad.


Ny taona 2012, niteny tao amin'ny BBC Brezila i Ehad al Tariri, Siriana mpikatroka, ka nilaza fa manodidina ny 40%-n'ireo Siriana-Libaney ao Brezila no tsy mankasitraka an'i Assad, kanefa tsy misy afa-tsy vinavina ny tombana rehetra..

Mpikambana tranainy ao amin'ny Club Homs, iray amin'ireo klioba tena tranainy ao Sao Paulo, niorina tamin'ny taona 1920, ny Mpisolovava Eduardo Elias, zafikelin'ireo Siriana mpitsoa-ponenana. Izy ihany koa no Filohan'ny Federasionan'ireo Vondrona Arabo ao Sao Paulo, anisan'ireo delegasiona Breziliana mafonja miisa 14 taranaka Siriana izay nitsidika an'i Bashar Al-Assad tao Damaskosy ny Septambra 2016, andro roa monja taorian'ny fanafihana an'habakabaka tao Aleppo izay nahavoa ny andianà fiarabe Tsinambolana Mena (Croissant Rouge) nitatitra fanampiana ara-tsakafo avy amin'ny Firenena Mikambana, ka nahafatesana mpiasa 12 mpanao asa soa.

Nanolotra fiara miisa fito fitaterana marary ilay delegasiona ary seza 150 misy kodiarana ho an'ny fitondrana Siriana, novatsian'ireo Siriana-Breziliana.

Nitanisa ny fivoriana niarahany tamin'i Assad ny taona 2010 i Elias teo am-piresahana tamin'ny Al Jazeera ny taona 2012.

“Nikabary i Assad rehefa tonga teto Sao Paulo, ary nanolotra andraikitra goavana ho antsika izy. Hoy izy: ‘solotenan'i Siria ianareo tsirairay avy, meteza ho olom-pirenena mendrika mba hahatonga an'i Siria ho firenena lehibe.’ Nanana resaka manokana niarahana taminy aho, ary tsy hitako soritra teny aminy ny maha olon-dratsy sy devoly azy toy ny fahitan'ny olona azy ankehitriny.”.”

Rehefa nanahirana ny fiainan'ireo Siriana mpitsoa-ponenana ireo olana maro ireo, dia marina ihany koa fa maro amin'ireo Siriana mpitsoa-ponenana no miantso an'i Brezila hoe fonenany, ahitàna maro mahita hoe manampy azy ireo hifankazara hifangaroharo ireo vondrom-piarahamonina efa tafapetraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.